Fianarantsoa : Natsahatra ny Tournoi Coupe du Président iarahana amin'ny SOLUMA

  • lundi, 08 mai 2017 09:23
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

« Misy olana amin'ny Filoham-pirenena sy ny fikambanana Solidarité des Leaders Universitaires de Madagasikara (SOLUMA)», hoy ny filoha nasionaly mitatitra azy.

Tsy tanteraka ny andron'ny alahady 7 mey ny dingana famaranana ny lalao basket ball nokarakarain’ny SOLUMA hatramin'ny volana oktobra arak'izany.

Tsy tratra antso hatramin'ny zoma lasa teo ihany koa ny filoham-boninahitra Be-Rija Ravelomanatsoa hoy ny mpitarika ny SOLUMA. "Tsy hita izy hatramin'izao", hoy ny mpikambana.

Tonga tao an-kianja ary efa niatrana daholo ny mpilalao nanambarana fa efa any ny loka omby sy ondry sy gisa sy vary fa misy olana eo aminay sy ny filoham-pirenena ka ajanona ny hetsika.

Miato eo ampiandrasana vahaolana araka izany ny hetsika Tournoi Coupe du Président eran'i Madagasikara vokatr'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa