Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona: Manameloka ny Filohan'ny Faritra Ihorombe

  • mercredi, 26 avril 2017 17:36
  • Tigre
  • Sary Njaka

Efa herin'andro vitsivitsy tatoato no nitety haino amanjery ity mpanolo-tsainan'ny Praiminisitra Olivier Mahafaly ity, ary azo antoka fa nifanarahan'izy ireo ny fivoahan'ity mpanolo-tsaina ity, satria dia miaro fatratra ny Praiminisitra sy ny asan'ny governemanta tokoa ity administrateur civil ity.

Androany dia namory mpanao gazety mihitsy izy ary dia nanameloka tanteraka ny filohan’ny faritra any Ihorombe izay voalazany fa manao kolikoly eny amin’iny faritra iny, ary miantso ny fitondram-panjakana sy ny manodidina azy mba hijery hifotony an’ireo mpitrandraka vato eny Ilakaka.

Vao andro vitsivitsy tokoa moa izay dia nisy fampihantonana asa fitrandrahana vato navoakan'ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany tamin'iny faritra iny.

Mampitandrina ny eo anivon’ny fitsarana ihany koa ingahy Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, mba hanaraka hifotony satria ny fitsarana dia natao hiady amin’ny mpangalatra fa tsy hiaro mpangalatra hoy hatrany izy.

Miantso ihany koa ity mpanolon-tsaina ity ny mba hitsaharan’ny fanaparam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mampiomana ihany koa izy ireo fa raha tsy mitsahatra izao fanaovana raharaha maloto sy firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy izao dia hivoaka avokoa ireo dossier rehetra tsy manara-dalàna.

Ny mahagaga ny maro, ka tsy ry zareo moa ve no mitondra no hampitandrina eto? Inona no tsy andraisan'ny Praiminisitra, izay soloiny tena ankolaka amin'izao fivohana mitety haino aman-jery izao, ka tsy andraisany andraikitra, nefa izy no lehiben'ny asam-panjakana rehetra, nahoana no tsy mitory any amin'ny Bianco, nahoana no tsy esorina sy saziana ilay melohina ankalamanjana fa mpangalatra sy mpanao kolikoly? Nahoana no tsy avoaka izany dossier zany fa atao biby fampitahorana? Aiza ilay fanjakana tan-dalàna tsy mitanila? Sa miandry efa tsy eo intsony vao hoe misy dossier?

Fitondrana miady an-trano, fitondrana efa hirodana?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa