Fitondrana Rajaonarimampianina : Mampigadra no mba hainy

  • mardi, 14 février 2017 14:41
  • Britto
  • Tahirin-tsary Sobika

Rehefa kofona tsy mahavaha olana fa vao maika aza mampitombo fahoriam-bahoaka, dia ny mampiditra am-ponja ireo mpanao politika indray izao no ihazakazahan’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity.

Ary mahazendana dia manao fihetsika mpamosavy malemy ka ireo niady fo mafy, nanao izay hahatongavany eo amin’ny fitondrana indray no anaovany antsojay sy ataony hazalambo.

Lasibatra indray izao ny Senatera Lylison René De Rolland Urbain. Namoaka didy io atoandro io ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, manameloka azy higadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra.

Noho ny antso nataon’ity olom-boafidy MAPAR tao amin’ny faritanin’i Mahajanga ity, nitaona ny olona samy hijanona ao an-tranony handini-tena manoloana ny firongatry ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra, tamin’ny volana martsa 2016 no niampangana azy.

Fitsarana izay tsy natrehiny, ary na ny fianakaviany sy mpisolovava azy aza tsy nahalala ny fisiany. Nihazakazahana izany rehetra izany tapabolana taorian’ny nanaovan’ny Senatera Lylison fanambaram-pananana teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

Ary asa na kisendrasendra na nokendrena hilatsaka tamin’ity andron’ny Mpifankatia (Saint Valentin) ity mihitsy ny didy, hanehoan’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity fa tapaka tanteraka ny tady eo aminy sy ny fianakaviana politika nanohana azy tamin’ny 2013 ireny.

Fa ny fanontaniana ilam-baliny dia hoe: nesorina tamin’ny Senatera Lylison ve zany ny zo tsy azo enjehina na ilay “immunité parlemantaire”, sa endri-pitsarana inona no nitondrana ity raharaha ity?

Hatreto mantsy, tsy mbola namaly ny taratasin’ny Antenimierandoholona ny teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, raha tsy hoe : hanohy ny fanosihosena lalàna izay efa fanaony sy mampalaza azy indray ity fitondrana ity, toy ny tsy niraharahiany ny andininy faha-54 tamin’ny fanendrena praiminisitra, ny nisavana ny tranon’i Senatera Lylison nefa aza ny didy fampisamborana azy aty amin’ny volana septambra 2016, enim-bolana taorian’ny antso nataony vao navoakan’ny Fitsarana.

Tsiahivina fa roa volana lasa koa izay, dia natao sambo-dokotra teny ampandevenana ihany koa ny filoha lefitry ny vondrona MAPAR, Augustin Andriamananoro noho ny fijoroany hiaro ny tanindrazany teny Soamahamanina. Tamin’ny volana septambra 2016, dia naratra mafy niharan’ny herisetra ihany koa ny Mpanolotsaina avon’ny tetezamita sady mpikambana MAPAR Randriazanakolona Yvon dit Sareraka.

Vali-kafatra tamin'ireo fangatahan'ny vahoaka marobe, izay nosoloan'ireo mpikambana 500 niatrika ny fifampiarabana tratry ny taona, mba hilatsahan'i Filoha Rajoelina ho kandida Filoham-pirenena ny taona 2018 ve izao didim-pitsarana tsy natrehan'iza an'iza izao?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa