“Amis de Lakroa” : Nanao politika ve i Jesoa?

  • mardi, 20 décembre 2016 13:58
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Tontosa tao anatin’ny firahalahiana ny fisintahana masina eo amin’ny sehatra politika nokarakarain'ny vondrona “Amis de Lakroa” ny 16, 17 ary 18 desambra lasa teo.

Miisa 15 ireo nisoratra anarana fa 13 no tonga nandray anjara avy amin'ny antoko sy firehana samihafa misy eto Fianarantsoa sy manerana ny Nosy. Isan'izany ny Tambatra, ny Mapar, ny TIM ...
Izao no natao dia ho fitohizan'ny famelabelaran-kevitra momba ny fanaovana politika amin'ny fomba kristianina tontosa herinandro vitsivitsy izay.

Noresahana nandritra ny fifanankalozana ny fifampiankinan'ny mpitondra fivavahana sy ny fahefam-panjakana.

Nandray anjara tamin'ny raharaha politika ve i Jesoa? Nahoana no voatery nosarahana ny fahefan'ny mpanjaka sy ny ara-pinoana tany aloha tany? Inona no tena fanaovana politika ho an'ny lahika manana anjara toerana eo amin'ny raharaham-pirenena?
Ireo amin'ny ankapobeny no nanaovana serasera sy fifampitoviana eritreritra mba ho fanombohana. Ka nivoaka tao antin'ny adihevitra ny fanekena fa manana ny toerany ao amin'ny sehatra politika ny finoana ary tsy ratsy foana akory ny fanaovana politika.

Heverina hitohy amin'ny vanimpotoan'ny karemy ny andiany faharoa amin'ity fanentanana ity. Efa ao anatin'ny fikarakarana ny sampana ao andrenivohitra amin'izao fotoana izao.

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa