Politique

    • mercredi, 08 mai 2019 09:19
    • Tigre
    • Sary nomena

    Lanto sy Jaojoby: Pao-droa no tanjona

    Nitety an'Ambohipo i RAKOTOMANGA Lantoarivola Sedera sy i JAOJOBY Eusebe mpiray lisitra aminy. Nihaino ny fahasahiranan'ny vahoaka tety ifotony. Maro tokoa ny zavatra tokony harenina amin'ity Boriborintany faha II ity hoy izy mianadahy ireto. Namafisin'i Jaojoby fa "Nanolo-tena izahay hanatanteraka ireo Velirano iarahana amin'i Andry Rajoelina, ary pao-droa, ahalany azy mianadahy miaraka no tanjona". (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 mai 2019 09:15
    • Tigre
    • Sary nomena

    Feno sy Bodo: Manome toromarika ho an'ireo mpiara-miasa hitety trano

    Vao maraina dia nifamotoana amin'ireo mpiara-miasa aminy, etsy amin'ny foiben-toerana QG etsy Bel'air, i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nanome toromarika i Feno sy Bodo amin'ny fitetezana isan-tokantrano anazavana ny vinan'izy ireo. Notsindrian'izy ireo ny fanajana ny mpiara-monina, ny fanazavana sy fandraisana ny hetahetan'ny mponina ary ny fitondran-tena mendrika. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 mai 2019 08:14
    • Tigre
    • Sary nomena

    Soafilira Princia: Navy zanak'Analalava

    "Analalava tiako", izany no teny faneva nentin'i Soafilira Princia, zanak'Analalava. Vory ny rehetra nandray azy, nahazo ny tsodranondreo Ray amandreny ity Kandida ho solombavambahoaka eto Analalava ity, nilatsaka amin'ny anaran'i Malagasy Tia Tanindrazana (MATITA) mitondra ny laharana faha 06 amin'ny bileta tokana. Izy moa dia fantatry ny maro amin'ireo asa soa vitany, ary manana vina ny hampandrosoana ny faritra Analalava, ny lalana, ny sekoly, ny fitsaboana, ny hisian'ny fandriampahamelana, ny tantsaha, ny vehivavy, ny famoronana asa ho an'ny tanora ary fampiroboroboana ireo mpandraharaha. Izy rahateo dia mpandraharaha tsy zoviana amin'i Analalava intsony. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 mai 2019 20:21
    • Tigre
    • Sary fanehoana Gasypatriote

    Fampielezan-kevitra: Nilamina ny andro voalohany sy faharoa

    Nisokatra omaly alatsinainy 6 mey ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana solombavambahoaka, izay atao ny 27 mey ho avy izao manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, haharitra 21 andro izany fampielezan-kevitra izany, ka hifarana ny 25 mey 2019 misasak’alina. Nilamina amin'ny ankapobeny ny fanombohan'izany, samy mifanaja avokoa ireo kandida.Nanomboka tamin'ny diabe sy carnaval ny ankamaroany, tao kosa no nanao fotoam-pivavahana, tao no naka tsodranon-dray amandreny. Niavaka kely ny tany Maroantsetra, izay nanambara am-pahabemaso nandritra ny fanaovana sonia hifanarahan'ny Kandida fa tsy misy anaratsy ny hafa, fa ity Kandida ity kosa nilaza fa izy dia anaratsy sy anakina kandida hafa, izay mifaninana aminy. Maro ireo kandida no manana trano sy foibe-toerana manokana azo atonina hanontaniana ny vinan'ireo kandida. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 mai 2019 19:24
    • Tigre
    • Sary nomena

    BEBOARIMISA Ralava: Manaja ny fomban-drazana, Antragnobe no miainga ny zavatra atao

    Zanaky Manakara i BEBOARIMISA Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana. Nangataka ny tsodrano tamin'ireo Ray aman-dreny ampanjaka ity zanaky Manakara ity alohan'ny hanao ny asa rehetra. Taorian'ny fangataha-tsodrano dia nisy ny fihainoana ny hetahetan'ny mponina tao amin'ny Tranobe. Nandritra ny lahateny izay notaony dia nanambara sy nanazava ny vinany i BEBOARIMISA Ralava fa ny tantsaha sy ny tontolo iainana no fototry ny fampandrosoana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 mai 2019 18:55
    • Tigre
    • Sary nomena

    Feno sy Bodo: Nisantatra ny Fampielezan-kevitra tamin'ny fidinana isam-pokontany

    Nitomandavana ny mpiara-dia tamin'i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, teto amin'ny Boriborintany faha III. Nitety ireo fokontany sy nanantona ny mponina nampahafantatra ny vinan'izy ireo amin'izao filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III izao. Mitondra ny laharana 01 ity lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ity, ary anisan'ny imasoan'izy ireo ny hisian'ny lalàna sy vina miroso amin'ny sosialim-bahoaka, amin'ny famoronana asa. I Feno sy Bodo rahateo dia tsy zoviana amin'ny maro intsony fa samy eo amin'izay sehatry ny fandraharahana sy fanaovana izay asa sosialy izay avokoa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 mai 2019 20:23
    • Tigre
    • Sary nomena

    Irmah Naharimamy: Viavy mahavit'azy

    Izany no teny faneva nentin'i Kandida ho solombavambahoaka, Irmah Naharimamy natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, laharana faha 8, eto Toamasina I. Diabe carnaval no nisantarany ny fampihelezan-kevitra nitety ny fokontany maro teto Toamasina antampo-tanàna, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa, mpiray lisitra, ary mpanohana azy. Niavaka tamin'izany ny fiarahana tamin'ireo ray aman-dreny na nitovy na tsy nitovy firehana ara-politika, nampisehoany ny fampihavanana marina ho an'ny zanaky Toamasina miray.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 mai 2019 19:20
    • Tigre
    • Sary nomena

    Rastany: Namaky lay tamin'ny alalan'ny carnaval

    Nanomboka anio alatsinainy faha 06 mey ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana solombavambahoaka. Namaky lay avy hatrany, i Rastany na Randrianarisoa Stanislas mitondra ny laharana faha 9, kandida natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara. Namakivaky ny tanàna teto amin'ny Boriborintany faha II, nitety ireo fokontany maro, sady niresaka mivantana tamin'ny vahoaka, no nampahantatra ihany koa ny vinany. Maro ireo mpanohana azy no niara-nientana nitety isan-trano hampandaniana an'i Rastany, izay tsy vahiny amin'ny mponina intsony, noho ireo asa sosialy maro ataony, singanina amin'izany ireny fanamboarana lalana sy trottoir maro be manerana ny Boriborintany faha II ireny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 mai 2019 09:27
    • Anonymous
    • Photo Archives CENI

    La démocratie a un prix

    Re Bonjour, voilà que les propagandes vont recommencer avec les législatives sans le fameux référendum évidemment. Les Pom Pom girls danseront de nouveau sous des musiques tropicales sur des plateformes mobiles ou fixes afin d’attirer des spectateurs. Les prétendus œuvres de bienfaisance se multiplieront et chaque candidat tentera de se surpasser avec comme mot d’ordre sans le dire « fividianana fa tsy fifidianana » (corruption mais non élection) ! Pour être élu on achète des électeurs. Dans ce but, des millions, voire des milliards sont dépensés en l’espace de quelques semaines !! Madagascar dépasse même des pays riches comme les Etats-Unis et ceux de l’Union Européenne. Telle est la situation pour ceux qui se risquent dans cette aventure.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 mai 2019 22:08
    • Britto
    • Tahirin-tsary CENI

    Fifidianana depiote: Ireo tarehimarika tsara ho fantatra

    Miisa 803 ireo kandida nahafeno fepetra araka ny lisitra navoakan’ny CENI tamin’ny 19 martsa 2019. Toerana miisa 151 no ifaninanana. Miisa 25 388 ny birao fandatsaham-bato. Hatreto dia 10 302 194 ireo mpifidy voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Amin’ny 15 mey no voalazan’ny lalàna fa ikatonan’ny lisi-pifidianana. 10 674 075 ny isan’ny biletà tokana natonta tatsy Afrika Atsimo.    
    Lire la suite ...
Page 9 sur 88