Politique

    • dimanche, 12 mai 2019 22:32
    • Britto
    • Tahirin-tsary: Ali Sarety mitarika fivoriana

    Ambanja: Hakatona ny MBS ?

    Mihazakazaka ny toe-draharaha eto Ambanja renivohitr'i Sambirano taorian’ny nampidiran’ny Fanjakana am-ponja an’i Ali Sarety, filohan’ny fikambanana “Zanak’Ambanivolo Miray” nanomboka ny harivan’ny zoma 10 mey 2019. Velon-taraina ireo mpikambana ary tezitra mihitsy aza ny sasany, izay nivory maika ny sabotsy teo, manoloana ny famonjana ity raiamandreny izay tena mijoro miaro ny tantsaha, indrindra ny mpamboly lavanila. I Ali Sarety hoy izy ireo dia olona miady ho anay tantsaha manoloana ny firongatry ny halatra lavanila, mitaky ny hamoahana ny daty hisokafan’ny tsenan’ny lavanila, izay efa tena matoy ary mampirongatra ny halatra sy ny asan-jiolahy. Loharanom-baovao maro etsy andanin’izany no mitatitra fa misy “be hatoka” mahazo tombony amin’io tsy mbola isokafan’ny tsenan-davanila aty amin’ny faritra Sambirano io, satria manararaotra mividy antsokosoko amin’ny vidiny mora ny lavanila “halatra” izy ireo hanenjehana “quota” na lanja amam-polony taonina dia ny tantsaha mpamboly no mitondra faisana miaritra ny asan-dahalo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 mai 2019 19:28
    • Tigre
    • Sary nomena

    Ampamatanana: Manohana ny tanora sy ny fanatanjahantena i Rastany

    Nampisehoan'ny tanora teto Ampamatanana ny fisaorana an'i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana. Izany dia noho ny fanohanany ny fanatanjahantena, na baolina kitra izany, na ny lalao baolina lavalava, na ny tsipy kanetibe, ny Kick boxing. Porofon'izany ny kilioba notohanany no nahazo ny tompondaka kick boxing izay natao tany Manakara. Nihaloavana fifaninana baolina kitra moa ity fihaonana teto Ampamatanana ity.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 mai 2019 18:39
    • Tigre
    • Sary nomena

    Lanto sy Jaojoby: Akaiky ny mponina Ambanidia sy Mahazoarivo

    Anjaran'ny Ambanidia sy Mahazoarivo inndray no nitsidihan'i kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II. Anisan'ny fahasahirana ny tsy fisian'ny herinaratra tao amin'ny tsenan'Ambanidia, ora vitsy monja anefa dia naverina tamin'ny laoniny izany herinaratra izany, satria isika tsy naman'ny mihemotra fa mandroso hatrany hoy Lanto Rakotomanga, ary izay tenenina dia tsy maintsy tanterahina. Anisan'izany koa ny paompy tsy nandeha intsony nandritry ny volana maro, 3 ireo paompy ary nosokafana avy hatrany. Nojerena ihany koa ireo jiro manazava ny elakelantrano rehetra, ary ho ampirehetina avokoa hoy ireto farany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 mai 2019 17:34
    • Tigre
    • Sary nomena

    Masy GOULAMALY: Niara-nientana i Tsihombe

    Toy ny olon-tokana i Tsihombe ny zoma teo nandray an'i Masy Goulamaly, kandida ho solombavambahoaka, mitondra ny laharaha faha 06 eto Tsihombe. Feno hipoka ny kianja fanaovam-baolina, tsy omby ireo solotena marobe avy amin'ireo Kaominina 9 manodidina eto amin'ny Distrikan'i Tsihombe, nahatratra 20 000 mahery. Taorian'ny fanomezana tso-drano nataon'ireo Olobe dia nitanisa ireo ASA vita nandritra ny 5 taona naha solombavambahoaka azy i Masy Goulamaly. Taorian'izay dia nanolotra ireo vina ho fampandrosoana ny 5 taona manaraka. Tsy latsa-danja amin'izany ny sosialy, ny rano sy ny ady amin'ny kere aty atsimo, ireo fotodrafitrasa toy ny lalana, ny sekoly, ny fitsaboana, ny fisitrahana ireo harena maro aty amin'ny faritra, mba tena ho fanoitra ampandrosoana ny faritra izy ireny, ny fampiroboroboana ny tanora sy ny vehivavy. Tsy adinony ireo zokiolona.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 14:40
    • Tigre
    • Sary nomena

    Soafilira Princia: Hiboka ny trano tato amin'ny Kaominina Andrevorevo

    Namory vahoaka tato amin'ny Kominina Andrevorevo, Distrikan'Alalava i Soafilira Princia, Kandida ho solombavambahoaka eto Analalava, nilatsaka amin'ny anaran'i Malagasy Tia Tanindrazana (MATITA) mitondra ny laharana faha 06 amin'ny bileta tokana. Nakotroka ny fandraisana ity zanak'Analalava ity, ary ireo vehivavy no anisan'ny niditra an-tsehatra hanohana ity kandida mitsinjo ny sosialim-bahoaka ity. Nambaran'i Soafilira tamin'izany fa tara be amin'ny fandrosoana i Analalava hatramin'izay, na ny fahasalamana, na ny fotodrafitrasa sy ny lalana, na ny hopitaly sy ny sekoly ianaran'ny zaza.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 12:41
    • Tigre
    • Sary nomena

    Lanto sy Jaojoby: Nitety an'i Ambohipo, Ampahateza, Avaratr'Ankatso, Mahazoarivo

    Nitohy teny Ambohipo, Ampahateza, Avaratr'Ankatso, Mahazoarivo ny fampielezan-kevitra nataon'ny kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II. Mila jerena manokana, hoy i Lanto Rakotomanga, ity faritra ity satria dia hita fa maro ireo tokantrano mbola miaina amin'ny tsy fisian'ny jiro sy rano. Tsy tonga nitsidika fotsiny amin'izao anefa ireo kandida N°01 fa nanolotra jiro ho an'ny olona tety an-toerana sy fitaovana hananganana paompy ahazoana rano hoan'ny manodidina. Tsy hadino koa ireo zaza izay notolorana koba aina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 16:20
    • Tigre
    • Sary nomena

    Ambohipo - Mahazoarivo: Mitondra fanampiana ho an'ireo sahirana i Lanto Rakotomanga

    Nitohy teny Ambohipo sy Mahazoarivo ny fampielezan-kevitra nataon'ny kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II. Ny fampandrosoana tsy vita irery, manomboka any amin'ny madinika izany, koa mila jerena manokana izy ireo hoy i Lanto Rakotomanga rehefa nitondra ireo fanampiana ho an'ireo sahirana. Miara-mientana isika hisian'ny fampandrosoana hoy hatrany izy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 15:07
    • Tigre
    • Sary nomena

    Ifanadiana: Fampielezan-kevitra hafa kely

    Feno ny afisin'i kandida MANANTENA Hajanirina Dinah, na fantatra amin'ny hoe Haja, izay voaroiroy tamin'ny resaka kidnapping tany Antsirabe sy Toamasina, fa nahazo fahafahana vonjy maika, ny eto Ifanadiana. Ireo mpitsara dimy tany Toamasina nanome izany fahazoana mivoaka ny fonja izany aza moa dia nahantona tamin'ny asany. Araka ny fanambaran'ny CENI anefa dia tsy mampiova ny lisitr'ireo kandida izay afera mbola tsy nisy didim-pitsarana raikitra momba azy ireny fa dia mijanona ho kandida hatrany izy ireny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 14:48
    • Tigre
    • Sary nomena

    Irmah Naharimamy: Ny masoandro maty no nampalahelo

    Naneho ny vinany tamin'ny alalan'ny écran géant ny Kandida ho solombavambahoaka Irmah Naharimamy, natolotry ny antoko politika Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, laharana faha 8, eto Toamasina I. Liana tokoa ny rehetra nanaraka ny fanazavana ka ny masoandro maty no nampalahelo. Mbola nanohy nitety ireo fokontany Irmah Naharimamy taorian'izay. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 14:12
    • Tigre
    • Sary nomena

    Rastany: Mitohy ny fitetezana ireo fokontany eto amin'ny Boriborintany faha II

    Manohy ny fitetezana ireo fokontany eto amin'ny Boriborintany faha II i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana. Voatsidika tamin'izany ny fokontany Ambohitsoa, Ambohimiandra, Mahazoarivo ary Mandroseza. Nifampiresaka mivantana tamin'ireo mponina izy sy ireo mpiara-miasa aminy nanazavany ny vinany, sy nihainoany ny hetahetan'ny mponina. Voaresaka tamin'izany ny fijalian'ny mponina amin'ny resaka rano, ny fandriam-pahalemana, ny fampianaran-janaka, ny vidim-piainana midangana, ny fahasalamana tsy araka ny vidim-panafody, ny tanora tsy ampy fialam-boly. Nankasitra an'i Rastany ny mponina amin'ireo asa soa fanaony ety amin'ny Boriborintany faha II. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 88