Politique

    • samedi, 23 février 2019 09:14
    • Britto
    • Sary nindramina

    Televiziona Malagasy: Mitohy ny sivana ho an’ireo mpanolotra vaovao

    Taorian’ny fifantenana ireo ho mpanolotra vaovao an-tsary ao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ato ho ato, nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, mivantana tao amin’ny foiben’ny TVM Anosy tamin’ny tolakandron’ny 19 febroary 2019 dia nandefa iraka ny minisitra, ahitana ny Sekretera jeneralin’ny ministera Ralaimazava Johary Andriamahery sy Tale jeneralin’ny serasera Fanahimanana Hubert Tiaray, miampy mpikambana roa ao amin’ny kabinetrany, miampy an’i Volatahiana Ranaivomanana, Talen’ny TVM teo aloha, manohy ny sivana amin’ny fanaovana « évaluation » ireo nofantenana. Toy ireny fifantenana tovovavy tsara tarehy sy bikaina (Miss) ireny, ankoatra izay metimety tamin’ny minisitra, no nifantenana ireo ho mpanolotra vaovao an-tsary hiseho amin’ny fahitalavitra ato ho ato ireo, tsy nijerena traikefa na koa fahadisoana arak’asa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 février 2019 15:58
    • Britto
    • Photo RFI

    Rabenarivo Sahondra: Nommée Président du Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité

    Rabenarivo Sahondra remplace le Général de Corps d’Armé Raveloharison Herilanto. Elle aura la responsabilité de proposer prioritairement des nouvelles procédures pour sécuriser le concours d’entrée dans la fonction publique. Née à Madagascar de mère américaine, Rabenarivo Sahondra est CEO du cabinet d'avocats « Madagascar Law Office », juriste de formation (Harvard Law School) et membre de la SEFAFI (Observatoire de la vie publique). Rabenarivo Sahondra préside également la fondation qui oeuvre pour la protection de la biodiversité malagasy. Rabenarivo Sahondra fait partie aussi des membres du Comité de normalisation de la Fédération Malagasy de Football mis sur pied par la Fédération Internationale du Football Association (FIFA) et de la Confédération africaine de football (CAF).
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 février 2019 14:33
    • Britto
    • Sary Primatiora

    Fandriampahalemana: Nidina tamin’ireo kartie mafana nijery ny zava-misy ny praiminisitra Ntsay Christian

    Nijery ny fandrindrana ny lamina napetraka amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ho famerenena ny fandriampahalemana eto Antananarivo ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian, ny alin’ny 20 febroary 2019. Faritra maromaro no notsidihina tamin’izany : CENAM (67ha), Andavamamba, Ambilanibe, Anosibe, Ambohipo ary Ambolokandrina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 février 2019 08:05
    • Tigre

    Mode de calcul Election député

    Le nombre des députés 151 est maintenu. Pour chaque District, pour chaque nombre de population 300 000 personnes équivaut 2 sièges députés, élus au proportionnel au plus forte moyenne à un tour.Pour le siège unique, élection uninominale sans liste à 1 tour. Calcul plus forte moyenne
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 février 2019 10:27
    • Britto
    • Tahirin-tsary

    Fitantanana: Iray volana androany no nandraisan’i Andry Rajoelina fahefana feno

    19 janoary 2019 – 19 febroary 2019, feno iray volana androany ny datinandro nanaovan’i Andry Rajoelina fihanianana teo Mahamasina, nandraisany ny fahefahana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy, rehefa voafidy tamin’ny salanisam-bato 55,66%-n’ny vato manankery tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018, raha nifaninana tamin’i Marc Ravalomanana.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 février 2019 14:05
    • Britto
    • Sary nindramina

    Sendika: Voafidy ho filohan’ny SMM i Clément Jaona

    Clément Jaona no handimby toerana an’i Fanirisoa Ernaivo, hitantana ny SMM (Syndicat des Magistrats de Madagascar). Notontosaina ny zoma 15 febroary 2019 teo ny latsa-bato nifidianana izay ho filohan’ny SMM. Roa no mpifaninana dia i Clément Jaona (Mpitsara mpamoaka didy), kaomisera momba ny lalàna eo anivon’ny Filankevi-panjakana sy Andrianiaina Franklin James Rakotomahanina (Mpitsara momba ny ady ara-bola), miasa eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana, ary efa nirotsaka in-droa miantoana (2013, 2018) ho kandida filoham-pirenena fa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 février 2019 09:41
    • Britto
    • Sary nomena

    Friedrich Ebert Stiftung: Constantin Grund no solontena vaovao eto Madagasikara

    Nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, tetsy amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, ny solontena vaovaon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES) eto Madagasikara, Constantin Grund. Niompana tamin’ny sehatra maromaro hiorenan’ny fiaraha-miasa mikasika ny fanamby hapetraka momba ny sosialy sy ny toe-karena eto Madagasikara ny dinika. Nohamafisin’i Constantin Grund ny hitohizan’ny asa hahafahany manome tanana eo amin’ny ezaka izay ataon’ny governemanta Malagasy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 février 2019 16:27
    • Britto

    Ministeran’ny serasera sy kolontsaina: NAOTY mahabe resaka

    Namoaka naoty ny Talen’ny kabineratra, ny 30 janoary 2019, mibaiko ny famerenana ireo « véhicules administratifs » rehetra. Miteraka resabe eo anivon’ny ministera io taratasy io, satria hatreto tsy mbola misy didim-panjakana manala amin’ny toerany ireo Tale isan-tokony eo anivon’ny ministera roa nakambana ho iray, dia ny serasera sy ny kolontsaina, ary tsy mbola nisy ihany koa didim-panjakana manendry tale vaovao, izay mampiasa ireny fiaram-panjakana ireny. Manao fanamarihana ihany koa ny mpiasa eo anivon’ity ministera ity sao fifanitsaham-pahefana mamofompofona fanamparam-pahefana izao, satria hatramin’izay hoy ny mpiasa dia andraikitry ny Sekretera jeneralin’ny ministera ny momba ny fitantanan-draharaha (administration), fa tsy anjaran'ny Talen’ny kabinetra. Ny Talen’ny kabinetra hoy hatrany ny mpiasa dia tokony hisahana ny politika fotsiny ihany. Betsaka no mimonomonona manoloana izany.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 janvier 2019 15:51
    • Super User

    Fanitsiana Lalampanorenana: Tsy maintsy amin'ny alalan'ny Fitsapan-kevi-bahoaka

    Maro ny ady hevitra momba ny firafitry ny Andrim-panjakana sy ny andraikitra isan'ambaratonga, izay ny Lalampanorenana avokoa no mamaritra izany. Ny Fokontany, ny lehiben'ny faritra izay mety ho soloina Ragôva, ny fanafohanana Loholona. Rehefa miova ihany koa anefa ny andraikitra sy ny fifandraisan'ny Andrimpan-jakana amin'ny andraikitry ny Filoham-pirenena dia miova izany ny Repoblika, dia miova arak'izany ihany koa ny andraikitry ny Filoha sy ny fifandraisany, na ny fifandanjan'ny fahefany amin'ireo Andrim-panjakana hafa, dia niova izany ny mandat, na ny asa sy andraikitra nifanarahany tamin'ny vahoaka Malagasy nifidy azy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 janvier 2019 09:09
    • Britto
    • Sary : US Ambassy Madagsacar

    Diplaomasia: Michael Peter Pelletier no Ambasadaoron’i Etazonia ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Vondron’ny Nosy Comores

    Tamin’ny 16 aogositra 2018 ny Ambasadaoro Pelletier no notendren’ny Filoha Donald Trump, raha ny 02 janoary 2019 izy no voatondro andeha aty Madagasikara sy ny Nosy Comores. Andrasana afaka herinandro vitsy ny fahatongavany. Ny taona 1987 izy no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny diplomasia ary matihanina amin’izany sehatra izany. Manana ny laharana mitovy lenta amin’ny “Ministre-Conseiller” izy. Talohan’izao fanendrena azy izao dia nisahana ny andraikitry ny Sojaben’ny “School of Professional and Area Studies” tao amin’ny Ivotoeram-panofanana ireo diplomaty amerikana izy.
    Lire la suite ...
Page 7 sur 78