Politique

    • jeudi, 27 juin 2019 21:56
    • Britto
    • Sary: facebook Paul Kagame sy Gasypatriote

    Fiaraha-misakafo teny Iavoloha: Fa taiza ny sasany ?

    Nisy ny fiaraha-misakafo hariva teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny 26 jona 2019, nandraisana ny filoha Paul Kagame mivady, izay vahiny manokana tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy. Miteny ho azy ny sary hita ao amin’ny pejy facebook an’i Paul Kagame, filoham-pirenen’i Rwanda. Filohan’andrimpanjakana miisa telo no iray latabatra taminy nandritra izany dia ny filoha Andry Rajoelina mivady, ny praiminisitra Ntsay Christian ary ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. Betsaka no manao fanamarihana raha nahita ny sary hoe : fa aiza ry Rakotovao Rivo, filohan’ny Antenimierandoholona sy Rakomamonjy Jean Max, filohan’ny Antenimieram-pirenana, ankoatra ny hafa no tsy tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Notsongaina ny olona nasaina tamin’io fiaraha-misakafo io, sa inona no zava-nitranga ?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 20:13
    • Britto
    • Tahirin-tsary

    Rakotomamonjy Jean Max: Tsy nasaina sa hadino ?

    Lehiben’ny andrimpanjakana iray tsy mba tazana teny Mahamasina omaly, nankazalana ny faha-59 taona nitsengeran’ny fahaleovantena sady fetin’ny Foloalindahy, Atoa Rakotomamonjy Jean Max. Voamariky ny maro io tsy fahatongavany io. Filohan’ny Antenimieram-pirenana amperinasa izy, araka ny didy navoakan'ny HCC mandram-pahatongan'ny mpisolo toerana azy vaovao. Eto Madagasikara ihany koa. Tany Andapa, fari-pifidianana nahavoafidy azy ho solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ny 2013, i Rakotomamonjy Jean Max ny andron’ny 26 jona 2019. Araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny Antenimieram-pirenana dia niandry ny fanasana azy ity filohan’ny andrimpanjakana ity hatramin’ny 24 jona, fa tsy nisy na tsy tonga izany, koa dia lasa nandeha any Andapa izy nanome voninahitra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2019.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 15:19
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019

    Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019. Célébration du 59ème de l’indépendance de Madagascar 26 juin 2019, en photo.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 14:28
    • Britto
    • Sary Gasypatriote

    Mahamasina: Niova ny lalan’ny filoha Rajoelina niarahaba ny vahoaka

    Raha manaraka ny fihodin’ny famantaranandro avy aty amin’ny ialany avaratra atsinanana, misy ny « vatomasina » ny fiaingana nahazatra ny mason’ny Vahoaka ny nijery azy, dia niavaka ny dian’ny fiara nitondra ny filoha Andry Rajoelina omaly raha nihodidina ny kianja niarahaba ny vahoaka tonga maro nijery matso fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin’ny Foloalindahy malagasy rahateo, avy any atsimo andrefana no nihodina niatsinanana sy avaratra atsinanana. Ny misandratrandro rahateo no nahazatra sy fomba malagasy fanaovana fety sy fananganan-tsaina, fa omaly alarobia, dia nandroron'andro tamin'ny roa ora no nampakarana ny sainam-pirenena, tsy dia fanao eo anivon'ny Foloalindahy izay mampaka-tsaina aorian'ny mitatao vovonana, amin'ny 12ora atoandro izay.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 12:07
    • Britto
    • Tahirin-tsary fampiaingoana

    Fifidianana Ben’ny tanàna: Hatao amin’ny Alatsinainy 28 oktobra 2019

    Hotanterahina miaraka amin’ny Alatsinainy 28 oktobra 2019 ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna, araka ny tolo-kevitry ny CENI. Hisokatra amin’ny 20 jolay ny fandraisana ny antotan-taratasy firotsakan-kofidian’ny kandida, ary haharitra 15 andro izany, ka hifarana amin’ny 3 aogositra 2019. Miankina amin’ny sokajin’ny Kaominina sy ny isan’ireo mpanolotsaina fidiana kosa ny antobola arotsaky ny mpifaninana, ka : 5 tapitrisa Ariary ny anto-bola ho an’ny Commune urbaine hors Catégorie, izany hoe ny mpirotsaka hofidiana eto Antananarivo Renivohitra ary 300.000 Ariary ho an’ireo mpirotsaka hofidiana amin’ireo Commune Rurale manana mpanolotsaina 5, izany hoe Kaominina ahitana mponina latsaky ny 10 000.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 juin 2019 20:18
    • Britto

    Ady amin’ny kolikoly: Nihena hatramin’ny 44% ny tetibolan’ny « Pôle Anti-Corruption »

    Nihena hatramin’ny 44% ny tetibolan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ka lasa 3,9 lavitrisa Ariary izany raha tokony ho 7 lavitrisa raha tarafina amin’ny tetibolam-panjakana 2019 nasiam-panitsiana, hoy ny firaisamonimpirenena misehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Maneho ny ahiahiny ny amin’io fihenana io ny fiarahamonim-pirenena. Mametra-panontaniana izy ireo, moa ve tsy midika ho tsy firaharahiana miharihary ny ady amin’ny kolikoly io fampihenana ny tetibolan’ny PAC io, na dia teo aza ireo fanambarana niezinezina nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ? Amin’ity taona 2019 ity no tokony hametrahana ny PAC any Mahajanga.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 juin 2019 20:04
    • Britto
    • Sary nindramina

    Andriantsilavo Zo Christian: Ho kandida Ben’ny tanàna

    Raha mbola ampiandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny maro, dia tsy vitsy ihany koa izao no efa manomana ny fifidianana Ben’ny tanàna. Tsy mbola voafaritra ny daty ofisialy hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna, dia heverina ny hanatanterahana azy amin’ity taona 2019 ity. Ho tapitra afaka roa volana eo rahateo ny fe-potoana iasan’ireo Ben’ny tanàna amperin’asa amin’izao. Anisan’ireo re fa miomana hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo, eto Antananarivo renivohitra, i Andriantsilavo Zo Christian. Efa voafidy Solombavambahoakan’i Madagasikara izy ary maro ny nanantena ny fiverenany ho Solombavambahoaka tamin’ny fifidianana farany teo. Efa mpanolontsaim-paritra vaofidy tao amin’ny Faritra Analamanga ihany koa izy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 juin 2019 14:57
    • Britto

    Bianco: Andrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly

    Anarana telo, no naroson'ny Komity mpifantina any amin'ny filoham-pirenena, tamin'ireo folo nivoaka tamin'ny sivana voalohany, hanendrena izay ho Tale jeneraly vaovaon'ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly na Bianco. Vehivavy Mpitsara ny iray, jeneraly eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena kosa ny roa amin'ireo kandida telo voafantina. Misy loharanom-baovao hafa anefa milaza fa mety tsy ho avy amin'ireo telo ireo no hovoatendry eo. Dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoana iasan'ny Tale jeneralin'ny Bianco. Tapitra androany ny fe-potoana iasan'ny Tale jeneraly Andriamifidy Jean Louis, Mpitsara. Didim-panjakana no anendrena ny solony.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 juin 2019 17:51
    • Anonymous

    Une femme à la tête de l’Assemblée Nationale ?

    Dans l’attente des résultats officiels des Législatives du 27 mai 2019, des spéculations sur le successeur de Rakotomamonjy Jean Max vont bon train. En effet ce dernier ne s’est plus présenté à ces élections, donc il faut lui trouver un remplaçant et pourquoi pas une remplaçante. Les chefs d’institution sont tous des hommes: le Président de la République (PRM) Rajoelina Andry, le Chef du Gouvernement (PM) Ntsay Christian, le président de la HCC Rakotoarisoa Jean Eric, l’homme au plateau du Sénat Rakotovao Rivo. Comme le Président Rajoelina tient à faire de la parité homme-femme un des piliers de sa politique, alors un membre de la gent féminine est bien placé pour être élue Présidente de l’Assemblée Nationale (AN) à Tsimbazaza. La platefrome IRD, soutien de l’actuel Chef de l’Etat, détient la majorité absolue à la Chambre basse, rappelons-nous que Razanamahasoa Christine, ex-ministre de la justice durant la Transition (2009-2013) a été élue au perchoir de Tsimbazaza en 2014, mais nous ne revenons plus sur la suite. Le président Rajoelina veut cette fois-ci donner plus de place aux jeunes en regard des nominations depuis son arrivée à la barre du pays. Une personne répond à ce profil, Naharimamy Irmah, cette jeune…
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 juin 2019 12:59
    • Britto
    • Photos Fournies

    Lutte contre la corruption: Le gouvernement s’engage davantage

    Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Christian Ntsay, représentant le Président de la République, a procédé hier à l’inauguration du nouveau siège de la Direction générale du Bianco, à Ambohibao, le fruit de la collaboration entre le gouvernement Malagasy et du gouvernement Japonais. Durant son intervention, le Premier ministre a expliqué brièvement que la lutte contre la corruption est un engagement important du gouvernement actuel, un engagement qui est inscrit dans la Politique Générale de l’Etat : « la tolérance zéro n’est pas seulement un slogan vide de sens ». En effet, disait-il, le pays exige cet engagement car l’on ne peut apporter aucune quelconque réforme sans engagement ferme. En ce sens, il s’agit d’une condition importante nécessaire à la concrétisation des réformes auxquelles le gouvernement s’atèle. Comme illustration, il a parlé de l'allègement de la structure gouvernementale, mais également, des réformes importantes sur le statut tarifaire des produits pétroliers.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 94