Politique

    • mardi, 02 juillet 2019 19:10
    • Tigre

    Arrêt n°45-HCC/AR du 02 juillet 2019 portant proclamation des résultats officiels des élections législatives du 27 mai 2019

    LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE A R R Ê T E Article premier.- Les requêtes en contentieux des élections législatives du 27 mai 2019 font l’objet des arrêts suivants : Arrêt n°40-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à l’irrecevabilité des requêtes concernant les élections législatives du 27 mai 2019 ;Arrêt n°041-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des rejets de requêtes concernant les élections législatives du 27 mai 2019 pour insuffisance ou absence de preuve ;Arrêt n°042-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des infractions pénales lors des élections législatives du 27 mai 2019 ;Arrêt n°043-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif à des requêtes en disqualification de candidats lors des élections législatives du 27 mai 2019 ;Arrêt n°044-HCC/AR du 2 juillet 2019 relatif aux demandes de vérification de documents électoraux.Article 2.- Les résultats des bureaux de vote figurant au Considérant 11 sont invalidés.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 juillet 2019 12:21
    • Britto
    • Sary Njaka sy sary nomena

    Antoko politika: Hijoro ho antoko mpanohitra ny Tiako i Madagasikara

    Nanambara ny fijoroany ho atoko mpanohitra ny Tiako i Madagasikara androany maraina, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny birao politika nandritra ny fivoriana nataony omaly. Nanatitra atotan-taratasy tetsy amin'ny atitany ramatoa Ramalason Olga avy amin'ny antoko TIM. Nambarany fa mijoro ho antoko mpanohitra manomboka izao ny antoko Tim ary mbola miandry ny alalana ny amin'ny mety izay filoha mpitarika azy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 juin 2019 22:47
    • Britto
    • Sary nindramina

    Tabera Randriamanantsoa: “Tokony hisy fisaonam-pirenena”

    Naneho ny heviny manoloana ny loza nitranga teo Mahamasina ny harivan’ny 26 jona 2019, nankalazana ny fetim-pirenena, ka namoizana ain’olona 16 sy naharatra olona zato teo ho eo, ny filoha nasionalin’ny antoko Kintana, sady mpandritra ny CRN, Tabera Randriamanantsoa. Milaza ity farany fa tokony hisy ny fisaonam-pirenena satria maro loatra ny aina nafoy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 juin 2019 22:40
    • Britto

    Fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina: Fifidianana roa samihafa fa tontosaina miaraka

    “Fifidianana roa samihafa ireo fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsainan’ny Tanàna, hotanterahana amin’ny alatsinainy 28 ôktôbra 2019, ary samy hanana ny vata mangaraharany sy hanana ny fombafombam-pifidianany azy avy, araka ny nambaran-dRakotonarivo Thierry, Filoha lefitry ny CENI omaly alakamisy 27 jona. Ho an’ny fifidianana Ben’ny Tanàna dia ny “suffrage universel direct au scrutin uninominal majoritaire à un tour” na ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana, indray mihodina, fifidianana olon-tokana ary handresen’izay hahazo vato betsaka indrindra. Ho an’ny fifidianana mpanolo-tsaina kosa indray, izay andraisan’ny rehetra anjara mivantana ihany koa dia ny « scrutin de liste à la représentation proportionnelle suivant la règle du quotient électoral et la règle du plus fort reste ».
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 22:36
    • Britto

    Kaominina eto Madagasikara: Tarehimarika tsara ho fantatra

    1695 ny isan’ny Kaominina eto Madagasikara. Kaominina ambonivohitra ny 76 amin’ireo, mitsinjara hoe Kaominina tsy voasokajy (Hors catégorie) 1 dia Antananarivo Renivohitra, Kaominina ambonivohitra sokajy voalohany ny 8, ary Kaominina ambonivohitra sokajy faharoa ny 67. 1619 kosa ny totalin’ny Kaominina ambanivohitra eto Madagasikara izay mitsinjara ho Kaominina ambanivohitra sokajy voalohany ny 99 ary Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa ny 1520.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 21:56
    • Britto
    • Sary: facebook Paul Kagame sy Gasypatriote

    Fiaraha-misakafo teny Iavoloha: Fa taiza ny sasany ?

    Nisy ny fiaraha-misakafo hariva teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny 26 jona 2019, nandraisana ny filoha Paul Kagame mivady, izay vahiny manokana tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy. Miteny ho azy ny sary hita ao amin’ny pejy facebook an’i Paul Kagame, filoham-pirenen’i Rwanda. Filohan’andrimpanjakana miisa telo no iray latabatra taminy nandritra izany dia ny filoha Andry Rajoelina mivady, ny praiminisitra Ntsay Christian ary ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. Betsaka no manao fanamarihana raha nahita ny sary hoe : fa aiza ry Rakotovao Rivo, filohan’ny Antenimierandoholona sy Rakomamonjy Jean Max, filohan’ny Antenimieram-pirenana, ankoatra ny hafa no tsy tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Notsongaina ny olona nasaina tamin’io fiaraha-misakafo io, sa inona no zava-nitranga ?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 20:13
    • Britto
    • Tahirin-tsary

    Rakotomamonjy Jean Max: Tsy nasaina sa hadino ?

    Lehiben’ny andrimpanjakana iray tsy mba tazana teny Mahamasina omaly, nankazalana ny faha-59 taona nitsengeran’ny fahaleovantena sady fetin’ny Foloalindahy, Atoa Rakotomamonjy Jean Max. Voamariky ny maro io tsy fahatongavany io. Filohan’ny Antenimieram-pirenana amperinasa izy, araka ny didy navoakan'ny HCC mandram-pahatongan'ny mpisolo toerana azy vaovao. Eto Madagasikara ihany koa. Tany Andapa, fari-pifidianana nahavoafidy azy ho solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ny 2013, i Rakotomamonjy Jean Max ny andron’ny 26 jona 2019. Araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny Antenimieram-pirenana dia niandry ny fanasana azy ity filohan’ny andrimpanjakana ity hatramin’ny 24 jona, fa tsy nisy na tsy tonga izany, koa dia lasa nandeha any Andapa izy nanome voninahitra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2019.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 15:19
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019

    Fankalazana ny faha 59 taona niverenan'ny fahaleovantena Malagasy, an-tsary 26 jona 2019. Célébration du 59ème de l’indépendance de Madagascar 26 juin 2019, en photo.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 14:28
    • Britto
    • Sary Gasypatriote

    Mahamasina: Niova ny lalan’ny filoha Rajoelina niarahaba ny vahoaka

    Raha manaraka ny fihodin’ny famantaranandro avy aty amin’ny ialany avaratra atsinanana, misy ny « vatomasina » ny fiaingana nahazatra ny mason’ny Vahoaka ny nijery azy, dia niavaka ny dian’ny fiara nitondra ny filoha Andry Rajoelina omaly raha nihodidina ny kianja niarahaba ny vahoaka tonga maro nijery matso fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin’ny Foloalindahy malagasy rahateo, avy any atsimo andrefana no nihodina niatsinanana sy avaratra atsinanana. Ny misandratrandro rahateo no nahazatra sy fomba malagasy fanaovana fety sy fananganan-tsaina, fa omaly alarobia, dia nandroron'andro tamin'ny roa ora no nampakarana ny sainam-pirenena, tsy dia fanao eo anivon'ny Foloalindahy izay mampaka-tsaina aorian'ny mitatao vovonana, amin'ny 12ora atoandro izay.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 juin 2019 12:07
    • Britto
    • Tahirin-tsary fampiaingoana

    Fifidianana Ben’ny tanàna: Hatao amin’ny Alatsinainy 28 oktobra 2019

    Hotanterahina miaraka amin’ny Alatsinainy 28 oktobra 2019 ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna, araka ny tolo-kevitry ny CENI. Hisokatra amin’ny 20 jolay ny fandraisana ny antotan-taratasy firotsakan-kofidian’ny kandida, ary haharitra 15 andro izany, ka hifarana amin’ny 3 aogositra 2019. Miankina amin’ny sokajin’ny Kaominina sy ny isan’ireo mpanolotsaina fidiana kosa ny antobola arotsaky ny mpifaninana, ka : 5 tapitrisa Ariary ny anto-bola ho an’ny Commune urbaine hors Catégorie, izany hoe ny mpirotsaka hofidiana eto Antananarivo Renivohitra ary 300.000 Ariary ho an’ireo mpirotsaka hofidiana amin’ireo Commune Rurale manana mpanolotsaina 5, izany hoe Kaominina ahitana mponina latsaky ny 10 000.    
    Lire la suite ...
Page 5 sur 93