Politique

    • mercredi, 19 février 2020 12:58
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Hery Rajaonarimampianina: Notendren’ny Vondrona Afrikanina hitarika iraka mpanara-maso fifidianana filoham-pirenena any Togo

    Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny ao Togo ny 22 febroary 2020 izao. Notendren’i Moussa Faki Mahamat, filohan’ny Vaomiera Afrikanina, ho lehiben’ny MOEUA (Mission d’Observation Electorale) izay iraka mpanaramaso io fifidianana any Togo io ny filoham-pirenena malagasy teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Efapolo ny mpikambana mandrafitra ny delegasiona, ahitana ambasadaoro miasa eo anivon’ny Vondrona Afrikana, Parlemantera, rafitra mpikarakara fifidianana, fiarahamonim-pirenena ary ivontoerana akademika afrikanina. Hanao tatitra mikasika ny zotram-pifidianana sy ny fandehan’ny latsabato ny MOEUA aorian’ny 22 febroary. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 13:51
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Jean-Yves Le Drian: Hitsidika an’i Maorisy, Madagasikara ary Mozambika

    Hitsidika firenena telo aty Afrika i Jean-Yves Le Drian, minisitra frantsay misahana an’i Eoropa sy ny raharaham-bahiny ny 20 ka hatramin’ny 22 febroary 2020, raha ny voarakitra ao amin’ny tetiandro hita ao amin’ny tranokalan’ny Quai d’Orsay. Tsy voafaritra ao ny anton-diany ankoatra ny hoe fitokanana ny "Bureau de coopération décentralisé de Mayotte" eto Antananarivo araka ny tati-baovaon'ny JDM atsy Mayotte, fa maminavina ny maro fa ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa dia mety manomana ny fanatanterahana ny tetikasa nambaran’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron ny hametrahana foibem-pikarohana momba ny voaary ao amin’ny Nosy Sambatra ato ho ato io diany io. Mety ho voaresaka mandritra ny diany eto Madagasikara ihany koa ny tohin’ny dinika momba ireo Nosy Malagasy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 11:20
    • Zakaria
    • Sary: CUA

    Naina Andriantsitohaina: Miantso ireo manan-trano sy mpanofa rehetra eo amin’ny « avenue de l’indépendance » hanavao ny lokon’ny tranony

    Miantso ireo tompontrano sy mpanofa rehetra, hanavao ny lokon’ny tranony ho fanatsarana ny Tanàna, indrindra ny eo amin’ny « avenue de l’indépendance », ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Nampahatsiahy ity farany fa milaza izany ny lalàna ary « mino aho fa tsy hiandry fampitandremana avy aty amin’ny Kaominina ianareo », hoy izy nandritra ny fananganan-tsaina isaky ny alatsinainy maraina. Mikasika ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna dia nohamafisiny tamin’io omaly io, fa « tsy mihemotra ny Kaominina amin’ny fampiharan-dalàna sy ny fanadiovana ny Tanàna ». « Na maika aza isika, tsy mila mikoropaka. Mila miova ny toetsaina ary mila fotoana izany ».    
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 février 2020 19:43
    • Zakaria
    • Loharanom-baovao: Tambatra Antoko

    MFM: Mampivondrona ireo mpiara-mitolona hiatrika ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

    Miomana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ny MFM. Mampivondrona ireo mpiara-mitolona efa ela tsy hita sy ireo tany anaty fikambanana samihafa hanatevin-daharana, hanome hery sy tanjaka indray ny MFM ny antoko hiatrehana izany. Taratr’izany ny lanonana fifampiarahabana nahatratrarana ny taona 2020 nataon'ny mpikatroka MFM tao Fianarantsoa ny sabotsy 15 Febroary 2020 teo. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa tsy hanonga-panjakana ny MFM, tsy hanohitra, tsy hiaraka amin'ny antoko mpanohitra, tsy hiandany amin'ny fanjakana fa hitondra hevitra, fomba fiasa hanitsiana ny làlana diso nitondrana ny Firenena. (Loharanom-baovao: Tambatra Antoko) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 février 2020 19:49
    • Zakaria

    Matsiatra Ambony: Hatao miaraka ny fametrahana ny samboadin'ireo Ben'ny tanàna miisa 91

    Hotanterahina rahampitso alatsinainy 17 febroary 2020, ao amin'ny Gymnase Couvert Ambatomena, ny lanonana fametrahana samboady ireo tanàna miisa 91 voafidy tamin’ireo Distrika miisa fito (Ambalavao, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ikalamavony, Isandra, Lalangina, Vohibato) mandrafitra ny Faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny fifidianana natao ny 27 novambra 2019. Hotanterahina amin’io ihany koa no fametrahana ny samboadin'ny Depioten' Isandra sy Ikalamavony. Teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Tsianolondroa no efa voatondro hanaovana ity lanonana ity saingy noho ny fandalovan'ny andro ratsy dia izao afindra ao amin'ny Gymnase Couvert Ambatomena izao.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 15 février 2020 09:53
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Toamasina: Tontosa omaly ny fametrahana ny samboadin’ny Ben’ny tanàna Nantenaina

    Tontosa ny Zoma 14 febroary 2020 ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Ben’ny tanàna, Rakotonirina Nantenaina Herilala. Minisitra telo avy ao amin’ny governemanta, dia ny Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Naharimamy Lucien Irmah ; ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa, Iarintsambatra Rijasoa Andriamanana Josoa ary ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ahmad Ahmad, no nanotrona ny lanonana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 février 2020 18:21
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Ntsay Christian: « Tokony hisokatra amin’ireo teknolojia vaovao ampiasaina amin’ny fambolem-bary isika »

    Anisan’ny mampaharary ny vahoaka ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny mosary amina faritra maromaro eto Madagasikara hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nitarika mpikambana ao amin’ny governemanta, nidina tany Betroka, omaly, nijerena akaiky ny sehatra rehetra mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Niara-dia taminy, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 février 2020 14:29
    • Zakaria

    Famerenana fifidianana kaominaly: Miandry ny governemanta ny tetiandro avy amin’ny CENI

    Kaominina miisa 24 no haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna miaraka amin’ny fifidianana mpanolontsaina. 120 andro aorian’ny naharaisan’ny ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana ny didim-pitsarana nanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana kaominaly navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no voalazan’ny lalàna fa anatanterahana ny famerenana ny fifidianana. Mbola ny lalàna no manondro fa manao fangatahana volavolana tetiandro avy amin’ny CENI ny governemanta, izay ny CENI vao manolotra ny tetiandro hanatanterahana io fifidianana io. Lalàna ihany koa no mamaritra fa 90 andro mialoha ny latsabato no iantsoana ny mpifidy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 février 2020 22:08
    • Tigre
    • Sary: MAE

    Camille Vital: Nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro tamin’ny filohan'i Maorosiana

    Tonga tao amin’ny « Château du Réduit » lapam-panjakana maorisiana, androany 12 febroary i Albert Camille Vital, nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoron’i Madagasikara ao amin’ny nosy Maorisy, tamin’ny filohan’ny Repoblikan’i Maorisy, Pritvirajsing Roopun. Ity no marika fa mandray ny asany feno maha ambasadaoro azy i Albert Camille Vital. Folo taona izao i Madagasikara no tsy nanana ambasadaoro tao amin’ity Nosy rahavavy ity. Tamin’ny 18 septambra 2019 i Albert Camille Vital no voatendry ho ambasadaoro atsy Maorisy. Izy no fahafito hitana io andraikitra io hatramin’ny taona 1968 nisokafan’ny ambasady malagasy ao an-toerana. Jeneraly miaramila ary efa praiminisitra tamin’ny andron’ny tetezamita i Albert Camille Vital. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 février 2020 20:56
    • Zakaria
    • Photos Fournies

    Nuri Kaya Bakkalbasi: Nouvel Ambassadeur de Turquie à Madagascar

    Le nouvel Ambassadeur de la Turquie à Madagascar, Nuri Kaya Bakkalbasi a présenté ses Lettres de Créance auprès du Président de la République Andry Rajoelina, ce 12 février 2020, au Palais d’État Iavoloha. A l’issue de son entrevue, le nouvel Ambassadeur de la Turquie a exprimé la volonté de son pays de raffermir les relations de coopérations avec Madagascar, que soit dans le secteur publique et privé. Au nouvel Ambassadeur d’ajouter que des résultats concrets sont déjà attendus dans le courant de cette année, surtout dans le secteur privé, et ce, dans différents domaines tels que la construction, l’import-export, les infrastructures. Cette présentation de lettres de créance marque la prise de fonction officielle du nouvel Ambassadeur turque. (Voir Suite Photo)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 114