Filtrer les éléments par date : samedi, 07 mars 2020

Ity no nitovy amin'ny karapanondroko. Ny karapanondroko dia namboarina tany Ambohimanarina ny 19 septambra 1989.

Izaho anefa efa aty amin'ny 2e no mipetraka sy mifidy.

Nalaiko avokoa, iza ireo miara-mipetraka amin'ity nomena na nangalatra ny karapanondroko ity.

Ny manaitra avy hatrany dia 11 an-trano efa samy ampy taona mifidy izy rehetra ao.
Hita ihany koa fa manana kambana aminy i RANDRIAFANOMAZANTSOA Ratsimamanga, dia RANDRIAFANOMEZANTSOA Ratsimamanga, ny iray fanomAzantsoa, ny faharoa kosa fanomEzantsoa

Publié dans Politique

Aza mihevitra anay ho nandra ianareo ry CENI, ny heloka ibabohana mody rariny, izaho informaticien fa tsy hoe olona badoana.

Mihevitra ianareo fa tsy efa nalaiko aby ny ao vao nanao io Publication io aho? Fantatro tsara fa anakatona an'io site ianareo, fa ataoko fa ny fitsarana tsy ho voakatonareo trano.

Miangavy ny parquet aho mba hi se constituer amin'izao fanambaràna sy fibabohana efa nataon'ny CENI izao. Raha tsy manao ny asanareo amin'izao ianareo dia hiray tsikombakomba amin'izany ihany koa.

Aza andrasana hametraka fitoriana avokoa ny olona vao hihetsika ianareo. Satria faux et usage de faux an-tapitrisany izany no resaka eto.

Publié dans Politique

Rehefa mijery ny tany sy ny volana ary ny masoandro, dia mazava be fa mipoitra avy any atsinanana ny masoandro ary miakatra an-tapon'ny loha rehefa mitatao vovonana, ary dia miletika any andrefana, dia izay hatrany no mifandimby.

Taonjato talohan'i Jesoa Kristy, dia efa nisy manam-pahaizana naneho fa ny tany no miodina manodidina ny masoandro, ary taty amin'ny taonjato faha XVI (16) dia nanakorontana saim-bahoaka, indrindra teo amin'ny ara-pinoana, io fanehoan-kevitra io, izay i Copernic no nivohy azy, dia noraran'i Luther mihitsy ilay fanehoan-kevitra, ary ny taona 1616, dia ny Katolika dia nandrara ihany koa, satria dia lasa niroiroy saina ny mponina.

Tamin'izany moa ny Fiangonana dia nanana anjara toerana lehibe niaraka tamin'ireo mpitondra sy mpajaka. Ny taona 1633 dia voarahona i Galilée izay nanamafy fa ny tany no miodina manodidina ny masoandro.

Publié dans Politique

Nisy ny fiverimberenan'ny laharana kara-panondro araky ny fanambaran'ny filoha lefitra sy notronin'ireo mpikambana tao amin'ny CENI ity.

Patrick Raharimanana dia efa kandida ho filoham-pirenena, ary anisan'ny antota-taratasy takiana amin'izany ny fanamarinana fa mpifidy ny kandida.

Nanatontoso hatrany ireo adidy fifidianana rehetra araka ny hita amin'ny kara-pifidianana.

Nefa rehefa nohamarinina amin'ny tranok'alan'ny CENI dia tsy hita ao anaty lisitra intsony Patrick Raharimanana fa nomena olon-kafa ny laharana kara-panondrony.

Hosoka sy fampiasana hosoka tanteraka izany ary faizin'ny lalàna na ireo nanao ny hosoka na ireo nampiasa ny hosoka, eny na ny fokontany na ireo mpikambana biraom-pifidianana raha nahafantatra nefa namela ny fisian'ny hosoka.

Publié dans Editorial