Filtrer les éléments par date : jeudi, 05 mars 2020

Nosamborin’ny Zandary androany maraina i Fiherea, izay mpimasy ao Tandrokosy Kaominina Bemanonga, Distrikan’i Morondava, taorian’ny fitarainana nataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatra noho izy ahiahiana ho tao ambadiky ny firongatry ny ambalavelona mahazo ny tovovavy mpianatra. Nahitana taolandavan’olombelona ihany koa teo amin’ny hazo teo an-tokontaniny.

Mpampianatra tamin’ny fanjakana, efa misotro ronono ity mpimasy ity. Nisy ody gasy maromaro tra-tehaka nandritra ny nisamboran’ny Zandary azy.

Hatolotra ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Morondava ny raharaha aorian’ny famotorana, araka ny nambaran’ny lehiben’ny mpanao fanadihadiana Randrianandrasana Julien Eric.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny Kaompania Ambohidratrimo ny tovolahy telo, tompon’antoka tamin’ny famonoana miaro fametavetana an-dRalivao Hélène, Tonian'ny Fikambanam-behivavy Loterana teo aloha ary vadina pasitera, nitranga ny 23 febroary 2020 teny Morondava, Kaominina Ambohibao Antehiroka.

Niainga tamin’ny findain’ilay vadina pasitera izay lasan’ireto olon-dratsy ireto, taorian’ny heloka bevava nataon’izy ireo, ny fikarohana sy ny fitsongoana dia, ka nahatratrarana ny iray tamin’izy ireo teny Ambohimanarina omaly hariva. Izy io indray no avy eo no nanoro ireo namany, izay mbola teny Ambohimanarina ihany no nisamborana azy ireo androany, araka ny fanazavan’ny Kapiteny Rakotozafy Njaka, komandin’ny kaompanian’ny Zandarimaria Ambohidratrimo.

 

Publié dans Vaovao

Vehivavy roa, mpiasa amina orinasa afakaba roa samihafa, no maty amperinasa tao anatin’ny herinandro. Raha fahatsentsenan’ny lalan-drà no voalaza fa nahafaty ny iray, dia harerahana be loatra izay nitarika aretina, nefa tsy nahazo « repos » na nandeha naka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana ny mpiasa aza.

Nitolefika tao anaty toeram-pivoahana ilay mpiasa, ary tsy tana ny ainy na dia nifamonjena nentina namonjy dokotera aza. Nahatezitra ireo mpiara-miasa aminy ity tranga faharoa ity, ka nanapa-kevitra hirava alohan’ny fotoana fiasana izy ireo ho fiombonam-po sy firaisankina amin’ilay vehivavy mpiasa nopaohin’ny fahafatesana ity.

 

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray, 38 taona, teratany Afrikanina tatsimo avy nitsidika an’i Italia, niaraka tamin’ny vadiny no voamarina fa voan’ny coronavirus atsy Afrika Atsimo, araka ny nambaran’i Zweli Mkhize, minisitry ny fahasalamana afrikana tatsimo.

27 amin’ity atsy Afrika Atsimo ity izao ny tranga coronavirus aty Afrika, ka any Alzeria ny 17 amin’ireo, 4 ao Sénégal.

 

Publié dans Tselatra

Taorian'ny figiazana ny fananan'i Claudine Razaimamonjy sy Mbola Rajaonah, dia notanterahina ny alarobia 04 marsa teo ny lavanty fanoneran-ketra, tsy nahomby anefa izany raha ny filazana nataon'ny Tale Jeneralin'ny Hetra, andriamatoa GERMAIN, ka dia anentanany ny rehetra andray anjara mavitrika amin'ny lavanty faharoa izay mbola lazaina ihany ny daty sy ny toerana anaovana izany.

Nanambara ihany koa ity filazana ity, fa tsy nisy nandray anjara tamin'io lavanty natao ny alarobia 04 martsa teo io akory ny teo anivon'ny mpiasan'ny sampandraharan'ny Hetra, na ny Tale Jeneralin'ny Hetra.

 

 

Publié dans Tselatra

Nahazo Governora ny Faritra Atsinanana. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 4 martsa 2020 ny didim-panjakana fanendrena azy. Izy no Governora faha-14 voatendry hatramin’ny septambra 2019 no mankaty.

Publié dans A la Une

Haingana ary mitombo be ny fihanaky ny Coronavirus sy ny fiantraikany manerantany, araky ny nambaran’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS).

Nanamafy ny mpitondra fanjakana malagasy fa tsy mbola tratran’ity Coronavirus ity i Madagasikara amin’izao fotoana izao na dia efa mahahenika firenena 73 manerantany aza io valan'aretina io, ka ny 06 amin'izy ireo dia firenena afrikanina, ahitana an'i Egypta, Alzeria, Sénégal, Nizeria, Tonizia ary Maroc.

Nanaraka ireo fenitra napetraky ny OMS i Madagasikara amin'ny fiatrehana ny Coronavirus, hoy ny filoha Andry Rajoelina, satria efa misy ireo fitaovana napetraka manerana ireo seranam-piaramanidina 8 sy seranantsambo 14 eto amintsika, ary napanarahana ny fenitra takian'ny OMS ireo Hopitaly miisa 12 entina handray sy hanaraha-maso ireo tranga mampiahiahy sy ireo ahiana ho mety ho manana ny soritr'aretina.

Publié dans Tselatra

« Service Civique » : Nofoanana ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

 

Publié dans Tselatra

Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-100 taonany i Javier Pérez de Cuéllar. Ny zanany lahy no nampahafantatra tamin’ny haino aman-jery ny vaovao.

Teratany Peroviana i Javier Perez, izy no Sekretera Jeneraly faha-5 teo anivon’ny Firenena Mikambana, nitondra teo anelanelan’ny taona 1982 ka hatramin’ny 1991.

Minisitry ny raharaham-bahiny tany Pérou izy teo anelanelan’ny taona 2000 sy 2001.

 

Publié dans Tselatra

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana milaza ny filan’ny fanjakana ireo tany manodidina ny Fokontany Amboanjobe sy Ambohindrazana, ao anatin'ny Kaominina ambanivohitr’i Bongatsara, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Faritra Analamanga mba hoentina mamindra ny toeram-pitobian-tsolika etsy Ankorondrano any antoerana, miaraka amin’ny fanamboarana ny kihon-dàlana manoloana ny lalam-pirenena faha-7 izay hiteraka fakana ireo tany na fandravana ireo trano manodidina ny asa fanorenana.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2