Filtrer les éléments par date : jeudi, 19 mars 2020

Avis n°02-HCC/AV du 19 mars 2020 relatif à une demande d’avis sur la constitution d’une commission mixte paritaire.
La Haute Cour constitutionnelle,

Vu la Constitution ;

Vu l’ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour constitutionnelle ;

Le rapporteur ayant été entendu ;

Après en avoir délibéré conformément à la loi ;

Publié dans Politique

Nanomboka nanala ireo fiara maty mijanona eny amoron-dalana, mibahana fifamivoizana sy manelingelina ny fiarahamonina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra androany 19 martsa 2020.

Natomboka teo Analakely sy ny manodidina izany ary hiitatra eny amin’ny Boriborintany rehetra eto an-drenivohitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Tsy mbola miverina amin’ny laoniny ny famatsiana rano eto Antsiranana hatramin’ity androany ity. « Ny fahasarotan’ny fanatanterahana ny asa fanarenana ireo fantsona vaky, vokatry ny andro ratsy any an-toerana », no antony raha ny fanazavan’ny Jirama.

Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana rano any Antsiranana ny Alahady 22 martsa izao raha toa ka misinda tanteraka ilay andro ratsy any an-toerana ka afaka tanterahana ny asa fanamboarana ireo fantsona vaky.

 

Publié dans Tselatra

Nanamafy ny efa nambaran’ny minisi-panjakana Serge Telle telo andro lasa izay, ny fiadidiana ny Lapan’ny printsy ao Monaco, androany, fa dia voan’ny coronavirus ny Printsy Albert II. Tsy misy ahiana anefa ny fahasalamany ka afaka manohy ny asany ao amin’ny efitranony manokana ny Printsy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Saron'ny Sampana miady amin'ny heloka bevava eo anivon'ny Zandarimaria Antananarivo ny jiolahy miisa 3 nitazona sy nivarotra vola sandoka mitentina 7 tapitrisa Ariary, vita amin'ny ravim-bola 2 alina Ariary, ny tolakandron'ny13 martsa 2020 teny Anosibe Angarangarana Antananarivo.

Efa nanaparitaka vola 3 tapitrisa Ariary ihany koa ry zareo mialoha izao 7 tapitrisa Ariary sarona izao, ka tamin'ny sarany 4 arivo Ariary no takalon'ny 2 alina iray.

Rahefa natolotra ny fitsaràna ireo jiolahy miisa 3 efa voasambotra dia notanana vonjimaika eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy.

Mbola karohina kosa ilay mpamatsy ireo vola sandoka ireo izay voalaza fa mipetraka any Nambolempary Ambositra.

 

 

Publié dans Tselatra

Nohatsaraina ny fandraisana ireo antso amin’ny laharana maitso 910, ankoatry ny maha-maimaimpoana ny antso. Napetraka nanomboka omaly ihany koa ny fahafahana misafidy amin’ny fiteny Malagasy ny antso sy torohevitra amin’io laharana io, nampitomboina ireo mpandray ny antso, ary mpitsabo sy manam-pahaizana manokana no mandray izany.

Misokatra tsy ankihato ny Alatsinainy ka hatramin’ny Alahady, amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina ny laharana maitso 910, ary “enregistrés” avokoa ireo antso miditra sy ny laharana findain'ny mpiantso ka ahafahana manara-maso akaiky ireo olona miantso raha toa misy tranga ahiahiana.

(Loharanom-baovao: MPTN)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Midina eny an-dalambe ary manatona ny vahoaka mizara « flyers » ny avy amin’ny Polisim-pirenena manazava azy ireo ilay valanaretina « coronavirus » no sady mampahafantatra ny fihetsika tokony ho atao hisorohana ilay trangana aretina ; tsy voatery hahita fahitalavitra na haheno radio rahateo ny ankamaroan’ny olona.

Manerana ny faritra eto Madagasikara no hanaovan’ny Polisim-pirenena izao hetsika izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tsy nitsaha-nitotongana ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena noho ny fihenan’ny tinady, nateraky ny valanaretina coronavirus. Tafidina 25 dolara ny iray baril (1 baril = 159 litatra) omaly alarobia 18 marsa 2020. Ity no vidy ambany indrindra indray hatramin’ny 2003 no mankaty.

Ry zareo Sinoa no tena mpanjifa solika betsaka indrindra manerantany.

 

 

Publié dans Economie

Taolan-dava enina gony no saron'ny Zandary mpanao fisafoana avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Andilamena androany 19 martsa 2020, tao Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, niainga avy amin’ny angom-baovao azo avy amin'olona tsara sitrapo.

Voasambotra ny lehilahy iray, izay nanafina ireo taolam-paty ireo, tsy lavitra ny toerana fanaovan'ny mpitandro filaminana "Police de la route (PR)".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Miroso ny asa fanavaozana sy fanarenana ny toeram-pialam-boly sy fitsangatsanganana eny Ampangabe Antananarivo Atsimondrano.

Kasaina hotokanana sy hosokafana alohan'ny 26 Jona 2020 izao ity toerana ity mba ho tsangambaton'ny Faritra Analamanga amin'ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.

Fananan'ny Faritra Analamanga ity toerana ity, tonga nijery ny fizotry ny asa ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2