Filtrer les éléments par date : vendredi, 13 mars 2020

Taorian'ny fivoriana notarihin'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra io hariva io, ka namoriany ireo manapahaizana manokana ara-pahasalamana ny amin'ny fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus no nanapahany hevitra fa haroso ny sabotsy 14 marsa alina ny fandaharana manokana hataony amin'ny haino aman-jery raha toa ka nokasaina hatao ny Alahady 15 marsa alina.

 
 
Publié dans Tselatra

Nisy fivoriam-be azon’ny besinimaro natrehina teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Alakamisy 12 martsa 2020 noho ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus. Nametrahan’ny Solombavambahoaka fanontaniana ireo Ministra tompon’andraikitra dia ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Ahmad Ahmad, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny Toetr’andro, mahakasika ny fepetra tokony ho raisina sy fiarovana ny fihavian’ity areti-mandoza ity.

Publié dans Vaovao

Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa niteraka loza. Fiara Hyundai 4X4 Terracan iray no nitrongy kamiao avy ao aoriana. Lehilahy iray sendra teo ivelan’ilay kamiao, no tery teo anelanelan’ireo fiara roa, ary maty tsy tra-drano.

Naratra avokoa ireo olona efatra tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Androany vao maraim-be no niseho ny loza teo Mahamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Namoaka fanambarana ny Kaofederasiona afrikana ny baolina kitra (CAF) androany, fa dia ahemotra amin’ny fotoana manaraka ireo lalao fifanintsanana, voalahatra hatao ny 25 ka hatramin’ny 31 martsa 2020, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny dingana famarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.

 

Publié dans Sport

Natomboka ofisialy androany tao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina-Antananarivo ny fizarana « Rakibolana » ho an’ny mpianatra hanala fanadinana (T5, T9) manerana ny Nosy nataon’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Natao hianarana ny teny malagasy sy frantsay ny rakibolana zaraina, ary misy torolalana sy sary, dikan-teny sy tahirin-kevitra maro. Kendrena hahazo izany avokoa hatramin’ireo sekoly any ambanivohitra lavitra indrindra.

Nampahafantarina ampahibemaso androany ihany koa fa ho maimaimpoana ny fampidirana mpianatra eny amin’ny EPP manomboka amin’ny taom-pianarana 2020-2021. Homena kapa ireo mpianatra amin’ny ambaratonga fototra ankoatra ny boky fianarana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana sy ny kilasy T1.

Publié dans Vaovao
vendredi, 13 mars 2020 19:04

Coronavirus: Bilan 12 mars 2020

CHU Anosiala: 

- Suspicion passager: 02 (négatif)
- Passager en observation: 19

Mahamasina
- Passager en observation: 24

Antananarivo Passager confiné chez eux: 04

 

Publié dans Tselatra

Tonga tao amin’ny seranantsambon’i Antsiranana ny 10 marsa 2020 teo ny sambo INS Shardul an’ny tafika an-dranomasina indiana, nitondra vary 600 taonina, fanohanana ireo traboina noho ny tondradrano niseho teto Madagasikara tamin’ny volana janoary 2020 lasa iny.

Nanolotra izany tamin’ny anaran’ny governemanta indiana, ny ambasadaoron’ity firenena ity eto Madagasikara, Abhay Kumar. Nandray izany tany an-toerana tamin’ny anaran’ny fanjakana malagasy kosa ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Tehindrazanarivelo Djacoba Liva.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Le Groupe des Ambassadeurs francophones à Madagascar a tenu sa réunion ordinaire ce mercredi 11 mars 2020 au siège du Bureau régional de l’OIF pour l’océan indien (BROI) en vue de la préparation de la célébration du Cinquantenaire de la Francophonie.

Présidé par Monsieur Mohammed Benjilany, Ambassadeur du Maroc, le Groupe des Ambassadeurs Francophones (GAF) a finalisé le programme d'activités prévues pour la célébration du Cinquantenaire de la Francophonie à Madagascar.

L’Ambassadeur, Directeur du Bureau régional pour l’océan indien M. Malik SARR a remercié le GAF pour son implication active dans la célébration du Cinquantenaire de l’OIF et a salué son engagement pour la promotion des valeurs de la Francophonie dans l’Océan indien. Il a rappelé que la journée du 20 mars 2020 marquant la cérémonie officielle de lancement de la célébration du Cinquantenaire de la Francophonie est placée sous le Haut patronage du Président de la République de Madagascar, Andry RAJOELINA, pays où la Charte rénovée de la Francophonie a été adoptée en novembre 2005.

Publié dans Politique

Nitarika ny delegasiona Malagasy amin’ny fihaonana miaraka amin'ny Banky iraisam-pirenena any Washington – Etazonia ny Minisitry ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah, nanomboka ny 9 marsa 2020 teo. Hitadiavana fanampiana sy fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina ny fihaonana, indrindra ny vehivavy eto Madagasikara. Misongadina amin’izany ny fampitomboana ny faritra hisitraka ny fanampiana raha mbola Distrika 13 monja no mahazo izany amin’izao fotoana izao.

Tafiditra ao anatin’ny dinika ny fanomezana fahaleovantena ny vehivavy amin’ny alalan’ny fanomezana sy famoronana asa ahazoana mampidi-bola ahatonga ny vehivavy ahaleotena ara-toekarena, handray anjara eo amin’ny fiahiana ny fianakaviana sy ny firenena, ny fanatsarana ny fandrindram-piainam-pianakaviana mba ahafahan’ny vehivavy mifehy ny fananahany ka hananany fotoana hiariana sy hiasana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
vendredi, 13 mars 2020 17:36

AREMA: Hanao kongresy nasionaly

1976 – 2020, feno 44 taona amin’ity taona ity ny AREMA, antokon’ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka. Sady hankalaza io tsingerintaona io ny antoko no hanao kongresy nasionaly etsy Ilafy-Antananarivo Avaradrano ny 19, 20 ary 21 marsa 2020 ho avy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
Page 1 sur 2