Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 mars 2020

Une rencontre entre les Députés, le Ministre de la Santé Publique Pr Ahmad Ahmad et le Ministre des Transports, du Tourisme et de la Météorologie Joël Randriamandranto s’est tenue ce jeudi 12 mars 2020, dans la salle des séances de l’Assemblée nationale à Tsimbazaza au sujet du coronavirus.

Une centaine de Députés ont répondu présents à cette séance dédiée au coronavirus ; il faut dire qu’ils sont soucieux du bien-être de leurs Districts. Aussi la rencontre a permis aux élus de l’Assemblée nationale de poser une multitude de questions sur les dispositions prises par les ministères concernés pour protéger la population Malagasy d’une éventuelle diffusion de ce virus mortel qui frappe actuellement une cinquantaine de pays dans le monde.

Publié dans Fil info

Nanao fanambarana androany ny Prefe sy ny Talen’ny ARS (Agence Régionale de Santé) atsy La Réunion fa efatra (04) hatramin’ny tolakandro teo ireo olona voamarina fa voan’ny coronavirus, ahiana hitombo io tarehimarika io ato anatin’ny andro vitsy ho avy noho ny hamaroan’ny olona nifampikasokasoka tamin’ireo olona ireo talohan’ny nahafantarana fa voan’ny coronavirus izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Nandray ny solotenan’ny mpiasan’ny SOFITRANS ny Filohan’ny vaomieran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Rajoelina Seth sy ireo solombavambahoaka vitsivitsy anatin’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny Alarobia 11 martsa 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Mitaraina mikasika ny fitantanana eo anivon’ny Ravinala Airports sy ny SOFITRANS ireo mpiasa. Tao aorian’ny dinika nifanaovana dia nanambara ny Solombavambahoaka fa vonona hanampy azy ireo amin’ny fitadiavana vahaolana haingana ka hiresaka amin’ny ministera tompon’andraikitra momba ny fanakatonana amin’ny ampahany ny asan’ny orinasa (Duty free).

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Taorian'ny namerenan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorena any amin'ny CENI ny fampiharana ny fitsipika anatiny amin'ny mety fanesorana ny mambra iray ao aminy, dia nametram-pialana ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, ary neken'ireo mpikambana ao izany fametraham-pialana izany.

Publié dans A la Une

- Passager transféré au CHU Anosiala pour suspicion, test en cours: 01

- Personne en quarantaine suivi à Anosiala: 18

- Passager confiné chez eux à Nosy be: 04

 

Publié dans Fil info

Ho Vahinin'i GASCAR Fenosoa anio 12 Martsa 2020 amin'ny Fandaharana L'Invité du Jour: Atoa. Patrick RAHARIMANANA filohan'ny Antoko Vitatsika io.

Arahanao mivantana ao amin'ny Fahitalavitra Canal30 UHF / 543.25 Mhz, ny Onjam-peo 94 FM ary ao amin'ny Pejy Facebook Real TV Madagasikara amin'ny tapany faharoan'ny Fampahalalam-baovao amin'ny 8 ora sy sasany alina.

https://www.facebook.com/RealTVcanal30UHF543.25MHz/

 

 

Publié dans Tselatra

Hita androany alarobia 11 martsa 2020 tolakandro teo Tsarakofafa ny taolambalon'i Owne Alek Mohamed Rafick, ilay teratany Karana nisy naka an-keriny ny 24 jona 2014 ary efa nanomezan’ny ray aman-dreniny tambiny 40 tapitrisa Ariary ho an’izay manome vaovao hahitana azy velona.

Tao amina tranona mpamily kamiao no nahitana ny taolam-balony, ary efa nalain'ny fianakaviany nanaovana ny fomba rehetra tao amin'ny Mosquée Khodja eo akaikin'ny Kianja Mitafo Soavita.

Ny Zandary Fiadanana no nanao ny fanadiadiana ary nanampy azy avy eo ny sampana mpisahana ny heloka be vavaon'ny polisy Antananarivo sy ny teto Toamasina.

25 taona i Owne Alek io novonoin'ny mpaka an-keriny io, ary efa nisy olona fito voasambotra tamin'izany fa saingy afaka avokoa izy ireo nandritra ny Fitsarana tao Antananarivo ny taona 2016 na nahazo sazy mihantona roa taona sy lamandy 720 000 Ariary ny iray tamin'izany.

 

Publié dans Vaovao

Nobaboin’ny fitsarana ary natao lavanty ho fanoneran-trosa ny tany mirefy 7 000 Ha ao amin’ny lemak’i Marovoay.

Trosa tsy voalohan’ny fanjakana malagasy ary nobaben’ny orinasa FIFABE nandritra ny 41 taona.

Ny orinasa SOMIA vondrona Akesson, izay tompon-trosa ihany no nahazo ny tany, tamin’ny lavanty.

Sahiran-tsaina ny tsantsaha mpamboly vary izay tsy afaka niaro ny taniny, tafiditra tao anatin’ny tany natao lavanty.

Nanjavona ny dossier an’ny kaoperativa, nihitsoka tao amin’ny domaines ny bokin-tany efa vita. Nampananosarotra ny ady niarovana ny tany avokoa izany.

Fanadihadiana harahinao ao anatin’ny fandaharana Mahenika, ao amin’ny Ma-tv, ny Sabotsy 14 martsa 2020 amin’ny sivy ora alina.

Publié dans Tselatra