Filtrer les éléments par date : dimanche, 01 mars 2020

Ny tanànan’i Toliara no toerana hanatontosana ny fankalazana nasionaly ny 8 martsa, Andro maneran-tany ho an'ny vehivavy amin’ity taona 2020 ity. « Izaho sy ianao, isika rehetra miombon'andraikitra hisitrahan'ny vehivavy ny zony », no lohahevitry ny fankalazana.

Natomboka androany 1 martsa 2020 tao amin'ny Kaominina Ambohimandroso, Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny rodobe hetsika voalohany nisantarana ny fankalazana io Andro maneran-tany ho an'ny vehivavy io.

Nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an'ireo mponina tao an-toerana. Hitohy mianatsimo miazo an’i Toliara ny hetsika.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tao amin’ny fanjakan’i Washington no nisy an’ity vehivavy matin’ny Coronavirus. Ity no fahafatesana voalohany noho io valanaretina io tany Etazonia. Efa nisy kosa lehilahy iray teratany Amerikanina iray, 60 taona, niditra hopitaly tany Wuhan (Chine) ary nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny 6 febroary 2020.

Misy 22 hafa voamarina fa voa, araka ny nambaran’ny filoha Donald Trump ankoatra an’ireo marary 47 hafa nampodiana avy any Chine. Ny 15 amin’ireo na sitrana sy andalam-pahasitranana hoy hatrany ny filoha Donald Trump.

 

Publié dans Tselatra

Toy ny vara-datsaka ny nandrenesan’ny vahoaka tao amin’ny Kaominina Anorotsangana Ditrika Ambanja ny voka-pifidianana Ben’ny tanàna farany teo, navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana Faritany Antsiranana.

Ny kandida faharoa, nahazo vato 31,79%, araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI no nambara fa voafidy ofisialy ho Ben’ny tanàna, fa tsy ny voalohany, nahazo 42,25% ny vato manankery, nefa tsy nisy fitoriana na fitarainana fa dia nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana.

Nanao hetsika ireo manohitra io voka-pifidianana io, omaly, mitaky ny hamoahana ny marina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy teratany italiana, 44 taona ; io no marary voalohany voamarina fa voan’ny coronavirus any Nizeria. Miasa ao Nizeria izy, ary vao tonga tamin’ny 22 febroary 2020 teo rehefa avy nitsidika kely tany Italia tany, Italia izay isan’ny firenena Eorôpeana voa mafy amin’ity valanaretina coronavirus ity.

Natoka-ponenana avy hatrany moa izy vao fantatra fa voa, ary araha-maso ara-pahasalamana amina hopitaly iray ao Lagos renivohitra.

Mitaraina ho ratsy karakara anefa ity Italiana ity, ratsy sakafo, efitra kely tsy misy jiro mandeha amin’ny herinaratra no ametrahana azy, sady be moka raha ny filazany ka izay no saika nitsoahany tao amin’ny hopitaly, saingy nalaky voasambotry ny mpiambina.

 

Publié dans Tselatra

Efa tamin’ny taona 2018 ny orinasa Vitogaz no nivarotra gaz, na entona fandrehitra amin’ny atsinjarany mba ahafahan’ny tokantrano miala tsikelikely amin’ny fampiasana arina fandrehitra na saribao ho fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana.

Fanafainganana ny fanapariahana io fivarotana ny gaz izay amin’ny endrika azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny tanàn-dehibe sy fanaovana serasera mitaiza sy manetsika mankany amin’ny fandanjalanjana sy ny fialana tsikelikely amin’ny arina fandrehitra na saribao.

Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Raharinirina Baomiavotse Vahinala sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa Vitogaz tao Mahajanga ny Alakamisy 27 Febroary 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

I Luxembourg no firenena voalohany mitatitra maimaimpoana ny mponina ao aminy. Tapakila ho an’ny teratany vahiny mandalo ao sy tapakila ho an’ireo toerana sokajy voalohany no andoavam-bola fa dia maimaimpoana ny ankoatra izay, na handeha lamasinina ianao na « bus » na tramway.

Nanomboka tamin’ny volan aogositra 2018 no efa nisitraka an’ity sarandalana maimaimpoana ity ny tanora latsaky ny 20 taona, fa nitarina ho an’ny daholobe izy ankehitriny ary nihatra nanomboka ny 29 febroary 2020 no sarandalana maimaimpoana amin’ny fitateram-bahoaka io.

 

Publié dans Sociale

Gaboraraka ny fifamoivoizina, indrindra eo amin'ny fitateram-bahoaka ato amin'ny Faritra SAVA. Tsy faly amin'ny fandaminana ireo mpitatitra ka nanao fitokonam-be, tsy niasa ireo zotra rejionaly mampitohy an’i Sambava sy Antalaha ny faran’ny herinandro teo.

Fitakiana maro no nasetrin'izy ireo izay nisy ny saro-bahana satria hatramin'ny fanesorana ireo mpiasa manontolo ao anaty koperativa, ny fitakina ny mangaraharaha ny amin'ireo vola maro takiana amin'izy ireo: manifold, « droit de stationnement », "Laissez-passer » ...

Nipoiran’ny fihetsiketsehana ny nigiazan’ny Polisy fiara roa izay nanao ''racolage'' ka niafara tamin'ny fampidirna « violon » ireo mpamily roa nandritra ny 48 ora. Nisy avy hatrany ny fananganana ny ''Commission Mixte de Contrôle de sécurité routière'' izay ahitana ireo mpisehatra amin'ny fitaterana, ny Zandary, Polisy, foiben-ketra, ny Kaominina, ATT, koperativa izay manana tanjona hanadio tanteraka ny gaboraraka amin'ity fitaterana ato amin'ny Faritra SAVA ity.

Publié dans Vaovao
dimanche, 01 mars 2020 10:03

1er mars: Journée mondiale du compliment

1er mars: Journée mondiale du compliment.

 

Publié dans Fil info

1er mars: Journée mondiale de la protection civile.

 

Publié dans Fil info