Filtrer les éléments par date : jeudi, 06 février 2020
vendredi, 07 février 2020 00:08

Coronavirus

Nisotonina aloha ilay vaovao teo hoe maty ilay sinoa mpitsabo nanaitra voalohany ny fisian'ilay aretina, fahafatesana nambaran'ny OMS, nefa nilaza indray ny hopitaly misy azy fa tsy maty izy fa mbola tsaboina fatratra, ary mbola ahiana ny ainy.

 

Publié dans Tselatra

Nindaosin’ny fahafatesana, androany zoma 07 febroary, i Dr Li Wenliang, dokotera miasa ao amin’ny hopitalin’i Wuhan, ary nanao fanairana voalohany amin’ny fisian’ny valanaretina Coronavirus sy ny zavadoza aterany ny 30 desambra 2019.

34 taona i Dr Li Wenliang, dokotera maso izy, ary ny 30 janoary 2020 no voamarina fa voan’ny coronavirus, dia izao maty izao.

Nisy fanjevoana ihany izy ity, raha nilaza omaly ny OMS sy ireo angom-baovao maro fa maty omaly alakamisy 06 febroary izy, nefa avy eo nandiso izany indray ny hopitaly mbola nitsabo azy fa tsy maty izy, fa manaraka fitsaboana na dia sarotra aza, fa tamin'ny 2 maraina dia nanambara ny hopitaly fa maty i Dr Li Wenliang.

Publié dans Sociale

Fototry ny fampandrosoana ny Herinaratra, na ho an'ny fiainana andavan'andro, besoin domestique, na ho an'ireo indostria sy toeram-pamokarana, besoin industriel et production.

Nefa dia 12% eto Madagasikara fotsiny no misy Herinaratra.
7800 MW ny vokatra mety ho azo amin'ny hydroéléctrique na azo avo amin'ny rano, misy 660 ny toerana azo amorakarana izany eto amintsika.

Nefa ny 2% ihany no ampiasaina amin'izao.

Ny masoadro sy ny rivotra ary ny ranomasina sy ny hafanan'ny tany mbola azo amokarana Herinaratra.

Azo zaraina roa miavaka izany ireo filana sy famokarana Herinaratra ireo.

Publié dans Editorial

Any Inde ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nisy, androany 06 febroary 2020, ny fihaonany tamin'ny Minisitra Indianina Rajnath Singh nandritra ny "Defexpo20 India", ampirantiana ireo fitaovana ara-tafika vokarin-dry zareo indianina.

Nibahan-toerana tamin'ny fihaonana ny sehatry ny fiarovana ary ny fahandriampahalemana an-dranomasina. Teo koa ny hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'ny firenena roa tonta.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Sarona nandritra ny fitsirihana nataon’ny Jirama ny halatra herinaratra tao amin’ny fitotoam-bary iray ao Moramanga. Nandritra ny 42 volana no nangalatra herinaratra ilay tompony rehefa notsirihana ny kaontera.

Manodidina ny 94 tapitrisa Ariary ny vola tokony hoefain’ny tompon’ilay fitotoam-bary amin’ny Jirama araka ny kajin’ny sandan’ny herinaratra sy ny fitaovana nampiasainy.

Mpanjifa miisa 2 303 manerana ireo faritra misy ny Jirama no nanaovany fitsirihana nandritry ny taona 2019, ka 773 ny karazana halatra sy tsy fanarahan-dalàna hita. Mahatratra 791 781 663 Ariary ny vola tokony hiverina amin’ny Jirama ny taona 2019 tao ambadik’ireo tsy fanarahan-dalàna ireo.

 

Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Polisin'ny PPA4 Antaniavo-Antananarivo i Lava raha nanendaka ankitsirano lehilahy iray niambozona kitapo kely, nandeha tongotra nanaraka sisin-dalana teny Antohomadinika, omaly Alarobia 05 febroary tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany maraina.

Nisy namana iray i Lava nanao io fanendahana io. Nahita ny fisehoan-javatra ny Polisin’ny PPA4, nanao akanjon’olontsotra, ka niditra an-tsehatra avy hatrany nanenjika ireo mpanendaka. Voasambotra i Lava fa tafaporitsaka kosa ilay namany.

Fantatra fa gadra lava i Lava ; mipetraka eny Andranomanalina Isotry izy ireo no nanendaka eny Antohomadinika.

 

 

Publié dans Vaovao

Nitsidika ny Foibe Akamasoa eny Andralanitra ny Profesora Rafamantanantsoa Fontaine, Filohan'ny Oniversiten'i Fianarantsoa niaraka tamin'ny Tale Kabinetran'ny Oniversite Dr Rakotonirina Jean Raymond, ny marainan’ny alarobia 5 febroary 2020.

Nitafatafa sy nidinidinika tamin’ny Mompera Pedro izy ireo nanoritsoritana ny mety ho fiaraha-miasa amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny Université Saint Vincent de Paul, ity farany izay misy sampam-piofanana maromaro toy ny « Sciences de l'éducation », Paramed, Informatika, ...

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny vahoakan’Ambatoboeny hijery sy hitondra vahaolana manoloana ny fahavoazana nateraky ny andro ratsy sy ranobe ny volana janoary lasa teo.

Tapaka tanteraka ny lalam-pirenena faha 33Bis mampifandray an’Andranofasika amin’Ambatoboeny. Tsy misy fitaterana satria lafo ny saran’ny fiampitana amin’ny tetezan-kazo amboarin’ny Fokonolona. Efa manomboka miantraika amin’ny famatsiana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro ny fahasimban’ny lalana sy ny tsy fisian’ny fitaterana.

Vokany, tafakatra ho 6 000 Ariary ny litatry ny lasantsy, 500 Ariary ny voatabia singany iray, ary 50 000 Ariary ny sarandalana amin’ny moto mandeha Ambatoboeny –Andranofasika, lalana mirefy 23 km.

Ny Ben’ny tanàna Jean Valérien, no miezaka amin’izay eo ampelan-tanana manototra ireo lavadavaka amin’ny lalana eo Ambatoboeny tampon-tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Roa herinandro taorian’ny andro ratsy, nitondra rotsak’orana betsaka ka nahadibo-drano ny tanàna maro tamina Faritra miisa Fito eto Madagasikara nanomboka ny 24 janoary dia mbola misy tanàna voahodidin-drano aty Alaotra, toy ny ao Ambohimiarina, Fokontany Manorita, Kaominina Ambanivohitra Vohitsara, Distrika Amparafaravola.

Tonga nanatitra vary fotsy milanja 1300 kilao, fitaovana ho an'ny mpianatra, fanafody ary niaraka tamin'ny dokotera nanao fitiliana, androany, ny ekipan’ny Faritra Alaotra Mangoro, notarihin’ny Governora Dr Ramandehamanana Richard. Nampanantena ny Governora fa honorina efitrano fianarana iray ho an'ny Fokontany Manorita.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanehoan-kevitra ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao tao aorian'ny namoahan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny didy fanapahana laharana faha 04-HCC/D3 ny 05 febroary 2020 momba ny maha tsy manankery ireo didy hitsivolana noraisin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra.

Raha tena mamaky tsara ilay fanapahana navoakan’ny HCC, hoy i Rivo Rakotovao dia betsaka ny fanontaniana mipetraka. « Rehefa inona no tsy maintsy tanterahina tsy misy fepetra ny didy avoakan’ny HCC », satria tsy nanavaka na inona ny didy navoakany tamin’ny 13 febroary 2019 fa tsy maintsy alefa manontolo hankatoavina eny anivon’ny Parlemanta ; raha ny didy navoakan’ny HCC omaly indray anefa, hoy ny fanamarihany, dia zarazaraina ireo didy hitsivolana noraisin’ny filoham-pirenena tokony alefa hankatoavina eny anivon’ny Parlemanta.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2