Filtrer les éléments par date : lundi, 24 février 2020

Tovolahy iray 23 taona no nahavanon-doza tao amin’ny Kaominina Betsimisotra Distrikan’i Fandriana faritra Amoron’i Mania.

Zazavavy kely, 14 taona, no niharan’ny herisetra ara-nofo ny marainan’ny alahady 23 febroary 2020. Sendra irery tao an-trano io zazavavy io no niditra ilay tovolahy. Nisy nahita ny nidiran’ity farany, saingy tsy nisy nanampo na inona na inona satria fianakaviana avy amin’ny renin’ilay zazavavy ihany ity tovolahy ity.

Ny loza anefa dia ilay tovovavy efa tsy nisy aina intsony, voatampim-bava ary mifatotra tongotra aman-tanana efa tsy nisy aina teo ambony fandriana no hitan’ny olona. Maty nokendaina ilay zazavavy rehefa avy naolana.

Voasambotra ny androtr’io ihany ilay tovolahy, ary nentin’ny Zandary nakao Fandriana renivohitra androany, nanohizana ny famotorana. Rahampitso talata no hatolotra ny fampanoavana eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra ny raharaha.

 

Publié dans Vaovao

Coronavirus: Bilan Madagascar 23 février 2020

 

Publié dans Fil info

Coronavirus: Filaharam-be any Korea atsimo hividy sarom-bava

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana, androany, ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy mikasika ny fitsidihana nataon’ny minisitra Frantsay misahana an’i Eorôpa sy ny Raharaham-bahiny, Jean-Yves le Drian, teto Madagasikara ny 20 sy 21 febroary 2020 lasa teo.

Mba ho fisorohana ireo ahiahy, na koa tsy fitovian-kevitra maro isan-karazany, hoy ny fanambarana dia manamafy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa « tsy fanelingelenana velively, na sakana amin’ireo dingana tanterahana momba ny dinika miaraka amin'i Frantsa, momba ny famerenana ny Nosy Malagasy aty amin'ny Ranomasimbe Indianina, ny fitsidihana nataon’ity minisitra Frantsay misahana an’i Eôropa sy ny raharaham-bahiny ity. Vao mainka aza nanamafisana indray, ny toeran’i Madagasikara sy ny heviny momba io olana io ».

Publié dans Politique

Noraisin'ny SPAT Port Toamasina an-tànana ny fanavaozana ny CRJS (Centre Régional de la Jeunesse et des Sports), izay hita fa efa antitra.

Nasiana efitrano mahazaka olona 400 ity fotodrafitrasa ity taorian’ny fanavaozana natao, ary azo hanaovana fampisehoana na hijerena sarimihetsika.

« Palais des enfants pionniers » na « Lapan'ny Ankizy mpisava lalana » no niantsoana an’ity toerana ity tamin’ny Repoblika faharoa, fotodrafitrasa niarahana tamin-dry zareo Koreana Tavaratra ny fanorenana azy. Taty aoriana vao nomena anarana « Centre Régional de la Jeunesse et des Sports » na Foibem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Volamena miisa 5, volafotsy 2 ary alimo 4 ; nandrombaka medaly 11 ireo solontena Malagasy nifaninana tamin’ny "Open International de La Réunion" teo amin’ny taranja judo natao tatsy amin'ny nosy rahavavy La Réunion.

Tsara ny vokatra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Tafakatra 2592 ny namoy ny ainy noho ny Coronavirus any Chine. Dimy ny maty any Italia, izay firenena Eoropeana voalohany ahitana olona betsaka matin’io Coronavirus io.

Nanapa-kevitra ny fanjakana any Chine, tamin’ity alatsinainy 24 febroary ity, fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena Entim-bahoaka sinoa, raha tokony hisokatra amin’ny 5 martsa toy ny fanao isan-taona nanomboka tamin’ny 1985.

Namoaka fepetra ihany koa ny fanjakana sinoa, fa tsy azo atao ny mivarotra sy mihinana biby dia, « animaux sauvages », hisorohana ny fihanak’ity valanaretina ity.

Publié dans Tselatra

La délégation menée par le Président de la République Andry Rajoelina a poursuivi sa descente dans les districts de Beloha, Bekily, et Ampanihy ce 23 février 2020.

Le Chef de l'Etat a lancé une opération de distribution de produits de première nécessité, des repas chauds, et des compléments alimentaires pour les enfants. Des aides d'urgence ont été aussi distribuées dans plusieurs communes fortement touchées par la sécheresse.

Une grande majorité de la population du Sud est touchée par la malnutrition due à la sécheresse. Une dizaine de camions citernes, en plus de ceux qui sont déjà sur les lieux, se chargeront de distribuer de l'eau gratuitement dans les communes concernées.

Publié dans Sociale
lundi, 24 février 2020 18:24

Morondava: Dibo-drano ny faritra iva

Niakaran’ny rano ny tanàna sasany teto an-drenivohitry ny Faritra Menabe, vokatry ny fifanojoan’ny reniranon’i Kabatomena amin’ny fiakaran’ny ranomasina omaly hariva. Voakasik’izany ny Fokontany Ampasy, Tanambao, Ankisirasira Nord, Ankisirasira Sud, Andakabe Est sy Andakabe Ouest.

Efa nisy fihenany ny rano androany atoandro, saingy ahiana ny mbola hiverenan’io rano manondraka faritra iva io amin’ny fiakaran’ny ranomasina anio hariva.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Maniry mafy mba ho tafiditra mpiasam-panjakana, ka nanao ny tsy fanao. Diplaoma sandoka no namenoany ny antontan-taratasy ilaina.

Tra-tehana izany ary efa eo ampelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha, manao ny famotorana ahitana ny tambazotra mifamatotra amin’izao hosoka izao.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2