Filtrer les éléments par date : mercredi, 08 janvier 2020
mercredi, 08 janvier 2020 21:32

Nanisana: Olona roa maty nirodanan'ny tamboho

Nirodana tampoka ny tamboho lehibe iray teo Nanisana Antananarivo nandritra ny oram-baratra teto Antananarivo androany tolakandro. Tovovavy iray sy lehilahy iray no tototra tao ary maty tsy tra-drano.

Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nikaroka nanala ireo razana tototra sady nanohy fikarohana sao mbola nisy olona hafa voatsindry.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Vehivavy iray no namoy ny ainy, main'ny herinaratra nentin'ny tariby tapaka ka nidaboka tamin'ny lalankely izoran'ny mponina.

Nandritra ny oram-baratra narahin-tafiotra teto an-drenivohitra no nisehoan'ny loza androany tolakandro, teny Ivandry.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Navoakan'ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana Toamasina androany ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana Ben'ny tanàna sy Mpanolontsain'ny tanàna ho an'ireo Kaominina ao anatin'ny Faritanin'i Toamasina.

Ho an'i Kaominina ambonivohitr'i Toamasina dia voafidy ho Ben'ny tanàna Rakotonirina Nantenaina Herilala. Kandida natolotry ny IRK ity farany.

 

Publié dans Tselatra

Nofoanan'ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana Toamasina ny fifidianana Ben'ny tanàna tao amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Moramanga raha namoaka ny voka-pifidianana tamin'ireo Kaominina ao anatin'ny Faritanin'i Toamasina androany, ary dia didiana ny hisian'ny fifidianana vaovao, izay atao ao anatin'ny 120 andro raha araka ny lalàna.

Nandresy ny kandida narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara tao Moramanga araka ny vokatra feno vonjimaika navoakan'ny CENI.

 

Publié dans Tselatra

Sivily miisa telo no maty, olona dimy no naratra, ka sivily ny efatra ary Zandary ny iray. Izay no vokatry ny fahadisoana mihoapampana nataon'ny Zandary kilasy ambony iray miasa ao « Poste Fixe » ao Dondona Distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy ny talata 07 janoary 2020.

Nifanolana tamin'ny sivily mpivarotra trondro iray ilay Zandary omaly tolakandro, ka rehefa tsy afa-po tamin'ny resaka vola ity zandary dia nampihatra herisetra ka torana ilay mpivaro-trondro. Nihevitra ilay zandary fa maty ilay mpivarotra nokapohiny ka nilefa izy.

Tezitra noho izany ireo Fokonolona nanatri-maso ka naterin'izy ireo teny amin'ny tobin’ny Zandary « Poste fixe » ilay mpivaro-trondro sady nikasa hitady ilay zandary izy ireo. Tsy hita tao ity farany ka notadiavin'izy ireo tany an-tranony ka tratra tao.

Niditra amboletra tao avy hatrany ireo Fokonolona ka namaly tifitra ilay zandary ho fiarovan-tenany.

Publié dans Vaovao

Tsy misy miafina ny toetr'andro eto Antananarivo renivohitra sy ny foto-drafitrasa misy ankehitriny.

Efa fantatra mialoha ny ranon'orana, ny rano maloto avy any an-trano, ary ireo rano maloto avoakan'ny ozinina.

Misy 2 tapitrisa eo ny isan'ny mponina eto Antananarivo, ny olona iray dia tombanana mampiasa rano 50 litatra isan'andro, raha tokony 100 litatra raha manana rano an-trano, ka raha ny atsasak'io rano ampiasaina io no very, avy hisasana, avy anasana lamba, fiara... dia mahatratra 2 000 000 *25 litatra izay = 50 000 000 litatra no mila ariana.

Misy no very avy hatrany midina ambanin'ny tany, fa misy kosa no very anatin'ny fanariana ny rano maloto. Raha zaraina 2 koa izay, dia misy 25 000 000 litatra na 25 000m3 izany no tsy maintsy ariana.

Publié dans Sociale
mercredi, 08 janvier 2020 11:42

Fondation: Fanafangaroana andraikitra

Toy izao no nanakianana mafy ny fitondran'i Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nanafangaro ny asam-panjakana, ny fananam-panjakana sy ny fananany manokana.

Nahongana mihitsy izy tamin'ireny.

Nanao toy izay koa ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ny vadiny no tena nitondra ny firenena, nanana birao sy Cabinet mihitsy izy tao Ambohitsirohitra. Voahongana koa izy tamin'ireny, ary niafara tamin'ny 8% ny vato azony nefa filoha am-perin'asa.

Izao indray dia manomboka hita taratra izay fanafangaroana izay.
Tsara ny asa soa ataon'ny vadin'i Filoham-pirenena, ny association Fitia, fa nahoana moa no idiran'ny fanjakana izay? Satria ve vadin'ny Filoham-pirenena no miandraikitra an'izay fikambanana izay? Maninona tsy nampidirina ireo fikambanana anarivony maro manao asa soa eto Madagasikara? Nahoana ny fanomezana ataon'ny masoivoho, na fifampiraharahana ataon'ny fondation iray amin'ny fikambanana iray no any anaty lampam-panjakana no anaovana azy?

Publié dans Editorial

Tsy ampy ny fiara mpitatitra olona miainga eto Mahajanga miazo an’Antananarivo. Fiara midina avy any Antananarivo no andrasana dia iny no ifandrombahan’ny mpandeha noho ny hamehana, hany ka io no voalaza fa anisany antony mampiakatra ny sarandalana ho 40 000 Ariary raha toa ka 30 000 Ariary izany andavanandro.

Mijery vahaolana izahay, hoy i Rahaingo Toky, tompon'andraikitry ny ATT, antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, eto Mahajanga, mitady ireo mpandraharaha izay manana fiara afaka mitatitra olona, na ireo manao zotra rezionaly hanampy amin’ny fitaterana ireo mpandeha.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Vao niainga kely fotsiny ny fiaramanidina Boeing 737 an'ny kaompania Ukraine International Airlines, niala tao Téhéran Iran, hiazo an'i Kiev, dia nidoboka. Mpandeha 170 farahakeliny no maty tsy tra-drano.

Mbola tsy fantatra ny anton'izao fianjerana izao, ary tsy mbola fantatra ihany koa raha misy fifandraisany amin'ny daroka valifaty nataon'ny Iranianina amin'ny Amerikanina tamin'ny alina, izay nidarofany ny tobim-pamaharana miaramila Irakianina 2, izay ampiasain'ny Tafika amerikanina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 08 janvier 2020 09:04

Crise en Iran: Attaques iraniennes en Irak

Après l'enterrement du Général iranien Qassem Soleimani, abattu par les Américains vendredi dernier, les Iraniens ont promis une vengeance contre les Américains, sans attendre, 2 bases irakiennes utilisées par les militaires américaines ont été visées cette nuit, avec plus d'une douzaine de missiles balistiques à courte portée, visant les bases qui se trouvent à 500km de l'Iran.

Publié dans A la Une