Filtrer les éléments par date : lundi, 06 janvier 2020

Tena tsy azoko ny fitantanam-bolam-panjakana eto amintsika, ny karaman'ny mpiasa, eny hatramin'ny andrimpanjakana ambony toy ny Solom-bavambahoaka dia mbola atao espèce, alaina amin'ny gony eny amin'ny trésor ny karama isam-bolana.

Mitaraina amin'izay isika hoe ampiasain'ny questeur aloha ny vola vao zarainy ny karama, ny solo-penakoho ho an'ny mpiasam-panjakana misy manodikodina, ao no milaza fa nisy namaky ny trano dia very, sy zao tantara angano rehetra asaina manao sonia taratasy fotsy zao ihany koa.

Nahoana no tsy terena anokatra kaonty any amin'ny banky, na microcred, na Mvola na orange money na Airtel money, na Paositra money. Ataoko fa 90% n'ny mpiasam-panjakana dia manana an'ireny akaiky azy.

Sady ahitana ny fonctionnaire fantôme ireny, no vola tsy misy very ary mora arahina maso.

Publié dans Sociale

Tsy niandry ela ny tsena iraisam-pirenena mikasika ny solika, fa vao nisy ilay fanafihana, nahafaty ilay jeneraly iranianina Qassem Soleimani dia niakatra 3,1 % na 63,05 dolara avy hatrany ny vidin'ny barika « light sweet crude » (WTI), na solika mbola tsy voadio, fandrefesana amerikanina, ary niakatra 3,9 % na 68,83 dolara ny Brent, fandrefesana eoropeanina.

Tranga nitovy haavo tamin'ny fanafihana fanadiovan-tsolika tany Arabie Saoudite, na dia hatreto tsy nisy toeram-pamokarana voakasiky ny fanafihana.
Ireo mpandinika ara-toekarena moa dia milaza fa hiakatra hatrany io vidi-tsolika io raha mitohy izao krizy misy amin'ny Amerikanina sy Iranianina izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Hitokana ireo mpampianatra eo anivon'ny Lycée Rabemananjara Toamasina ny talata 7 janoary haneho ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny vola solom-penakoho fanomezan'ny filoha ho an'ny mpiasam-panjakana noho ny Asaramanitra.

Voalaza fa raha tokony ho 65 000 Ariary no azo dia tsy misy afa-tsy 2 600 Ariary no tonga, ary io no terena hanaovan'izy ireo sonia.

 

Publié dans Tselatra

Ny alarobia ho avy izao no hamoahan'ny Fitsarana ny ady atao amin'ny Fanjakana Toamasina ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana ho Ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina natao ny 27 novambra 2019 tamin'ireo Kaominina ao an'ny Faritanin'i Toamasina

Ny hariva no hanaovana izany, fa ny maraina kosa fitsarana ireo fitoriana nataon'ireo kandida sy ireo afaka mitory, ka isan'ny hotsaraina amin'izany ny fitorian'ny MTS amin'ny fampitahana ny voka-pifidianana tamina BV 30 teto Toamasina sy ny lisi-pifidianana ho an'ny Miara-Mirona misy ny TIM sy ny mpiara-dia aminy.

 

Publié dans Tselatra

C’est décidé que les travaux de rénovation du Stade municipal de Mahamasina débuteront cette semaine. Ces ouvrages coûteront la bagatelle de 77millions de dollar. Les Malagasy se félicitent de la réalisation d’un tel projet, d’autant plus que cet antre du football national a mauvaise réputation au niveau extérieur, plus particulièrement africain : champ de patate, champ d’arachides, champ de manioc, de la part des équipes africaines à l’issue de leur rencontre à Mahamasina. Sans oublier, les infrastructures sont tellement surannées qu’on se demande si ce stade ne doit pas être « remplacé ».

Les exploits de l’équipe nationale les Barea, et la décision du président de la FIFA récemment à Madagascar ont accéléré la prise de décision du Chef de l’Etat Andry Nirina Rajoelina de réhabiliter Mahamasina.

Publié dans Politique

Ora-nikija nisesy ny teto Mahajanga andro vitsivitsy izay, tapitra ny fetr'andro faran'ny taona 2019 tokony ahavitana ny asa trano mora eto Amborovy, fa maisatra dia maisatra ny fandrosoan'ny asa, vitsy ny mpiasa miasa, ny trano tsy voatsangana araka ny tokony ho izy.

Publié dans A la Une

Tontosa teny amin'ny FLM Ambatovinaky ny alahady 05 janoary 2020 ny famindrana andraikitra eo amin'ny Filoha hitarika ny FFPM (Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara) ho an’ny taom-piasana 2020. Ny Pastora Dr Rakotonirina David, Filohan'ny FLM indray no filoha, ary Filoha mpanampy azy Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina, Filohan'ny FJKM.

Nanapaka ny komity foibe FFPM nanomboka ny taona 2019 fa tanterahina mandritra ny fotoam-pivavahana anaty tranon’Andriamanitra ny famindrana andraikitra amin’ny fitantanana ny FFPM fa tsy atao lanonana tsotra eny amin’ny foibe Vohipiraisana toy ny teo aloha intsony.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Noraisina hiasa ao amin'ny Biraon'ny Faritra nanomboka androany 6 janoary 2020 i Ra-Tin « Kopi-kole Rossy 2019 ».

Fampanantenana nataon-dRazafindrafito Lova Paupil, Goverinoran'ny Faritra Matsiatra Ambony ny « hanomezana asa maharitra azy mba hahafahany mifantoka bebe kokoa amin'ny tontolon'ny Mozika sy ho tantsoroka ho azy eo amin'ny fiainana andavanandro amin'ny maha raim-pianakaviana azy », hoy ny fampitam-baovao nataon’ny Faritra.

Rakotonirina Augustin no tena anarany. Ra-Tin no fiantso sy nahafantaran'ny maro azy nandritra ny fifaninanana. Nanohana be an-dRa-Tin na tamin’ny fihirana, fiantsehatra, eny ara-pitaovana zavamaneno (angorodao sy gitara) i Rossy. Nankasitra ny zava-bitan’i Ra-Tin sy ny firaisankinan'i Fianarantsoa nanohana azy ihany koa ny Governoran’i Matsiatra Ambony tamin'izao fandresena azony izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Nandritra ny fivorian'ny parlemanta venezoelianina no nijoroan'i Luis Parra ho filohan'ny Parlemanta any an-toerana, notapahan'ny teknisianina ny fanamafisam-peo, ka dia nampiasa mégaphone ny lehilahy nilazany ny vokatry ny safidin'ireo Solom-bavambahoaka.

Naneho ny fankasitrahana izany ny filoha Venezoela Nicolas Maduro, izay filoha lany tamin'ny fifidianana fa tsy neken'ny mpanohitra, sy ireo firenana 60 hafa.

Tetsy an-kilany, dia nilaza fa voafidin'ireo Solombavam-bahoaka ho filohan'ny Parlemanta ihany koa i Juan Guaido, izay mpifaninana tamin'i Nicolas Maduro tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Venazoela, izay tohanan'ny firenena amerikanina, sy eoropeanina ho filoha mpisolo toerana vonjy maika, izay nanongana an'i Nicolas Maduro.

Nianika fefy ny lehilahy hiditra an-keriny tao amin'ny parlemanta, fa nosakanan'ireo miaramila mpiambina.

Publié dans Politique

Tamin'ny zoma 03 janoary teo no novonoin'ny Amerikanina tamin'ny alalan'ny drone, teo amin'ny seranam-piaramanidin'ny Bagdad tany Irak ny Jeneraly Qassem Soleimani sy Abou Mehdi al-Mouhandis, lehiben'ny Hachd al-Chaabi, anisan'ny fiarovana iranianina.

Naneho avy hatrany ny fanoherana izao tranga izao ireo Iranianina antapitrisany, ary dia mitaky ny valifaty handarofana ny Amerikanina.

Donald Trump, filoha amerikanina, dia manamafy fa ity Jeneraly ity no mpitarika ireo mpampihorohoro sy nanao ny fanafihana ny masoivoho amerikanina tany an-toerana.

Nanapa-kevitra ny Iranianina, fa dia hanohy ny fikarohana sy fanamboarana baomba atomika, raha nanaiky ny hanajanona izany izy teo aloha, izay fifanarahana nialan'ny Amerikanina ihany koa.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2