Filtrer les éléments par date : dimanche, 05 janvier 2020

Nidina nijery ny zava-misy vokatry ny rano be nateraky ny ora-nikija nandritra ny efatra andro teto Mahajanga, ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ny sabotsy 04 janoary.

Nitsidika sy nampahery ireo traboina avy amin’ny Fokontany telo, izay mitoby ao amin’ny EPP Fiofio, Tsararano, ary Ambalavola, ary nitondra ny fanampiana ny delegasiona.

Publié dans Vaovao

Vita tanteraka ireo asa fanarenana vonjimaika ireo "pylônes" lehibe mitondra herinaratra 138 000 V eny Behintsy sy roa hafa mitondra 63 000 V eny Alasora, izay nazeran'ny rivotra nifofofofo omaly folakandro, araka ny fanambarana nataon’ny Jirama io tolakandro io.

Efa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana ireo tokantrano 20 000 niharan’ny fahatapahan- jiro hatry ny omaly.

Mbola mitohy kosa ny fanarenana ireo andrin-jiro kely nianjera amin'ny tany izay heverina ho vita rahampitso.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hatramin'ny alina no efa am-perinasa manolo ilay "pylône" lehibe 138.000V nianjera eny Behintsy ny JIRAMA izay vinavinaina ho vita anio hariva. Marihina fa noho ny orana izay nitohy alina dia nananosarotra ny fampitaovana ka niteraka fahatarana teo amin'ny fanatanterahana ny asa fanarenana.

Ho vita anio folakandro ihany koa ny fanarenana ireo "pylônes" roa mitondra herinaratra 63.000V eny Alasora.

Andrin-jiro 15 tamin'ireo 40 nianjera no efa voaarina alina ihany ary mbola mitohy hatramin'ny rahampitso ny fanarenana izany.

Telo kosa sisa ny andrin-jiro mitondra herinaratra MT no tsy voaarina ka eny Ankadinandriana ny roa amin'zany ary eny Mantasoa ny iray.

Publié dans Vaovao