Filtrer les éléments par date : mercredi, 29 janvier 2020

Na ireo efa teo aloha, na ireo vaovao, dia tolorana firariantsoa feno avokoa.

Ny ahy tsy miova ny hevitro, aza manao politikan'ataka, tsara be ny fakana ireo manam-pahaizana maneran-tany, fa aza ny politikan'ny vahiny no atao modely, fa aoka hiainga amin'ny zava-misy eto amintsika, ny toe-tsaina sy ny kolotsaintsika.

Tsy ianareo no atoro satria olona manana ny maha izy azy avokoa ianareo voatendry, notsongaina tao anatin'ny maro.

Apetrao ny tena fampandrosoana ny faritra tsirairay, omeo andraikitra izy.

Ohatra tsotra, omeo ny Ben'ny tanàna an'Antananarivo ny fahefana rehetra ampandrosoany an'Antananarivo Renivohitra, na ny fanaovana ny fotodrafitrasa ilaina io, na ny sekoly, na ny fandriampahalemana, na ny làlana, na ny hetra, ary omeo azy ny vola ampidirin'Antananarivo. Tompon'andraikitra feno izy amin'izay, ka tsy misy ny hifanilika amin'ny mety tsy ho fahombiazana.

Publié dans Editorial
mercredi, 29 janvier 2020 12:42

Remaniement du Gouvernement

Remaniement du Gouvernement ce mercredi 29 janvier à 15h30 au Palais d'Iavoloha.

 
Publié dans Fil info

Maharitra roa andro ity Fihaonam-ben'ny Baolina kitra handinihina ny fomba anatsarana ny baolina kitra eto Madagasikara.

Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Tinoka Roberto, omaly talata 28 janoary, tetsy amin'ny Mining Business Center Ivato.

Talohan'ny nandraisany fitenenana, dia nahatsiaro manokana ireo traboina tamin'ny rivotra nitondra oram-be ka niteraka loza ho an'ny Malagasy maro. Niaraka nitsangana ny rehetra nanamarika iray minitra fahanginana ho an'ireo namoy havana tao anatin'izany.

Nanamafy ny minisitra Tinoka Roberto, fa dia vonona hanome ny heriny rehetra hanampiana ny kitra Malagasy, ary dia nankasitraka ny ezaka goavana nataon'ny Barea, indrindra tamin'ny fandresena goavana tamin'ireny CAN ireny. Maro ihany koa hoy izy ny ezaka ataon'ny Kilioba sy ny Federasionina, ka vonona hatrany ny fanjakana anampy ny mpilalao sy ny mpikarakara.

Mpizaika 170 manerana ny Nosy moa no miaraka mandinika loha-hevitra 8 mandritra izao fihaonana izao, izay hifarana androany alarobia 29 janoary.

 

Publié dans Sport