Filtrer les éléments par date : lundi, 27 janvier 2020

Nidina taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny delegasiona notarihin’ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, androany, nijery ireo distrika tena voamafy sy ny vahoaka tra-boina, vokatry ny rotsak’orana niteraka tondra-drano nitranga tamin’ny herinandro lasa teo.

Nivoitra tamin’ity dia ity fa hatomboka rahampitso ny asa fanarenana ny RN44, ary ny alakamisy kosa ny RN3A, mba hamerenana ny famatsiana ny solika izay iankinan’ny sehatry ny famokarana.

Publié dans Sociale

Nifandimby tonga teny amin’ny BNGRC Antanimora, nitondra ny anjara birikiny ho an’ireo Malagasy niaram-boina noho ny ranobe, ny fianakavina Andriatsima Faneva IMA, kapitenin’ny Barea teo aloha, nanome vary 30 gony. Ny rainy sy ny anabaviny no nisolotena azy nanatitra ny fanomezana. Tonga teny ihany koa i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea nanatitra vary 20 gony.

Teo koa Rakotoarivony Arsène nanolotra vola 100 000 Ariary sy Randrianandrasana Andrianitafika izay monina any ivelany nanome akanjo fitafy roa fatorana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
lundi, 27 janvier 2020 22:48

Sambava: Nirongatra ny vaky fasana

Tranon-drazana miisa any amin'ny 20 any no nisy nanakorontana tamin’ny herinandro teo tao Anjia ; nahitana fasana roa hafa indray androany 27 janoary 2020 tao Ambavala Sambava Centre.

Nidina tamin'ireo toerana ireo ny Polisy nijery ny zava-nisy mba hahafahana manokatra fanadihadina hafantarana iza no ao ambadik’izao vaky fasana izao.

Maneho ny alahelony ireo tompon-kavana manoloana izao fanimbazimbana ny razana izao.

Hatreto dia tsy misy taolana lasa raha ny tao Ambavala manokana fa ny tranon-drazana no savoritaky ny olon-dratsy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Maro ny olona mbola tavela amin'ny toerana tondra-drano. Mitohy hatrany ny fanavotana ataon'ny Miaramila azy ireo, hamonjy toerana azo antoka toy ny tao Mitsinjo.

Toy izany koa ny famonjena aina ireo ankizy sy ireo marary izay notaterina haingana namonjy toeram-pitsaboana, toy ny tao Ampanjabe, Anjaraborona, Maromiandra, Marovoalavo, Mankandala, Andonosy sy Amarofisoka.

Nihazo an'i Madirovalo ihany koa ny angidimby an’ny Tafika mitondra ireo dokotera sy ireo fanafody ilaina amin'izany.

Mirotsaka an-tsehatra amin'ny asa fanarenana vonjimaika ny foto-drafitr'asa sy famahana ny lalana ahafahana mifamoivoy sy hamerenana haingana ny fiainana andavan'andron'ny mponina ihany koa ny Tafika Malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Ho fiaraha-mientana ho an'ireo traboina tany amin'ny faritra dia nanatontosa fotoam-bavaka ny mpanao gazety, izay natao teny amin'ny Katedraly Analakely io maraina io.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nodimandry androany alatsinainy 27 janoary 2020, tamin'ny 5ora maraina, teny amin'ny hopitaly HJRA i Rakotoson Jobily.

Publié dans A la Une

Efa miandry any ny fanampiana aman-taonina maro izay atolotry ny ONG WFDP hanampiana ireo traboina any amin'ny faritra, araka ny fanambaran'andriamatoa Ny Rado RAFALIMANANA tamin'ny mpanao gazety.

Efa vonona ny fiaramanidina hitondra an'io fanampiana io ho eto Madagasikara izay hiandrasana ny fanapaha-kevitry ny avy eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara.

Asa fanampiana no atao hoy ity farany ka tsy ilaina ny resabe, ka dia manolotra izany hantsitrapo ny tenany sy ny avy amin'ny fikambanana misy azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

« Tsy hangina ny antoko manoloana ny toe-draharahampirenena ary hamoaka rahateo angon’atontan-taratasy maneho ny tsy fanarahan-dalàna nisy teto amin’ny firenena nanomboka ny 18 Janoary 2019 ». Nambaran’ny Mpandrindra Nasionalin’ny antoko, Rivo Rakotovao, io nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2020 nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Hery Vaovao ho an'i Madagasikara (HVM) izay notanterahina teny Ambohimalaza-Antananarivo Avaradrano.

Publié dans Politique

Tontosa androany maraina ny famindram-pitantanana teo amin'ny Ben'ny tanàna vaovao, Barisaonina Charles sy ny teo aloha, Razafindramosa Nicaise tao amin’ny Kaominina Toamasina suburbaine.

 

Publié dans Tselatra

Tra-doza ny lakam-by nitondra ireo Zandary nanavotana ireo traboina noho ny ranobe nandritra ny andro ratsy ny herinandro lasa iny, tao Anjajia Distrikan’Ambato-Boeny. Avotra avokoa ny olona tao anaty lakana, saingy latsaka tany anaty ranobe ny basin’ny Zandary telo lahy tamin’ireo tao anaty lakam-by.

Nifarimbona nanao fikarohana ny Zandary sy ny Fokonolona rehefa nanomboka nidina ny rano, ka hita avokoa ireo fitaovam-piadiana very sy ny tranom-bala niaraka taminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2