Filtrer les éléments par date : dimanche, 26 janvier 2020

Hatraiza moa ny herin'ny "Filazana" avoakan'ny minisitry ny ati-tany mandrara ny Malagasy, ny fikambanana hanao hetsika hanangonam-bola hanampiana ny mpiray Tanindrazana?

Lalàna no nanome alalana ny fikambanana hitady vola, ka ny volan'ny fikambanana tsy zaraina amin'ny mpikambana fa anaovana ny asan'ny fikambanana.

Ny vondrom-bahoaka voatendry no eo ambany fiadidian'ny ministeran'ny Atitany, fa tsy ny Malagasy.

Raha misy ny hanao Télé-thon, ny fanaovana fivoriana angamba no ilana fierana, fa izay hanangom-bola, na hanao rakitra, na hanangona fanampiana tsy misy afaka andrara izany, fanaparam-pahefana ny ambonin'izany, satria ny "Filazana" 'ny minisitra tsy ambony noho ny lalàna sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena arovan'ny Lalampanorenana.

Publié dans Sociale

Nanome baiko ny sampan-draharahara miadidy ny ranomasina na APMF Anosy fa tsy maintsy atao fizahana daholo ny sambo mihantsona, na tsy avy any amin’ny firenena misy an’ilay valanaretina « coronavirus » aza, mba hisorohana ny valan’aretina.

Nanao fanaraha-maso teo anivon’ny seranan-tsambon’i Ehoala Tolagnaro ny avy eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana amin’ny fitsapana hafanana ireo mpizahatany miisa 1020 tonga teto Tolagnaro androany.

Ny sambo MS Artania niainga avy atsy Richards Bay - Afrika Atsimo, hiazo an’i La Réunion no nitondra ireto mpizahatany ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Mihombo ny fahavoazana nateraky ny andro ratsy nitondra oram-be niteraka tondradrano tamin’ny faritra maro. Raha ny tatitra vonjimaika navoakan’ny BNGRC io hariva io dia 32 ireo namoy ny ainy, 10 tsy hita popoka ary 116 675 ireo traboina.

Nahitana faty iray tao Marovoay androany alahady tolakandro rehefa nihena ny rano.

Miisa 14 103 ireo trano dobo rano ary 1517 ny trano nirodana.

 

Publié dans Tselatra

« Afin d’atteindre l’autosuffisance alimentaire, le ministère de l’Agriculture, de l’élevage et de la pêche s’est engagé en partenariat avec le groupe Elite Agro LLC. Le Mémorandum d’entente souligne que l’exploitation concerne 60 000ha de terrain dans le Bas Mangoky, et il y est attendu la production annuelle de 350 000t de riz, 200 000t de maïs, 150 000t de blé, 300 000t de soja, 20 000t de pois de cap et 30 000t d’arachide », tel est le communiqué du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP).

La contribution de l’État malagasy sera « la mise à disposition » du terrain sous forme de « prêt » et le groupe Elite Agro LLC, originaire des Emirats Arabes Unis (Abu Dhabi), se charge de l’aménagement, de la culture proprement dite qui pourvoirait des milliers d’emplois.

Un Memorandum of Understanding (MOU) a été signé entre les 2 parties pour 60 000 hectares de surface cultivable dans le Bas Mangoky (région sud-ouest).

Publié dans Editorial
dimanche, 26 janvier 2020 12:16

26 janvier

Journée Mondiale de la Douane et sur l'éthique.

 
Publié dans Fil info

Nanapa-kevitra ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony fa haato vonjimaika ny fanatanterahana ny Voin-kava mahatratra, izay notanterahina teo amin'ny Faritra sy tany amin'ny toerana hafa, ho fanomezana tolo-tànana ho an'ireo Faritra niharam-boina noho ny andro ratsy, noho ny fandraràna nataon’ny Minisiteran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny tsy hanaovana  «Téléthon ».

Tao anatin’ny roa andro nanombohan’ny Faritra Matsiatra Ambony dia nahatratra 568 200 Ariary ny vola voaangona ary dia hatolotra amin'ny anaran'ny vahoakan'i Mahatsiatra Ambony ho an'ireo Faritra niharam-boina ho mariky ny firaisam-po amin'izy ireo.

 
Publié dans Tselatra