Filtrer les éléments par date : samedi, 25 janvier 2020

Nidina ifotony teny amin'ny Seranam-piaramanidina Ivato androany sabotsy 25 janoary ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Julio Rakotonirina, nitarika ny ekipa avy ao amin'ny Ministera, nijery ny fanatanterahina ireo fepetra noraisina amin'ny fisorohana ny tsy hidiran'ny "Coronavirus" eto Madagasikara.

Hentitra ny fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo olona mivoaka sy miditra eny anivon'ireo seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tontosa androany sabotsy 24 janoary, tao amin’ny Tranompokonolona Antsirabe ny fikaonandoham-paritra ho fakan-kevitra hampandrosoana ny baolona kitra eto Madagasikara, anjaran’ny ligin’ny baolina kitra Vakinankaratra. Nitarika ny delegasionan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina Kitra nanotrona izany teto an-toerana ny filohany, Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.

Ireo misehatra ny baolina kitra no nasaina tamin’ity, nahitana toeram-panofanana sy ny sekolin’ny baolina kitra eto Vakinankaratra, ireo seksiona niisa 7, ary ireo klioba sy mpitantana klioba.

Publié dans Sport

Nanao fikaonan-doha tetsy amin’ny Carlton Anosy ny mpanohitra mivondrona amin’ny vovonana RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), ivondronana antoko miisa 21.

Nandritra ny lahateny fanokafana nataon’ny filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana no nanaovany teny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana izay namoy Havana sy fiombonan’alahelo amin’ireo izay very fanànana, ary indrindra voatery nandao ny toeram-ponenana noho ny loza mitranga.

Nanao antso ho an’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny tenany “mba hifanampy amin’ireo sahirana, ary hiaraka hanarina ireo fahasimbana izay misy any amin’ny toerana misy ny tsirairay any”, na eo aza ireo rafitra misy eto amin’ny firenena izay natokana hanao ny famonjena maika ireo tra-boina sy ireo niara-doza. Misy ihany koa ny rafim-panjakana natao hanarina haingana ireo fotodrafitr’asa simba, koa inoanay fa efa samy mandray ny andraikiny izy ireo.

Publié dans Politique

Natao androany, sabotsy 25 janoary teo amin’ny « parvis » Analakely ny lanonana ara-miaramila famindrampahefana teo amin’ny vondrona Polisy Monisipaly sy ny Mpamonjy voina ho an’ny Antananarivo Renivohitra.

Ny Commissaire Principal de Police Ostrom Whenss, manomboka izao no lehiben'ny Polisy Monisipaly, ary ny Lieutenant Colonel Razafimanahaka Tiana no lehiben'ny vondrona Mpamonjy Voina

Nilaza ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina fa hanampy azy ireo amin'ny fanatanterahana ny asa, indrindra ara-pitaovana. « Ho hentitra aho amin'ny tsy fanarahan-dalàna », hoy izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Mavesatra ny fahavoazana nateraky ny andro ratsy nitondra rotsak’orana niteraka tondradrano sy nahasimbana fotodrafitrasa maro nanomboka tamin’ny 19 janoary teo.

Raha ny tatitra vonjimaika nataon’ny BNGRC ny fiafaran’ny tolakandro teo dia tafakatra 31 ny isan’ny olona namoy ny ainy, ka tao amin’ny Distrikan’i Mitsinjo ny 14 amin’ireo ary tao amin’ny Distrikan’i Maevatanana ny 9. Miisa 9 hatreto ny olona tsy hita popoka ary 106 846 ireo traboina.

Efitranon-tsekoly miisa 67 no potika tanteraka, 28 hafa nisy fahasimbana. Miisa 18 ireo sekoly nampiantranoana ireo traboina. Manodidina ny 6 600 ireo ankizy tsy afa-mianatra.

 

Publié dans Tselatra

Tanàna maromaro no misedra olana amin'ny famokarana herinaratra vokatry ny andro ratsy izay mampananosarotra ny fivezivezen'ny kamiao mpamatsy solika noho ny lalana ratsy na tapaka mihitsy.

Ritra ny tahirin-tsolika ao amin’ny foibe famokarana herinaratra any Morafenobe Faritra Melaky, ka tapaka tanteraka ny herinaratra noho ny fiara mitondra solika mikatso anaty lalan-dratsy. Mety ho ny fiandohan’ny herinandro iny vao ho tonga any an-toerana ny solika.

Tanàna maro toa an’i Soalala, Besalampy, Andilamena, Ambatondrazaka, Ambatomainty, Tsaratanana, Bealanana, Analalava, Mampikony ary Mandritsara no voatery mampihatra fanapahan-jiro mifandimby vokatry ny fahatapahan'ny lalam-pirenena ka miteraka fahataran'ny famatsiana solika.

 

Publié dans Tselatra

Tapaka eo amin'ireo Fokontanin'i Ambolosy sy Andranonampaga eo anivon'ny Kaominina Ambakireny Distrikan'i Tsaratanana ny RN 33A, vokatry ny andro ratsy nitondra orambe farany teo

Mandray andraikitra feno manoloana ny voina izay mitranga amin'ny fanamboarana ny lalana ny miaramila avy ao amin’ny 322 Compagnie ny 2RM3, araka ny toromariky ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tontosa, androany, ny fametrahana samboady ny Ben'ny tanàna vaovao ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, Rasamimanana Honoré. Ny Minisitry ny serasera sy ny fifandraisana, Lalatiana Rakotondrazafy, no nisolotena ny fitondram-panjakana foibe nametraka azy tamin'izany toerana izany, notronin'ireo solombavambahoaka voafidy tato Vakinankaratra, ary isan'izany ny tompon-tanàna dia ny depiote Jean François Michel.

Nambaran'ity farany fa « tsy hijerena loko politika ny fampandrosoana an'Antsirabe ka dia vonona hifanome tanana izy ireo ». Nankasitrahan'ny minisitra izany ary nambarany fa « Ben'ny tanàna mitovy fijery amin'ny mpitondra no misy izao ka tsy afaka hiala olana amin'izay izy ireo ».

Ho fisantarana izany fiaraha-miasa izany dia nanolotra fiarabe mpitaona fako sy dabam-pako niisa folo, ho an’ny tanànan’Antsirabe, ny fanjakana foibe.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Nitondra fanampiana ho an’ireo faritra miisa fito, izay lasibatry ny rano be vokatry ny andro ratsy iny, ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, amin’ny maha mpiahy ny mponina azy voalohany.

Nanatitra vary 4 taonina, miampy akanjo 2 fatorana, ho an’ireo traboina teny amin’ny biraon’ny BNGRC Antanimora, ny ministera, androany sabotsy 25 janoary. Tonga teny an-toerana nanolotra izany ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy Naharimamy Lucien Irmah, nanao ohatra hitarika an’ireo malala-tanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Distrika isan’ny nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy farany teo Ambatoboeny. Potika ny fambolena toy ny vary, katsaka,voanjo. Maro ny biby fiompy lasan'ny rano. Tapaka ny tetezana eo anelanelan'i Soaniaviana sy Ankijabe. Simba ny lalam-pirenena faha-33 bis.

« Vonjeo Ambatoboeny Tompoko », hoy Rakoto Jean Valérien, Ben’ny tanànan’Ambatoboeny. Miantso ny Filoha sy ny Governemanta ity farany « ho tonga sy hitondra vahaolana, fa indrindra ny sakafo sy ny fanafody ».

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2