Filtrer les éléments par date : jeudi, 23 janvier 2020

Misy ny fandaharan'asa Tana Water III hanatsarana ny famatsian-drano fisotro madio ho an’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.

Misy ny asa fanitarana ny tobim-pamokarana eo Mandroseza. Hisy tobim-pamokarana rano telo vaovao hatsangana manodidina an’Antananarivo ary hampitomboina ny famokaran-drano ao Andekaleka. Hisy ihany koa ny fanavaozana ireo fantson-drano sy fampitomboana ireo paompin-drano manerana ny renivohitra.

Tanjona ny hampiakatra ho 100 000m3 isan’andro ny rano vokarina eto an-drenivohitra mba ho afaka hamaly ny filàn’ny mponina eto Antananarivo.

Publié dans Vaovao

Namela takaitra tamin’ny faritra miisa fito teto Madagasikara ny andro ratsy, nitondra rotsak’orana sy tafio-drivotra izay niteraka fiakaran’ny rano ary koa fahasimbana fotodrafitr’asa maro.

Voakasik’izany ny Faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Betsiboka, Boeny, DIANA, Melaky ary Sofia. Raha ny tatitra vonjimaika nataon’ny BNGRC ny tolakandro teo, mirakitra ny fahavoazana tamin’ireo Faritra ireo dia 19 ireo tsy hita popoka, 13 namoy ny ainy, 47 286 ireo traboina.

Trano miisa 7 786 dibo-drano, 22 nahitana fahasimbana ary 45 ny trano rava.

Nivoaka an-dranomasina teo amin'ny manodidina an'Ambila Lemaintso ny ivon'ilay faritra andro ratsy tamin'ny telo ora sy sasany tolakandro teo. Na izany aza dia mbola hanome rotsak’orana amin'ny faritra Alaotra sy Atsinanana ny andian-drahona miaraka aminy.

 

Publié dans Tselatra

Tonga nijery ireo traboina tao amin'ny fokontany Tsaramasay, Boriboritany fahatelo Antananarivo Renivohitra, androany alakamisy 23 janoary 2020, ny Minisitry ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah, nitarika ny solontenam-panjakana. Nanolotra vary sy voamaina ary trano lay miisa enina ho an’ireo traboina.

Nanamafy ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah fa ho fiatrehana ny mety ho loza vokatry ny toetr'andro ratsy izao fidinana ifotony izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Kitapo miisa 5500 no natolotry ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy arak'Asa ireo mpianatra eny amin'ny toby Akamasoa, tantanan'i Mompera Pedro eny Andralanitra, androany, ho fanohanana ny asa sosialy amin'ny fanabeazana ireo ankizy eny an-toerana.

Manodidina ny 15 000 ny isan’ny mpianatra beazina ao amin'io toby io ankehitriny.

Anisan'ireo sekoly manana vokatra tsara eo anivon'ny CISCO Avaradrano, ZAP Ambohimangakely ny toby Akamasoa eny Andralanitra. Tamin'ny bakalorea farany teo dia nahatratra 92% ny tahan'ny fahafaham-panadinana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

24/100 ny naotin’i Madagasikara mikasika ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny taona 2019, araka ny tatitra nataon’ny Transparency International androany, ka mametraka azy amin’ny laharana faha-158 amin’ny firenena miisa 180 nanaovana fanadihadiana manerantany.

Very isa i Madagasikara miohatra ny tamin’ny taona 2018, izay 25/100 ny naoty nametraka an’i Madagasikara teo amin’ny laharana 152 maneran-tany.

Nanao fanamby ity fitondrana ity vao nijoro fa hiady amin’ny kolikoly ary tsy misy indra fo amin’ireo izay tratra manao izany.

 

Publié dans Sociale

Feno folo taona nijoroany ny Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy Faritany FI.MPI.MA. Frantsa amin'ity taona ity.

Ho fanamarihana izany, dia hikarakara lanonan-dehibe izy ireo ho ivon'ny fankalazana izany faha 10 taona izany, ka hisy ny alin'ny mpikabary miavaka ataon'izy ireo any Frantsa ny volana mey ity taona 2020 ity.

"Asandratro ny teniko, hisondrotan'ny taniko", izay ny teny filamatry ny fikambanana.

 

Publié dans Art et Culture

Anisan'ny fotodrafitrasa iandraiketan’ny orinasam-panjakana mahaleotena mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (S.P.A.T.) ny fanarenana ny trano lehibe (SILO) fitahirizana varimbazaha sy ny potika soja, ilaina amin’ny sakafom-biby.

300 taonina eo ireo vokatra heverina ho azo tehirizina ao amin'ity tranobe vao navaozina ity. Tranobe vita amin’ny simenitra milaro vatokely sy vy ary koa vy fotsy.

Mandeha amin’ny informatika avokoa moa ny fitantanana sy fikirakirana ny fitaovana rehetra ao aminy.

 

 

Publié dans Economie

Dibodrano Alaotra. Mitoka-monina tanteraka Ambatondrazaka, taorian’ny nifaohan’ny rano ny tetezana teo Ankazotsaravola, mialoha ny hidirana ny renivohitry ny Faritra Alaotra.

Samy efa fefiky ny rano ny tanàna ao Ambohijanahary sy Tanambe. Miakatra ihany koa ny rano ao Manakambola, Ambohidava, Manainga Zipo sy eny amin'ny Kafe Feramanga ary toerana maro.

Betsaka ireo trano nirodana any amin'ny Kaominina Imerimandroso ka miantso vonjy amin'ny mpitondra fanjakana ny depiote Fidèle Razara Pierre. Nambarany fa mitondra ny feom-bahoaka ny tenany ka manaitra ny mpitondra amin'izao zava-manjo an'Alaotra izao.

Publié dans Tselatra

Tontosa androany maraina ny famindram-pahefana teo amin-dRtoa Ranivombohangy Lalanirina filohan'ny delegasiona manokana nitantana ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, hatramin'ny naha any am-ponja ny Ben'ny tanàna Paul Razanakolona teo aloha, sy Rasamimanana Honoré Gabriel, Ben’ny tanàna vaovao.

Avy amin'ny vovonana IRK ity Ben'ny tanàna vaovao ity, ary efa mpanolotsain’ny tanàna ihany teo aloha, na tsy dia tazana tamin'ny fivoriana ihany aza. Tsy vaovao amin'ny olana misy ao amin'ny Kaominina ny tenany, toy ny fanadiovana ny tanana, fanarenana ny fotodrafitr'asa isan-karazany, fa indrindra ny karaman'ny mpiasa izay tafakatra ho 12 volana no tsy voaloa, saingy nahavita 2 volana ny delegasiona manokana.

Hatao ny sabotsy 25 janoary 2020 ny lanonana fametrahana samboady amin’ny Ben'ny tanàna vaovao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Vehivavy, Vola Andrianarivo no Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Ambositra, nahavita ny taom-piasana farany Septambra 2015 – Janoary 2020. Vehivavy ihany koa, Haingo Nambinina, ny Ben'ny tanàna vaovao nivoaka mpandresy tamin’ny latsa-bato tamin’ny 27 novambra 2019.

Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta, ary dia mandray ny asa maha Ben'ny tanànan’Ambositra azy Haingo Nambinina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2