Filtrer les éléments par date : lundi, 13 janvier 2020

Niato nanomboka androany ny fampianarana eo anivon'ny lysea maromaro noho tsy nahazoan'ireo mpampianatra an'ilay solom-pehin'akoho natolotry ny filoha Rajoelina, manambara izy ireo fa hiato mandra-pivaha ny olana ny fampianarana, anisan'izany ny LMA Ampefiloha Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Miverina androany faha 13 janoary 2020 ny police de la route, araky ny nambaran'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Polisim-pirenena. Ny eto Antananarivo no voalohany hiverenan'izany police de la route izany, satria teto no nahavita ny fihofanana.

Ny fihofanana any amin'ny faritany dia hanomboka amin'ity herinandro ity.

Voalaza ihany koa fa ny imprimerie nationale no hanota ny atontan-taratasin-tsazy izay manodidina ny roa na telo volana eo ho eo. Mandram-pahatonga an'izay dia hisy ny fiche de contravention provisoire izay noezahina tsy ho mora alain-tahaka, izay 1000 feuillets isaky ny roa herindrandro no avoakan'ny ministera ho an'Antananarivo manokana, ary ihany koa takela-by iray momba ny ady amin'ny kolikoly, miampy an'ireo fitaovana vitsivitsy toy ny fluorescent sy ny fanavaozana ny fanamiana mba ho araka ny toetran'ny andro.

Publié dans Vaovao

Nanao ny sidina voalohany, androany alatsinainy 13 jaonary 2020, ny fiaramanidin’ny kaompania GS Aviations nisantarana ny zotra Antananarivo-Fianarantsoa-Mananjary-Antananarivo, izay niato nanomboka ny taona 2009.

In-dray mandeha isan-kerinandro aloha amin’izao fiandohany izao no misy sidina, isaky ny alatsinainy, ary 470 000 Ariary ny sarandalana ho an’ny olona iray mandroso fotsiny. Santatra ihany ny androany, fa afaka roa na telo volana aorian’izao no hisesy ny sidina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Hiditra an-tsehatra amin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Analakely sy ny manodidina, eto Antananarivo renivohitra, ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely.

Natombok’izy ireo tamin’ny fanentanana ireo tetsy Tsaralalana sy ny manodidina izany androany, sady mampiomana azy ireo mba hiala amin’ireo toerana ka hanatona ny Kaominina hahafataran’izy ireo ny toerana tokony azo hivarotany.

Ny hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy hahafahan’ny mpandeha an-tongotra mandeha eny amin’ny « trottoir » no tanjon’ny fanadiovana lalana ao anaty fanarahan-dalana. Aorian’ny fanentanana dia hiroso hanala ireo mpivarotra ny Polisy manomboka amin’ny herinandro manaraka.

 

 

Publié dans Vaovao

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona eo no maty tampoka tao amin'ny saha iray ao anatin'ny zanabohitra Podium Fokontany Atsimondrova Ambatondrazaka androany alatsinainy 13 janoary maraina.

Tamin'ny 8ora sasany maraina no nisy nampandre ny tompon'ilay saha fa misy olona ao amin'ny taniny. Nidina nijery izany ilay tompona saha ka taitra nahita ilay renim-pianakaviana nilomany nitady rano, ka nampandre avy hatrany ny manodididna. Ireo mpiray vodirindrina avy eo no nanome rano mafana ilay ramatoa, fa ilay tompon'ny saha kosa lasa nampandre ny sefo Fokontany.

Akory ny hatairan’ny sefo Fokontany sy ilay rangahy tompon’ny saha rehefa niverina tao amin'ilay toerana fa tsy nisy aina intsony ilay renim-pianakaviana. Hatramin'ny ora nandefasana ity vaovao ity dia tsy mbola fantatra izay mety fianakavian’ilay ramatoa sy ny mety antony nahafaty azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Namela takaitra tao Isalo, Distrikan’i Vohipeno, faritra Vatovavy Fitovinany, ny haintrano goavana nitranga ny tolakandron’ny sabotsy 11 janoary 2020 lasa teo. Trano manodidina ny 260 no rotiky ny afo, namela traboina miisa 1850 eo. Harena nohariana an-taonany maro ny an’ny ankamaroany no may kila hotohoton’ny afo, lasa lavenona tao anatin’ny in-dray mipi-maso.

Niray hina tamin'ny Fokonolona ny miaramila tamin’ny famonoana ny afo sady nanara-maso ny fahandriampahalemana.

Miantso tolotanana ireo traboina hiatrehana ny fanarenana ny simba.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny alahady 19 janoary 2020 no nofaritan’ny fanjakana hanombohana ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2020. Homarihina eny Tampoketsa, Distrikan’Ankazobe izany amin’io.

Ho an’ny Farita Vakinankaratra dia eo Andranobe Antsirabe no hisantarana ny hetsika amin’io alahady 19 janoary io, ka velarantany 10ha no hovolena zanakazo amin’io fotoana io.

 

Publié dans Tselatra

Midina ifotony mitety Distrika miisa 22 ny mpiasa eo anivon'ny vondron'ny mpiady tia Tanindrazana, ao amin’ny Rezimanta Voalohany etsy Analakely-Antananarivo, mba hanamarinana sy hanisana ireo bekotro maroholatra mbola velon’aina, ambany fiahian'ny foibem-pitondran'ny Mpiady tia Tanindrazana.

Voakasik' izany ny Distrikan’Antanifotsy, Vohipeno, Farafangana, Lalangina, Isandra, Fianarantsoa, Ambalavao Tsienimparihy, Ambohimahasoa, Ambositra, Ifanadina, Manakara, Ikongo, Vangaindrano, Vondrozo, Toamasina, Brickaville, Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Ambatondrazaka, Moramanga, Anosibe an'Ala, Manjakandriana, Marolambo ary Ambovombe.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale