Filtrer les éléments par date : dimanche, 08 septembre 2019

Mpilaza vaovao voalohany tao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) i Gabriel Rabesahala fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Gabhy Rabesahala, 53 taona lasa izay, faha Philibert Tsiranana.

Nitana andraiki-panjana tamin’ny ministera sy andrimpanjakana ihany koa izy fahavelony.Efa Talen’ny TVM ihany koa i Gabhy Rabesahala. Anadahin’i Gisèle Rabesahala izy.

Nodimandry ny alahady 08 septambre 2019 izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Hanomboka ny alatsinainy 9 septambra 2019 ny adina an-tsoratra amin’ny fanadinana BEPC sy ny fifaninanana hidirana taona faha-10.

Maherin’ny 328 200 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana manerana ny Nosy, hiatrika io fanadinana ara-panjakana faharoa amin’ny fanabeazam-pirenena io. Hitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 1 034 izy ireo. Manana fahasembanana (kilemaina, jamba na koa moana marenina) ny 25 amin’ireo kandida.

Hitohy hatramin’ny 12 septambra 2019 ny adina an-tsoratra.

 

Publié dans Sociale

Teny amin’ny toeram-pamakiana vato Mahatazana, miaraka amin’ny Akamasoa, izay sahanin’ny Mompera Pedro Opeka, ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely i Pape Fransoa ny tolakandro teo. Mpiasa roa mianadahy mianaka no nitsena azy tamin-kira tamin’ny anaran’ireo mpiasa 700 mahery, miasa isan’andro eny an-toerana.

Rasoananahary Hanitra Nirina Madeleine, vevivavy 29 taona, no nitondra tenin'ireo mpiasa eny Mahatazana, nisaotra an’i Papa nitsidika mivantana azy ireo sy miady ho an’ny zon’ny mpiasa manerantany. Maniry ny hanjakan’ny rariny sy hitsinjovana ny mahantra.

Publié dans Vaovao

Samy nianatra tao amin’ny fakioltean’ny teôlôjian’ny Zezoita tao Buenos Aires, renivohitr’i Arzantina, i Papa Fransoa sy Mompera Pedro. Mpampiatra itsy voalohany, mpianatra ny faharoa.

Publié dans A la Une

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fitsidihana Apostolika nataon’i Papa Fransoa teto Madagasikara. Teo amin’ny fiahiana ara-pasalamana ireo mpizaika avy amin’ny lafy valon’ny Nosy dia mpitsabo sy mpirotsaka an-tsitrapo 700 mahery no nahetsiky ny ministeran’ny fahasalam-bahoaka.

Ankoatra ny teny Soamandrakizay dia nisy hatrany ireo niandry raharaha tamin’ireo hopitaly teo an-drenivohitra sy ireo tobim-pahasalamana teny manodidina toa ny CSB2 Alarobia, Ambohimanarina …

(Jereo Tohiny Sary Lamesa Soamandrakizay)

 

Publié dans Vaovao

Zaza telo, tafasaraka tamin’ny havany nandritra ny lamesa lehibe notarihin’i Papa Fransoa teny Soamandrakizay, no nangonin’ny Polisy.

Naterin'ny Polisy eny amin-dry masera Capucine ny Amorondria – Sabotsy Namena izy telo mianadahy ireo miandry ny ray aman-dreniny, dia zazavavy kely, 9 taona, avy any Ambohidroa Morarano Chrome sy Bryan, zanak'i Angeline sy Solofo, avy eny Ambatolampy Ambohibao Antananarivo, ary zazavavy kely 14 taona, zanak'i Nadia, avy eny Ambohijanaka – Antananarivo Atsimondrano.

Nanaiky an-tsitrapo nandray an’ireo zaza very ireo ry masera Capucine Amorondria, mandram-piandry ny ray aman-drenin’ireo zaza ireo haka azy eny an-toerana.

 

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 08 septembre 2019 23:07

No comment

No comment.


(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Miisa 19 756 ny isan’ny mpiadina BEPC voasoratra anarana aty amin’ny DREN SAVA, mitsinjara ho 7 053 ato Sambava, 4 357 ao Andapa, 4 266 ho an’i Vohémar ary 4 080 ny an’Antalaha.

 

Publié dans Sociale
dimanche, 08 septembre 2019 22:59

Angletera: Minisitra roa nametra-pialana

Mandalo fotoan-tsarotra ny fitondran’ny praimisitra Boris Johnson, taorian’ny fikasan’ity farany hiala an-jolofo ao amin’ny Vondrona Eoropeana tsy misy fifanarahana. Minisitra roa sahady izao nametra-pialana sady niala tsy mpikambana ao amin’ny antoko « Conservateur » tamin’ity herinandro ity.

Teo i Joseph Edmund Johnson na Jo Johnson, izay zandriny lahy, minisi-panjakana misahana ny raharaha, angovo sy ny stratejia, narahin’ny fametraham-pialan’i Amber Rudd, minisitry ny asa sy ny fisotroan-dronono.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
dimanche, 08 septembre 2019 22:56

Toamasina: Mbola mangina ny OVEC

Hatramin’ny androany, tsy mbola nisy nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna teny amin’ny OVEC Toamasina I.

Raha ny omaly, dia Kaominina miisa 27 amin’ny 1695 no mbola nisy nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna manerana ny nosy.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2