Filtrer les éléments par date : vendredi, 06 septembre 2019

Nitsidika ny « Office de Transmission Militaire de l’Etat » (OTME) eny Andafiavaratra ny Praiminisitra Ntsay Christian androany maraina, anamafisana ny fijerena sy fandrindrana ny asa mikasika ny filaminana sy ny fandriampahalemana mandritra ny fitsidihana Apostolika ataon’i Papa Ray Masina Fransoa , filoham-panjakan’i Vatikana.

Manampy an’ireo ivon-toerana efa miasa amin’ny fanaraha-maso ny filaminana eto Antananarivo eo anivon’ny Foloalindahy, amin’ny alalan’ny fahitalavitra, ny OTME.

Publié dans Vaovao

Mompera Ranivomanalina Marcel, « curé » ao amin’ny EKAR Fiakarana Ambohitrimanjaka – Antananarivo no manao ny fandikan-teny ho an'i Papa Fransoa, mandritry ny fitsidihana pastoraly tanterahiny eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Isany nanamarika ny fitsenana ny fotoana nahatongavan’i Papa Fransoa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato androany tolakandron’ny zoma 6 septambra 2019, ny fanolorana fehezam-boninkazo ho azy, marika fa tonga soa eto Madagasikara izy.

Voafidy hisolontena ny ankizy Malagasy, nanolotra ny fehezam-boninkazo ho an'i Papa Ray Masina, i Lahiniriko Norvé, zazalahy 12 taona avy any Mahabo Diosezin’i Morondava sy Andriamanantena Anja, zazavavy kely 10 taona avy ato amin’ny Diosezin’Antananarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Nigadona teny Ivato androany 06 septambra tamin'ny 4ora tolakandro ny Papa ray Masina.

Publié dans A la Une

« Ela », « Lafo ». Santionany amin’ny fitarainan’ireo olona manomana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina amin’ny fifidianana hatao amin’ny 27 novambra 2019 ireo, amin’ny fanamboarana « Casier judiciaire » ao amin’ny Fitsarana.

Miha atomotra ihany ny datin’ny 12 septambra 2019, ikatonan’ny fametrahana antontan-taratasy eny anivon’ny OVEC. Maniry ireo mpirotsaka hofidiana ny hanafainganana ny famoahana « Casier judiciaire », izay iray amin’ireo antontan-taratasy ilaina hamenoana ny dosie.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanatitra ny taratasy firotsahan-kofidiany ho Ben'ny tanànan’i Ivato, tetsy amin'ny OVEC Ambohidratrimo androany misandratr’andro i Penjy Randrianarisoa ; notronin'ireo mpiara-dia aminy.

Ben’ny tanàna amperinasa i Penjy Randrianarisoa. Firotsahan-kofidiana faharoa ny azy izao. Kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara eny amin’ny Kaominina Ivato, vavahadin’i Madagasikara izy.

 

 

Publié dans Politique

Higadona anio tolakandro eto Madagasikara ny Papa Fransoa, hanomboka ny fitsidihana pastoraly ataony eto Madagasikara rehefa avy atsy Mozambika.

Izy no Ray Masina Katôlika faharoa mitsidika an’i Madagasikara tato anatin’ny telopolo taona, taorian’i Papa Joany Paoly II.

Misy fandaminana sy fandrindrana ny fifamoivoizana mandritra ireo andro ivahinianan’i Papa Fransoa eto ny 6 hatramin’ny 10 septambra ho avy izao.

Amin’ity 6 septambra ity, manomboka ny fiandohan’ny tolakandro dia ho tapaka ny lalana Aéroport Ivato sy ny manodidina, lalam-baovao miainga eny amin’ny Aéroport miazo an’i Tsarasaotra, hatreny amin’ny Nonciature Ivandry sy ny manodidina rehetra.

 

Publié dans Tselatra

Niala ny lalana, ary nifatratra tamin’ny hazo ny fiara Sprinter iray, nitondra mpino avy any Antsiranana hiazo an’Antananarivo, hamonjy ny fitsidihana pastoraly ataon’i Papa Fransoa eto Madagasikara. Androany maraina no nitranga ny loza, teo Antranonkarany atsimon’ny tanànan’Ambanja, amin’ny lalam-pirenena faha-6.

Tao Maherivaratra, avaratr'Ambanja, ny loza faharoa. Androany vao maraina ihany koa no nisehoany.

Tsy nisy ny aina nafoy, tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Ambanja ireo naratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Emmerson Mnangagwa, filohan’i Zimbabwe, no nanao ny fanambarana androany fa nindaosin’ny fahafatesana i Robert Mugabe na "Comrade Bob" anarana fiantson’ireo mpiaradia aminy.

Publié dans A la Une
vendredi, 06 septembre 2019 08:28

Visite Pape: Route coupée à la circulation

Visite Pape: Route coupée à la circulation

Publié dans Fil info