Filtrer les éléments par date : dimanche, 29 septembre 2019

Niondrika tamin'ny isa 1 noho 3 ny Fosa Junior (Madagasikara) nanoloana ny Tout Puissant Mazembe (RDC), androany alahady 29 septambra 2019, nandritra ny lalao miverina amin'ny fiadiana ny Amboaran'ny Kaofederasiona Afrikanina amin'ny baolina kitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Tao Antalaha no nanatanterahana ny lanonana fametrahana ny samboadin'ireo solombavam-bahoaka voafidy tato amin'ny Faritra SAVA omaly, sabotsy 28 septambra 2019, nahitana an-Rabenary Jean (Andapa), Mamangy Norbert sy Ramilison Ange Richard (Sambava), Nasira Julien (Antalaha) ary Edizara (Vohémar).

Ady amin'ny kolikoly no vaindohan-draharaha hoy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Antalaha. "Ny depiote aty SAVA dia vonona hanampy ny filoham-pirenena hiady amin'ny kolikoly, omaly ihany izaho tao Ambatofisaka Antalaha dia efa nahazo sary polisy nandray vola tamin'ny mpitondra moto nandritra ny fisavana nataony. 89% ny olona tonga tao aminay dia voaporofo fa ny kolikoly no fototry ny olana mianjady amin'izy ireo. Mino aho fa raha voafoanantsika io kolikoly io dia handroso ny Faritra SAVA'', hoy izy.

Publié dans Vaovao

Tonga teny Andralanitra nanotrona ny fankazalana ny faha-30 taonan’ny Akamasoa, tantanan’ny Mompera Pedro ny filoham-pirenena Andry Rajoelina io tolakandro io. Nanolotra fanafody aman-taoniny ho an’ny Akamasoa ny filoha, ary nampanantena fa hitohy tsy tapaka izany tohana ara-panafody izany. Hananganana oniversite eny an-toerana manomboka amin’ity taona ity.

Notoloran’ny fanjakana mariboninahi-pirenena ambony "Grand Croix de 2e classe de l'Ordre National Malagasy" ihany koa i Mompera Pedro ho fankasitrahana ny asa soa nataony teto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
dimanche, 29 septembre 2019 15:46

Gouvernorat, tant qu'on y est !

Gouverneur au lieu de chef de région, que cache ce changement de dénomination décidé à la va-vite par l’administration Rajoelina ? Si l’on revient à la Constitution de 2010, celle de la 4ème République, on constate à l’article 3 : « la République de Madagascar est un Etat reposant sur un système de Collectivités Territoriales Décentralisées composées de Communes, de Régions et des Provinces dont les compétences et les principes d’autonomie administrative et financière sont garantis par la Constitution et définis par la Loi ».

Ainsi au Titre V de ladite Constitution, celui de l'organisation territoriale de l'État à son Sous-titre premier: des dispositions générales, il est inscrit à l’article 143, « Les Collectivités Territoriales décentralisées de la République sont les Communes, les Régions et les Provinces ».

Publié dans Editorial
dimanche, 29 septembre 2019 14:11

29 septembre: Journée Mondiale du cœur

29 septembre: Journée Mondiale du cœur.

 

Publié dans Fil info

29 septembre: Journée Mondiale du migrant et du réfugié.

 

Publié dans Fil info

Manamafy ireo mpivarotra eto Moramanga fa tena betsaka ireo dosie ireo, ary ny sasany aza mbola miaraka amin'ny sary tapaka.

Publié dans A la Une

Tsy misy ny « appel d'offre » mba handraisana anjara amin’ny asa, ny « crédit » an’ny fanjakana tsy misokatra. Efa amam-bolana maro no niainanay izany. Sempotra izahay, hoy ireo mpandraharaha aty Toliara, nefa mba toy olona rehetra ihany mamelona vady aman-janaka, ary ny ankizy tsy mahalala izany tsy fisiana izany.

 

Publié dans Economie

Nijery ny toerana hametrahana ny "Campus Universitaire" sy ireo toerana ianaran'ireo mpianatra ambaratonga ambony ao amin'ny ISTMen ao amin'ny port Morondava sy Bemokijy, ny ISCAMEN, ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Blanche Nirina Richard.

Tao anatin'nizany no nanolorany solaitrabe ho an'ny mpianatra ao amin'ny IST Bemokijy. Nampanantena ihany koa ny minisitra fa hojerena ny tombotsoa ara-pahasalamana ho an'ny mpiasa rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra