Filtrer les éléments par date : lundi, 16 septembre 2019
lundi, 16 septembre 2019 22:39

On ne peut qu'admirer, fenomanana

On ne peut qu'admirer, fenomanana

(Voir Suite Photo)

Publié dans Art et Culture

Efa manomboka ny fanadiovana sy fanalana ny fasika sy atsanga ao anatin'ny Canal des Pangalanes, izay natomboka avy aty Toamasina.

Tsy mahavita 500m akory, dia mikatso ny helice 2 mampandeha ny milina, fa feno fako, pneu, gony. Miditra an-tsehatra ireo mpijoboka anaty rano manala izany. tsy lasa alavitra akory, dia feno fako indray, dia toy izany hatrany.

Hitan'ny rehetra ihany koa ny menaka maloto, ny gazoil maimbo, sy ireo fako ary loton'ny ozinina, ariana ao anatin'ity lakandranon'ny Pangalanes ity. Na ireo olo-be an-tanàna aza dia efa tsy mahateny ireto tompon'orinasa vavety manary loto tsy manaja tontolo iainana ity, ka dia samy mifampibisibisika sisa hoe, efa hitan'ny Filoham-pirenena izy io, ka mety izy sisa no ahateny sy anasazy ireo mpandoto ny rano izay misy misotro, sy midio aminy io.

Ny trondro dia maty ho azy, nefa mbola amidin'ny olona ihany, ka efa any ambilany vao heno maimbo pétrole sy gazoil, savony, ary menaka maloto.

Mitaraina mangidihidy ihany koa ireo mponina manodidina amin'ny fampiasana ny rano.

Publié dans Economie
lundi, 16 septembre 2019 15:56

No comment

Entre Ambatofitorahana et Camp Robin en direction de Fianarantsoa.

(Voir Suite Photo)

 

Publié dans Fil info

Hotanterahina ny alarobia 23 sy alakamisy 24 oktobra 2019 ny fifaninanana hidirana taona voalohany ao amin’ny Institut supérieur de Technologie d'Antananarivo (IST-T).

Hifarana amin’ny sabotsy 21 septambra 2019 amin’ny mitatao vovonana ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana ity.

Bakalorea no diplaoma farafahakeliny takiana amin’ny mpifaninana, ary 25 taona raha zokiny indrindra. Ekena hifaninana anefa ireo tanora vao hiatrika bakalôrea amin’ity taona 2019 ity, saingy misy taratasy fenoin’izy ireo.

Sanganehana ireto tanora vao hiatrika bakalôrea 2019 ireto, izay maro no maniry hanohy fianarana eny amin’ny IST-T. Hatao ny 30 septambra 2019 ka hatramin’ny 04 oktobra 2019 ny adina an-tsoratra ho an’ny bakalôrea sokajy ankapobeny, sy ny andiany voalohany (Première série) ho an’ny sokajy teknika. Hitohy ny 07 oktobra 2019 ka hatramin’ny 10 oktobra 2019 ny « Deuxième série » ho an’ireo mpiadina bakalôrea sokajy teknika sy teknôlôjika.

Publié dans Sociale

Moana ny lalàna manoloana ireo solombavambahoaka mirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna ka tsy voafidy, nefa mbola anatin’ny fe-potoana iasany. Ny hany ambaran’ny Lalampanorenana, ao amin’ny andininy faha-71, dia tsy azo ampirafesina amin’ny asam-panjakana, na olom-boafidy hafa ankoatra ny asa fampianarana ny maha solombavambahoaka.

Azo atao didy fakan-tahaka anefa ny tranga tao Fianarantsoa tamin’ny 2015. Solombavambavambahoaka amperinasa voafidy tao Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania, avy amin’ny MAPAR, Razanamahasoa Christine, no narotsak’io vovonana politika io ho kandida Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa tamin’ny fifidianana natao ny 31 jolay 2015.

Publié dans Politique

Nisafidy ny Tafika Malagasy ny 28 tamin’ireo manamboninahitra andiany faha-40, nivoaka avy ao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ary nisafidy ho Zandary kosa ny 27.

Natao ny alakamisy 12 septambra 2019 teo ny fanamafisana ny safidin’izy ireo.

Nanambara ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’ny lahateniny fa « tokony hanana fahendrena, fitondrantena mendrika, fahaiza-manao amin'ny maha-miaramila ny tsirairay, ary indrindra ny fanajana ny Ambaratonga isan-tsokajiny ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nifarana omaly ny Rallye Tour de Tanà nokarakarain’ny Asa Tana. Andiany faha-19 ny tamin’ity, 30 ny fiara nandray fiaingana. Niala an-daharana avokoa ny androatokony.

Nibata ny fandresena i Fred sy Andry Tahina avy amin'ny klioba ASACM, nitondra Subaru Impreza, narahin’i Rivo sy Ando (FMMSAM - Subaru Impreza). Ny ekipazy Sitraka sy Rado (FMMSAM - Subaru Impreza) no teo amin’ny laharana fahatelo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nitady fiara "CRAFTER semi-vitré" (mitovitovy amin'ireny sprinter ireny fa VW) ity mpandraharaha iray, ka nanao filazana tamin'ny tambazotra-tserasera facebook izany filany izany.

Publié dans A la Une

Niteraka resabe an-gazety, tamin’ny haino aman-jery sy tambazotran-tserasera sôsialy ny fanenjehan’ny fanjakana mpanao gazety telo mianadahy sy Tale iray ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, noho ny famoaham-baovao nataon’izy ireo mikasika ny fitsofohan’ny helikoptera an’ny Tafika tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina tamin’ny 30 aogositra 2019 iny.

Publié dans A la Une
lundi, 16 septembre 2019 08:30

16 septembre

Journée Internationale de la protection de la couche d'ozone.

 

Publié dans Fil info