Filtrer les éléments par date : mardi, 10 septembre 2019

Ny nosy Maorisy no namarana tanteraka ny fitsidihana Apostolika faha-31 nataon’i Papa Fransoa. Omaly izy no nitarika lamesa lehibe tao Port Louis, ary niverina teto Madagasikara ihany ny hariva.

Publié dans A la Une

Hotanterahina manomboka ny alakamisy 12 septambra izao ny Rallye « Tour de Tana » andiany faha-19. Miisa 30 ireo fiara handray ny fiaingana hifaninana amin’izany.

 

Publié dans Sport

Nilamina ny fanombohan’ny fanadinana BEPC tamin’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa fito ato amin’ny faritra Vakinankaratra omaly alatsinainy 09 septambra, hoy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena, ny fanofanana teknika sy arak’asa DRENTP Vakinankaratra, Rakotoarimanana Heriniaina.

Miisa 21 467 ny mpiadina voasoratra anarana ka ato amin’ny Cisco Antsirabe ny 5 706 amin’ireo. Mitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 78 manerana ny faritra izy ireo. 9 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina, izay avy any amin’ny Cisco Mandoto, ary 51 taona no zokiny indrindra avy ao Betafo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Mihisatra ny fanaterana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina eny anivon’ny OVEC manerana ny Nosy. Raha ny omaly hariva dia Kaominina miisa 81 amin’ny 1695 no misy mpirotsaka ho fidiana, ka kandida tsy miankina ny 75 amin’ireo.

Nanentana ireo antoko sy vondrona antoko ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, tamin’ny alalan’ny mpampakateny ankapobeny Razafindraibe Ernest, mba tsy hiandry ny fotoana farany ny 12 septambra 2019, amin’ny 5 ora hariva, hikatonan’ny fandraisana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana eny anivon’ny OVEC, sao misy tsy fahampiana dosie ka ho tara na mety hitarika tsy fahafaha-mifaninana amin’ny fifidianana.

 

Publié dans Politique

À l’échelle mondiale, on estime qu’un suicide a lieu toutes les 40 secondes et une tentative toutes les 3 secondes, ce qui correspond à un million de suicides chaque année, un million de vies perdues...

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2