Filtrer les éléments par date : samedi, 03 août 2019
samedi, 03 août 2019 15:53
Sambava: Zandary iray miady amin'ny fahafatesana
Naratra mafy voatifitr'ireo dahalo mpanao fanafihana mitam-basy mampihorohoro an'i Sambava ny Zandary iray.
Tokony tamin'ny 2ora maraina no nitrangan'izany fanafihana izany, tao amin'ny tanàna vao niforona antsoina hoe Tsaramasoandro.
Avy namita iraka tany Cap Est ity Zandary ity, ka izy andalana hiverina any Amboangibe, natory tao amin'ny fianakaviany no izao nisy nitifitra izao.
Publié dans
Tselatra