Filtrer les éléments par date : mardi, 13 août 2019

Hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimierandolona taorian’ny fametraham-pialan’ny Senatera Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle.

Senatera notendren’ny filohan’ny Repoblika ity farany, nirotsaka hofidiana solombavambahoaka tao Maevatanana tamin’ny lisitra tsy miankina izy, tamin’ny fifidianana natao ny 27 mey 2019, ary voafidy ka isan’ireo mandrafitra ny Antenimieram-pirenena mandritra ny dimy taona.

Araka ny didy 49-HCC/AR navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 13 aogositra 2019, ao amin’ny andininy faharoa, dia omem-pahefana ny filohan’ny Repoblika hanendry Senatera vaovao ho solon’ity Senatera voafidy ho depiote ity, hamenoana ny banga.

 

Publié dans Politique

Tato anatin’ny roa andro izao dia mihenahena any ambon’ny 4 100 Ariary ny Euro iray, ary any ambonin’ny 3 665 Ariary ny Dôlara amerikanina iray. Tamin’ity androany ity izao dia 4 100,62 Ariary ny Euro iray, ary 3 669,85 Ariary ny Dôlara iray, amin’ny sandam-pifanakalozana vola.

 

Publié dans Economie

La torture est un acte inexplicable et horrible, généralement caché par le secret et jouissant de l’impunité, qui ignore les valeurs humanitaires fondamentales et dévalorise l’individu.

La date du 26 juin a été proclamée Journée internationale pour le soutien aux victimes de la torture. Cette année, sa célébration à Madagascar est marquée d’une pierre blanche par la CNIDH (Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme) et l’Association des Chrétiens pour l'abolition de la torture (ACAT) Madagascar, en collaboration avec le Haut-commissariat des Nations-Unies aux Droits de l’Homme, par l’organisation d’un atelier de réflexion qui se tient ce 13 août 2019 au siège du système des Nations Unies à Andraharo. Cette table-ronde s’articule à des visites de prison illustrées d’expositions qui se sont déroulées au mois de juillet.

Publié dans Sociale

Hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena taorian’ny fanendrena an’ny depiote isany Naharimamy Lucien Irmah sy Volahaingo Marie Thérèse ho mpikambana ao amin’ny governemanta Ntsay Christian.

Araka ny didy laharana 48-HCC/AR navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 13 aogositra 2019 dia i Famindra Justin, izay faharoa tao amin’ny lisitra « Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » tao Toamasina I, no solombavambahoakan’i Toamasina I eo anivon’ny Antenimieram-pirenana, misolo toerana an’i Naharimamy Lucien Irmah izay voatendry ho minisitry ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy.

Publié dans Politique

Notokanana androany teny amin'ny LA CITY Ivandry ny toerana hoan'ny haikanto sy ny kolontsaina malagasy, izay mitondra ny anarana hoe CITY AR'T. Tonga nanatontosa izany ny avy amin'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina tamin'ny alalan'ny ramatoa minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO sy Andriamatoa Danil Ismael, filoha mpanorina ny vondron'orinasa SMTP.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Nanao valandresaka ho an'ny mpanao gazety ny teo anivon'ny ministeran'ny fahasalamana, izay natao tao amin'ny HJRA Anosy, mahakasika ny aretina HEMOPHILES na ny fijininihin'ny rà lava.

Nanazava mahakasika izany moa ireo tompon'andraikitra ary
nilaza izy ireo fa azo tsaboina sy sorohina tsara io fijinihin'ny rà io.
Misy ny tetik'asa manamora ny fitsaboana izany eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mardi, 13 août 2019 14:00

13 août

Journée internationale des gauchers.
(Voir Suite Galerie Photos)

 

 

Publié dans Fil info

Hitsidika an’i Madagasikara ny Papa François ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra 2019. Efa nampahafantarin’ny mpikarakara, ny fandaharam-potoanany, mandritra ny diany eto. Fanontaniana tsy mbola nahazoam-baliny kosa hatreto ny amin’ny « Papamobile » na ny fiara hitondra an’i Papa François amin’ireo fotoana ireo, indrindra amin’ny fahatongavany manoloana ny mpino maro ho avy eny Soamandrakizay-Androhibe mandritra ny lamesa lehibe hotarihiny ny alahady 8 septambra 2019.

Papa Katolika faharoa hitsidika an’i Madagasikara i Papa François. Telopolo taona lasa izay, ny taona 1989, no nitsidika teto i Papa Joany Paoly II. Fiara Karenjy « Mazana I » no "papamobile" nitondra an’i Papa Joany Paoly II tamin’io.

Mbola voatahiry tsara ao Fianarantsoa io fiara io ary naseho vahoaka nanoloana ny Katedraly Ambozontany tamin'ny aprily 2014, fotoana fanandratana ho Olomasina an'i Papa Joany Paoly II.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao