Filtrer les éléments par date : lundi, 12 août 2019

Tontosa ny sabotsy 10 aogositra 2019 ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana ny filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara. Roa ny kandida no nahazo vato ambony taorian’ny fihodinana voalohany natao tamin’ny 29 jona 2019, dia Me Chantal Razafinarivo sy Me Guy Jeannot.

Nahazo vato 321, izay vato be indrindra, i Me Razafinarivo Chantal, latsaka efatra tamin’ny vato azony no azon’ny mpifaninana taminy. Me Razafinarivo Chantal no voafidy ho filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava hiasa mandritra ny roa taona, mandimby toerana an’i Me Raharison Hubert.

Be traikefa, na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Me Razafinarivo Chantal. Tamin’ny 1986 izy no nanao fihanianana ho Mpisolovava. Me Razafinarivo Chantal no vehivavy voalohany, voafidy amin’io andraikitra filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava io.

Enina ireo kandida nifaninana tamin’io toeran’ny filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava io, dia Me Razafinarivo Chantal, Me Ramanandraibe Ihariravaka, Me Andrianahaga Eric, Me Ramanarivo Alain, Me Guy Jeannot ary Me Ravelonarivo Eddie Alain.

 

Publié dans Vaovao

Nanao fivoriana tao amin’ny CEG PK3 Antsiranana, ny sabotsy 10 aogositra 2019 teo, ireo ENF (Enseignant Non Fonctionnaire) avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antsiranana I sy Antsiranana II, ho fanadiovana ny lisitra handraisana ho mpiasam-panjakana.

Nitarika ny fivoriana ny mpandrindram-paritry ny SEMPAMA Nosy aty DIANA sy ireo Sekretera jeneralin’ny SEMPAMA Nosy ao Antsiranana I sy Antsiranana II ary ny biraom-paritry ny ENF DIANA.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Vaky ambatolampy tamin’ny aprily 2018 ny fanodinkodinam- bola teo amin’ny iray hetsy sy iray tapitrisa euro eo, vola fanampian’ny Croix Rouge Norvezianina teo anelanelan’ny taona 2012 sy 2017, taorian’ny fanadihadiana natao.

Tonga teny amin’ny Bianco ny raharaha, ary notsaraina tao amin’ny Pôle Anti-Corruption ny herinandro lasa teo. Nivoaka ny didy, managadra efa-taona an-tranomaizina tomponandraikitra maromaro tao amin’ny Croix Rouge Malagasy, anisany ny filohany teo aloha, ny Sekretera jeneraliny teo aloha, mpikajy volan’ny Croix Rouge Malagasy. Misy nahazo fahafahana vonjimaika, noho izy ireo irakiraka.

Efa eny amin’ny fonjan’Antanimora ny ankamaroan’ireo voapanga. Namoahana didy fampisamborana nandritra ny fotoam-pitsarana kosa ny filohan’ny Croix Rouge Malagasy teo aloha.

 

Publié dans Vaovao

Haharitra 12 andro, manomboka amin’ity 12 aogositra 2019 ity, ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Lahadinika amin’izany ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna 2011-013 nasiam-panitsiana, mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara.

Lalàna efa lany tamin’ny 2011, ary nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, fa tsy mbola namoahana didy fampiharana ity averina hodinihina eny anivon’ny Parlemanta ity.

Mandritra ity fotoam-pivoriana ity ihany koa no handrosoan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Ho an’ny Antenimieram-pirenena manokana dia isan’ny lahadinika ny fanitsiana ny Fitsipika anatiny.

 

Publié dans Tselatra

12 août: Journée mondiale des éléphants

 

Publié dans Fil info

12 août: Journée Internationale de la jeunesse

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2