Filtrer les éléments par date : lundi, 12 août 2019

Notoloran'ny Filoham-pirenena mari-boninahitra ireto mpanao fanatanjahantena sy mpanazatra azy ireo androany 12 aogositra 2019, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Miisa 13 ireo Atleta nahazo medaly volamena mihoatra ny roa izay nosalorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’Ordre national”. Atleta 78 nahazo medaly volamena nahazo ny mari-boninahitra « Commandeur de l'Ordre de Mérite Sportif », 61 medaly volafotsy nahazo ny « Officier de l'ordre du mérite sportif », ary 63 medaly alimo nahazo ny « Chevalier de l'ordre du mérite sportif ».

« Mampirisika hatrany ny mpanao fanatanjahantena aho », hoy ny Filoham-pirenena ka « nampitomboina avo efatra heny ihany koa ny fandrisika an'ireo Atleta sy mpanazatra amin'ity taona ity ka mahatratra 305.750.000 Ariary ny totalin'izany ». Efa nampitomboina ihany koa ny teti-bolam-panjakana natokana ho an’ny fanatanjahantena mba hanatsarana ny fanomanan’ireo Atleta hiatrika fifaninanana na nasionaly izany na iraisam-pirenena.

Publié dans Sport

Notanterahana androany 12 aogositra 2019 ny fanokafana ofisialy ny hetsika Fanamafisana ny Andron’ny Vaksiny ho famongorana ny lefakozatra na « polio », ho an’ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Andiany faha-15 ny amin’ity, ka Distrika 55 ao anatin’ny faritra 10 marefo indrindra eto amin’ny Nosy no anatanterahana ny hetsika ny 12 ka hatramin’ny 14 aogositra 2019.

“Hifanome tànana isika hamongotra ny Polio”, izany no lohahevitra amin’izao hetsika Fanamafisana ny Andron’ny Vaksiny fanefitra ny poliomielita andiany faha-15 izao.

Nahazo ny sata « Madagasikara, firenena afaka amin’ny aretina polio » isika tamin’ny Jona 2018, noho ny ezaka natao manoloana ny famongorana ny polio. Na izany aza anefa, mitohy hatrany ny hetsika Fanamafisana ny Andron’ny Vaksiny miaro amin’ity aretina ity hampitomboana ny tahan’ny hery fiarovana efa ananan’ny zaza.

(Sary nindramina)

Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote

Publié dans Sociale

Fiara Sprinter nipetraka tao anaty garazy teny Ikianja Ambohimangakely, no nisy nangalatra ny 03 aogositra 2019. Nofitahin’ireo mpangalatra ny “gardien”, nolazaina fa hitondra marary ilay fiara. Nanomboka teo no tsy hita ilay fiara.

Nanao ny fikarohana ny Zandary avy amin'ny tobim-paritra Soamanandrariny. Nisy ny olona telo noahiahiana taorin’izay ka nosamborina sy natolotra ny Fitsarana. Naiditra am-ponja vonjimaika tany Tsiafahy ny iray tamin’ireo, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa.

Teny amin’ny faritra Ambohidratrimo no hita ilay fiara ny 09 aogositra 2019, ka nidina teny ny Zandary ary tratra tao anaty tanànan’olona ilay fiara ; olona maromaro no voasambotra. Tany Ankazobe no nisamborana ny lehilahy iray atidohan’ity halatra fiara ity. Miisa fito mianadahy no voasambotra tamin’ity raharaha ity.

Natolotra ny Fitsarana teny Anosy androany izy ireo, ary nivoaka ny didy ka roa nidoboka any Tsiafahy, efatra Antanimora, iray nahazo fahafahana vonjimaika.

Efa naverina amin’ny tompony kosa ilay fiara.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihan-dahalo tao an-tanan'i Besakoa, Fokontany Analasoa, Kaominina Tsaraitso, Disitrikan'i Betroka ny 08 aogositra 2019. Toerana somary atsinanana tsy lavitra ny tampon-tanànan'i Betroka izy ity, ary nahazo fandrahonana misesy ataon'ireo dahalo.

Niaro tena ny Fokonolona, ka notsenain'ny balan'ny tompon'omby teo amin’ny fony ilay dahalo voalohany namoha valan'omby ka maty tsy tra-drano. Nisy dahalo iray hafa ihany koa voatifitra saingy nentin’ireo efa-dahy namany nandositra.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato ny zoma 09 aogositra lasa teo ny lanonana namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo inspekteran’ny ladoany mandrafitra ny andiany « FANEVA », rehefa niofana nandritra ny 18 volana. Ray mpiahy ity andiany ity ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Publié dans Economie

Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara afaka roa herinandro ny CEPE izay fanadinam-panjakana voalohany atrehin’ny mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana malagasy.

Betsaka ny fitarainana re amin’izao fotoana fa betsaka amin’ireo mpampianatra « subventionné » no tsy mbola nandray tambinkarama hatramin’izao, ary efa volana maromaro izay.

Hatramin’izao ihany koa, manjavozavo ny « vacation » an’ireo mpanadina fanadinana, ka anairan’izy ireo ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa, mba hampizotra tsara ny fanadinana, ka hampitony saina ireo mpianatra hiatrika fanadinana sy ny ray aman-drenin’izy ireo.

 

Publié dans Sociale

« Eid-al adha », « La grande fête », « Fête du sacrifice ». Andro manandanja ho an’ny mpino Silamo io. Nitontona 11 aogositra izy tamin’ity taona 2019 ity. Nankalaza izany ny mpino Silamo teto Ambatoboeny, izay notanterahina teo amin’ny Kianja Gabriel Razafintsalama.

Taorian’ny vavaka dia nisy ny karnavaly, sorona, fifaninanana samihafa nataon'ireo mpianatry ny « madrassa » izay sekoly fandalinana Korany ary lalao baolina kitra. Fiaraha-mikorana sy fizarana loka ho an’ireo mpandresy no namarana ny fety.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture
lundi, 12 août 2019 16:05

Antsirabe: Tafidina 0°C ny maripana

Mangatsiaka ny andro aty afovoantany. Nidina ambanin’ny 10°C ny maripana ambany saika mandritra ity herinandro ity. Raha ny tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra izao tamin’ity androany ity dia teo amin’ny 0°C ny maripana tamin’ny 6ora sy sasany maraina.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina ireo mpiasa aman-taonany maro, nahavita be teo anivon’ny Lalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est) efa lasa nisotro ronono fa tsy mbola nisitraka ny fisotroan-dronono ny ankamaroan’izy ireo nanomboka ny taona 2012 ka hatram’izao. Misy no efa nindaosin’ny fahafatesana, tsy nisitraka akory io valin-kasasarany io.

 

Publié dans Sociale

Nisokatra androany 12 aogositra 2019 atoandro ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, handinihana ny fanitsiana ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena, ny fanitsiana ny lalàna 2011-013 mikasina ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, ary fanoloran’ny praiminisitra ny Politika ankapoben’ny fanjakana.

Fa nanamarika ity fotoam-panokafana ny fivoriana androany ity, noho izy tranga tsy mpiseho eny Tsimbazaza, ny fanolorana ampahibemaso nanoloana ireo solontenan’ny andrimpanjakana notarihin’ny praiminisitra, ireo solombavambahoaka, ary ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena an-dRandriamahafanjary Andriamitarijato Calvin, Sekretera jeneraly vaovaon’ny Antenimieram-pirenena.

Mpiasan’ny Antenimieram-pirenena ary efa nitana ny andraikitry ny Sekretera jeneraly nandritra ny roapolo taona tao Tsimbazaza i Randriamahafanjary Calvin. Nosoloina an’i Befourouack William (niasa roa taona) avy eo Ratsimba Andrianaivo Mamy (niasa roa taona) izy, nandritra ny naha filohan’ny Antenimieram-pirenena an’i Rakotomamonjy Jean Max. Nomena andraikitra « Inspecteur Général de l’Assemblée Nationale » i Randriamahafanjary Calvin nandritra ny fe-potoana niasan’ny Antenimieram-pirenena farany.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2