Filtrer les éléments par date : vendredi, 05 juillet 2019

Nitrangana halatr'omby 45 tao Tovobato, Kaominina Fotadrevo, Distrika Ampanihy Andrefana, ny alarobia teo. Vao nahazo fanairana ny Tobi-paritry ny Zandarimaria (Brigady) tao Fotadrevo dia nanao fanarahan-dia avy hatrany ny Zandary miisa valo sy Tafika malagasy miisa roa, izay notarihin'ny Komandin'ny Brigady.

Tsy lasa lavitra akory ireo dahalo dia raikitra ny fifandonana, nifamaliana tifitra teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny dahalo. Dahalo roa no lavo, 13 voasambo-belona niaraka tamin'ireo basy enina sy karazan'ody ary fitaovana samihafa.

Tafaverina amin'ny tompony avokoa ny omby 45.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Talem-paritra miisa 10 (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Vatovavy fito Vinany, Melaky, Sofia ary Analamanga) eo anivon’ny Ministeran’ny Angovo, ny Rano ary ny Ankoranafo (MEEH) no nahazo fampitaovana (solosaina sns...) avy amin’ny Unicef, hanatsarana sy hanafainganana ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nanatanteraka hetsika fizarana Titra fananan-tany faobe tao amin'ny Distrika Andramasina, Faritra Analamanga ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy ny alarobia 03 jolay 2019.

Titra fananan-tany miisa 618 no nozaraina tamin’izany, ka ny 397 amin'izany dia lehilahy no misitraka azy ary ny 221 dia vehivavy. Kaominina dimy ao amin'ny Distrika Andramasina no voakasik'ity hetsika ity, dia ny Kaominina Ambohimiadana, Fitsinjovana Bakaro, Anosibe Trimolaharano, Moraranosoa Firaisana ary Tankafatra.

Publié dans Sociale

Hotanterahina aty Sainte-Marie ny 11 hatramin’ny 14 jolay 2019 ny « Festival des baleines ». Andiany faha-4 ny amin’ity taona ity.

Rehefa volana jolay toy izao dia mamonjy ny ranomasina mafana ny « baleine » na trozona na zagnaharibe, miteraka sy mitaiza ny zanany. Mifanojo amin’izay indrindra ny isian’ny « Festival des baleines ».

Any amin’ny faramparan’ny volana septambra any indray ireo « baleine » ireo no miverina mamonjy faritra mangatsiaka any amin’ny tendrontany atsimo na « Antarctique ».

 

Publié dans Vaovao

Hatreny amin'ny Fokontany eny ahitana mpivarotra sarin'ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny baolina kitra na Barea an'i Madagasikara. Mandeha ny tsena amin'izao ankatoky ny lalao hifanandrinan'ny Barea amin'ny Léopard RDC ny alahady 7 jolay 2019 izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Nitsahatra nanomboka androany maraina ny asan’ny SAMADA (Sûreté Aéroportuaire de Madagascar). Misahana ny fiarovana eny amin’ny seranam-piaramanidina miisa valo eto Madagasikara, ka anisany ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ity orinasa tsy miankina ity, izay tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina no nisahanany io asa io.

Mampiasa olona 600 eo manerana ny Nosy ny SAMADA. An-dranomaso ny an’ireo mpiasa ireo teo ampandrenesana ny fiatoan’ny asa nosahanin’ny orinasa nampiasa azy ireo, noho ny fahaverezana asa mitatao amin’izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Tapitra tamin’ny zoma 7 jona 2019 ny fe-potoana nomen’ny filoha Andry Rajoelina ireo tomponandraikitra roa tao amin’ity OTIV (Ombona Tahiry Ifampisamborana Vola) Boeny, navoriny tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny harivan’ny talata 4 jona 2019, natrehin’ny solontena roa avy amin’ny Vaomiera mpanaramaso ny banky sy sehatra fampindramam-bola, nandrosoan’izy ireo vahaolana, dia ny drafitra hamerenana ny volan’ireo mpikambana mitaraina fa very vola na mihitsoka tsy azo ao amin’ny OTIV Boeny ny tahirim-bolany efa aman-taonany izao.

Iray volana aty aoriana, milaza ho tsy mbola nahazo ny volany ireo mpikambana, no tsy manam-baovao mikasika izany.

Publié dans Tselatra