Filtrer les éléments par date : samedi, 27 juillet 2019
samedi, 27 juillet 2019 20:49

HCJ: Nahazo trano vaovao

Nampafantarina omaly zoma 26 jolay ny fisian’ny trano vaovao izay misy ny HCJ na ny Haute Cour de Justice, izay eny Anosy ambadiky ny MOTEL.

Nisy araka izany ny fampahafantarana ho an’ny daholobe ny anjara asan’izany HCJ izany, izay azo tsidihina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Notolorana mari-boninahitra Officier de l’ordre des Arts, des lettres et de la culture i RABE DINA na i DJ DINA raha ny fahafantaran’ny be sy ny maro azy.

Ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ity fanolorana mari-boninahitra ity izay sambany teto amin’ny tantaran’ny firenena ny hoe mpikosoka kapila nahazo izany mari-boninahitra izany, ka ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy no nanolotra izany, izay natao teny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy omaly zoma 26 jolay 2019.

Publié dans Art et Culture

Hotanterahina ao amin’ny kianja Auguste Vollaire ao Flacq rahampitso alahady 28 jolay, mialoha ny lanonana famaranana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X ny lalao famaranana amin’ny baolina kitra hifandonan’i La Réunion sy Maorisy mpampiantrano.

Tokony natao androany tolakandro tao amin’ny kianja Georges V io lalao famaranana io, saingy noho haratsian’ny toetr’andro dia nanapa-kevitra ny mpikarakara ny lalao, hanemotra ny lalao ho rahampitso.

 

Publié dans Tselatra

Nambaran’ny Komitin’ny Lalaon’ny Nosy androany fa ny nosy Maldives no voafidy hampiantrano ny Lalaon’ny Nosy amin’ny 2023. Andiany faha-XI ary sambany i Maldives no handray izany.

Nosy telo, dia i Madagasikara, Kaomoro ary Maldives no naneho fahavononana ka nangataka ny hampiantrano io Lalaon’ny Nosy andiany faha-XI io fa tany amin’i Maldives, izay vondrona nosy madinika miisa 1200, ka nosy 200 no misy mipetraka, no niantefan’ny safidy.

 

 

Publié dans Tselatra

Roa andro taorian'ny nijoroan'ny governemanta dia misy ny fampahafantarana fa hifandimby hiala sasatra ireo minisitra ary nanomboka omaly zoma ny andiany voalohany no lasa.

 

Publié dans Tselatra

Mikatona manomboka ny 10 aogositra izao ka hatramin’ny 31 oktobra 2019 ny fitrandrahana drakaka anaty Ala honko, araka ny didim-pitondrana laharana 14 274 / 2019.

Efa ho roa taona izao no tsy nisy fikatonana ny fitrandrahana drakaka anaty Ala honko ka nampihena be io vokatra io, na teo amin’ny habeny izany na teo amin’ny habetsahany. Mahatsapa izany ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny lalam-pihariana drakaka ka niombon-kevitra tamin’ny fitondram-panjakana tamin’ny namoahana ny didim-pitondrana laharana 14 274 / 2019 .

Publié dans Economie

Andro lehibe ho an’ny taranja volley-ball ny anio sabotsy 27 jolay 2019. Samy hiatrika lalao famaranana hahazoana medaly volamena ny ekipa malagasy sokajy lahy sy vavy.

Ao amin’ny kianja mitafon’i Vacaos no hatao ny lalao anio tolakandro.

Sokajy vehivavy (2ora 30 ora eto Madagasikara): Madagascar # Seychelles

Sokajy lehilahy (4ora 30 ora eto Madagasikara): Madagascar # Maurice

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Anio sabotsy 27 jolay no hotanterahina ao amin’ny Gymnase Phoenix ny lalao fiadiana ny laharana fahatelo sokajy lahy sy vavy, sy ny lalao famaranana hiadiana ny tompondakan’ny Lalaon’ny Nosy sokajy lahy sy vavy.

- Lalao fiadian-toerana:

Sokajy vehivavy: Maurice # Seychelles

Sokajy lehilahy: Maurice # La Réunion

- Lalao famaranana:

Sokajy vehivavy: La Réunion # Madagascar

Sokajy lehilahy: Madagascar # Mayotte

 

Publié dans Sport

Le fonio blanc est une plante annuelle herbacée de la famille des Poaceae cultivée pour ses graines.

Le fonio blanc est traditionnellement une céréale « mineure », qui n'a d'importance économique que dans quelques régions d'Afrique de l'Ouest.

 

Publié dans Fil info