Filtrer les éléments par date : vendredi, 26 juillet 2019

Manamboninahitra niisa 55, ka vehivavy ny 6 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny « Fandresena 2019 » androany tao amin’ny ACMIL Antsirabe. Andiany mivantana faha-40 izy ireo, nitondra ny anaran’i « Général de Brigade Andrianaivo Raymond ».

Notsofin-drano androany nandritra ity lanonana ara-miaramila ity ihany koa ny andiany mivantana faha 42 sy ny famindrana ny sabatra tamin’ny andiany faha 41.

Toy izany koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 « Andraina », izay ny Liétina-kolonely Andriamizana Marinjaka no mpiahy azy ireo.

Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ity ny filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny foloalindahy, Andry Rajoelina. Notokanany ny fanavaozana ny efitrano filanonana « Farimbona » sy ny « Salle d’honneur » ary ny trano famakiam-boky ao amin’ity Sekolin’ny manam-boninahitra ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Hisy asa fanamboarana ny tetezana na Viaduc ao Ankeba/Sahasinaka, ka dia ho tapaka manaraka izay ihany koa ny fifamoivoizana amin’ny Zotran-dalamby FCE, manomboka eo amin'ny garan'i Sahasinaka hatrany Manakara, manomboka ny 30 septambra 2019 amin'ny 08 ora maraina ka tsy hiverina hisokatra indray izany raha tsy amin'ny 29 novambra 2019 amin'ny 10 ora alina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nanao famelabelaran-kevitra manodidina ny tetikasa Tanamasoandro teny amin’ny amphithéâtre DEGS Ankatso androany ry zareo avy amin’ny IEM. Nofinofy sa tena izy ? izay no nezahin’izy ireo novelabelarina.

Anisany nivoitra tamin’izany fa 25 hatreto ireo mpiara-miombon’antoka vonona hiaraka amin’ny fanjakana, hanatanteraka io tetikasa Tanamasoandro io. Hitazona ny 42% ny harinkarena faobe eto amin’ny firenena ihany koa ny tetikasa, hoy ireo mpandahateny.

 

Publié dans Economie

Zazavavy kely, 6 taona, fantatra amin’ny anarana hoe: Radoharintsoa Sombiniaina Risnah na i Aina no nisy naka an-keriny tao an-tranony, tany amin’ny Kaominina Ambodirano, Distrika Amparafaravola, omaly alakamisy 25 jolay 2019 tamin’ny 8ora alina.

Tsy mbola hita io zaza io hatramin’izao. Zarazara oditra, bory volo i Aina. Manao « grenouillère » manga, misy mena ny lohatanany. Efa eo ampelan-tanan’ny manampahefana ny raharaha. Iangaviana hampilaza ny manampahefana akaiky raha misy manana vaovao mikasika azy.

 

Publié dans Tselatra

Taorian’ny famindram-pahefana ka nandraisany indray ny fitantanana ny ministeran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy, dia nidina nizara sakafo mafana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana teny amin’ny Tunnel Ambanidia, Ambohijatovo, andohan’Analakely, Nosibe ary ambany tetezan’i Behoririka, ny minisitra Naharimamy Lucien Irmah, notronon'ireo mpiara-miasa aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tapitra ny fialantsasatra teto Madagasikara ho an’i Lalaina Nomenjanahary na i Bôlida taorian’ny CAN Egypta 2019. Niala an-tanindrazana halina niazo an’i Frantsa izy sy ny vady aman-janany.

Mpilalao irakiraka ao amin’ny Barea an’i Madagasikara, nandray anjara tamin’ny CAN tany Egypta farany teo i Bôlida. Milalao ao amin’ny Paris FC izy, ary vao avy nanavao ny fifanarahany amin’io klioba io, nohalavaina hatramin’ny taona 2021.

 

Publié dans Sport

Matetika isika mifampanontany hoe, dia nahoana i Madagasikara no gisitra lava toy izao, nahoana ny Renivohi-paritany sy ny Renivohim-pirenena no maloto, tsy mivoatra, lasa tobi-pamaharan'ny tsy fandriam-pahalemana, nefa efa mankarenin-tsofina ny mihaino sy mandre fa manana olona sy harena maro isika.

Nisy namana Malagasy vao tonga eto Madagasikara, avy any Etats-Unis no niteny tamiko, fa toy ny basy omena lalaovin-jaza ny teknolojia omena ny "Malagasy sauvage".

Somary tohina aho tamin'ilay teny mahitsy be. Nanazava izy, jereo hoy izy, fa ny Malagasy dia manana phone na finday anisan'ny raitra, manana fiara tsara tarehy, misy GPS, manana ordinatera, manana internet, manana drone, sy ny teknolojia maro hafa.

Publié dans Editorial

Tanterahina anio 26 jolay 2019 aty Vatomandry, Faritra Antsinanana, ny Fankalazana ny Andro manerantany iadiana amin'ny aretina Hepatita.

 

Publié dans Tselatra

Ny andininy faha-168 amin’ny Lalampanorenana tamin’ny 11 desambra 2010 no mampisy ny Conseil du Fampihavanana Malagasy hitarika amin’ny fampihavanam-pirenena. Ny lalàna 2016-037 tamin’ny 02 febroary 2017 mikasika ny fampihavanam-pirenena no mametraka azy.

Hanao tatitry ny asa efa vitany ny Conseil du Fampihavanana Malagasy amin’ity anio ity.

 

Publié dans Tselatra

Cette Journée est traditionnellement célébrée le dernier vendredi du mois de juillet.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2