Filtrer les éléments par date : mardi, 23 juillet 2019

Niala an-tanindrazana androany niazo an’i Afrika Atsimo i Andriamirado Arohasina na Dax. Irakiraka mpisolotoerana tao amin’ny Barea niatrika ny CAN tany Egypta izy. 28 taona, mila ravinahitra atsy Afrika Atsimo, irakiraka ao amin’ny klioban’ny Kaizer Chiefs.

Nanolotra vola iray tapitrisa Ariary ho an’ny Barea CHAN i Dax, ny Barea CHAN izay hiatrika lalao iraisam-pirenena etsy Mahamasina amin’ny alahady ho avy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
mardi, 23 juillet 2019 19:47

Carlton: Tetikasa TATOM

Notanterahina androany ny atrikasa fahaefatra sady farany hanomanana ny tatitra farany ho ataon'ny teknisian'ny JICA, ho famolavolana ny drafitra fitantanana ny fampandrosoana ny lafiny ara-toe-karena amin'ny tetikasa TATOM (TaToM - AnTananarivo - Toamasina – Madagasikara).

Iarahan'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy amin'ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale). Sampana ho an'ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena Japoney ny tetikasa TATOM.

Publié dans Economie

Hamboly honko iray tapitrisa fototra ao Boanamary-Mahajanga II ny fianakaviamben’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, amin’ny 29 jolay ho avy izao. Tafiditra amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny ala honko ity hetsika ity.

Ny 26 jolay no fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny ala honko, saingy nahemotra ny fankalazana tamin’ity. Ny antony dia satria tsy ampy ny haavon’ny ranomasina manondraka ny tany hambolena izay miantoka ny fahaveloman'ireo zanakazo ho volena.

 

Publié dans Vaovao

Ampahan-dalana mirefy 700m, eo anelanelan’ny sampanana Pullman ka hatreo amin’ny sampanana amin’ny kianja filalaovana tennis Alarobia, no nampitondraina ny anaran’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert, araka ny fangatahan’ny fianakaviany sy ny CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale) ary neken’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Tanàna.

 

Publié dans Tselatra

Hanao tatitry ny asa vitany ny CFM na Conseil du Fampihavanana Malagasy amin’ny zoma ho avy izao. Herintaona sy tapany izao no nijoroan’ny CFM, izy izay rafitra najoro taorian’ny krizy politika ny taona 2009 hitarika ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo Polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”, vao navoaka tao amin’ny sekolim-pirenena ENIAP Antsirabe ny zoma lasa teo. Nitarika azy ireo ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger.

Nilaza ny minisitra fa “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray Tanindrazana no nanaovana izao adidy izao, satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

Nisaotra ny Polisim-pirenena ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny HJRA tamin’izao hetsika izao noho ny fahafoizany ny rany ho famonjena ny mpiara-belona.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Any Bruxelles renivohitr’i Belzika ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Vondrona Eorôpeana izy androany maraina. Manampy azy amin’izany ilay depiote eorôpeana teo aloha Louis Michel, izay namany rahateo.

Resaka ny maha mpanohitra azy sy ny fametrahana ny demokrasia eto Madagasikara no votoatin-dresaka tamin’izany.

 

Publié dans Politique
mardi, 23 juillet 2019 11:55

Ntsay Christian rempile

Un jour après sa démission voilà que le Président de la République reconduit le Premier Ministre dans ses fonctions, ainsi Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. Comme dit l’adage jamais 2 sans 3 !

Pour le Chef de l’Etat, lui et le Premier Ministre ont « la même vision et partagent les objectifs de l’Initiative pour l’émergence de Madagascar ». Cette reconduite semble être conforme à l’article 54 de la Constitution de la 4ème République à l’alinéa 1: le Président de la République nomme le Premier ministre, présenté par le parti ou le groupe de partis majoritaire à l'Assemblée nationale.

Publié dans Editorial

Na amin’ny sehatra Afrikanina na aty amin’ny ranomasimbe indianina dia anjakan’ny Malagasy ny taranja fibatana fonjamby, indrindra amin’ireo sojaky latsaky ny 60kg lahy sy vavy.

Nandrombaka medaly volamena isika tany Kenya, tamin’ny fiadiana ny tompodakan’i Afrika, medaly volamena maromaro ihany koa no azon’ny mpibata fonjamby malagasy amin’ny Lalaon’ny nosy andiany faha-X tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy amin’izao fotoana izao.

Manohana manokana ireo Atleta any Maorisy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, ary izy no nanolotra ny medaly ho an'ny Malagasy nibata ny amboara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Hihaona amin'ny Barea an’i Madagasikara eo Mahamasina ny Mambas Mozambikana amin’ny alahady 28 jolay 2019. Tafiditra amin'ny lalao mandroson'ny fihodinana faharoan'ny fifanintsanana CHAN 2020 ity lalao ity.

Maitre Franklin no mpanazatran’ny Barea CHAN, Victor Matine kosa ankehitriny no mpanazatra ny ekipan'i Mozambika rehefa nametra-pialana i Abel Xavier.

Ny CHAN dia lalao aty Afrika hifaninanan'ny ekipam-pirenena, izay ireo mpilalao anaty kilioba ao amin'ilay firenena sy tsy mila ravinahitra any ivelany ihany no mandray anjara. Atao isaky ny roa taona izy io.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
Page 1 sur 2