Filtrer les éléments par date : lundi, 22 juillet 2019

Ny alahady, 21 jolay, i Hervé Renard no nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy Twitter ny fanapahan-keviny tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenen’i Maroc intsony. Telo taona sy tapany no nitantanany ity ekipa ity.

Efa talohan’iny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra (CAN) andiany faha-32 natao tany Egypta, ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019 iny no nandraisany ny fanapahan-kevitra, araka ny filazany, fa omaly vao nampahafantariny.

Hervé Renard no nitarika ny ekipan’i Maroc tamin’io, ary resin’i Bénin teo amin’ny ampahavalon-dalana.

Hervé Renard, 50 taona, no mpanazatra nandrombaka in-droa io Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra io, tamin’ny ekipam-pirenena roa samihafa dia, i Zambia tamin’ny 2012 ary Côte d'Ivoire tamin’ny 2015.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Efa hiditra ny tanàna no nivadika ny fiara nitondra solika ho an’ny Jirama Marolambo omaly alahady. Nisy mpandeha niaraka tamin’ny fiara, fa nieren-doza izy ireo.

Ny haratsian-dalana no voalaza fa fototry ny loza.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny CIJ (Conseil International des Jeux) na Filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy, tarihin’ny filohany Antonio Gopal, ny filohan’ny Repoblika malagasy Andry Rajoelina, notronin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena malagasy Tinoka Roberto.

Mandresy lahatra ny hampiantranoan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy, andiany faha-XI, amin’ny taona 2023 ny filoha Andry Rajoelina.

Tao amin’ny hotely Intercontinental ao Balaclava ny andaniny sy ny ankilany no nihaona ny sabotsy 20 jolay 2019.

 

Publié dans Vaovao

Medaly volamena 9 no azon'i Madagasikara. Namiratra isika teo amin'ny taranja fibatana fonjamby.

Sivy no volamena azon’ny Atleta malagasy amin'izao, mametraka antsika eo amin’ny laharana fahatelo vonjimaika eo amin’ny fahazoana medaly aorian’i La Réunion sy ny nosy Maorisy, mpampiantrano ity Nosy andiany faha-10 ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Maro isika no mandefa hafatra aty amiko mitady asa, rariny loatra izany, hatreto dia tsy manana asa atolotra aho.

Fa toro-hevitra no omeko, rehefa mitady asa, dia aza mitalao sy mitantara ny fijaliam-piainana rehetra amin'ny olona hitadiavana asa.
Fantatry ny tompon'ny orinasa, fa matoa mitady asa, dia mila karama mifanentana amin'ny asa hiatrehana ny fiainana.
Fa tsy ny fitalahoana akory no ampihetsim-po ny mpampiasa ka alahelo anao izy dia omeny asa ianao.

Vao maika atahorany ny olona be problema sa hitarika problema ho azy ihany koa, izy koa efa tototry ny problemany ampandeha ny orinasany.

Rehefa mitady asa, dia eritrereto fa mitovy ianao sy ny mpampiasa, izy mila ny fahaizanao ampandehanany ny orinasany, ianao kosa miandry tambiny amin'ny asa sy fahaizana omenao azy.

Publié dans Editorial
Page 3 sur 3