Filtrer les éléments par date : lundi, 22 juillet 2019

Herinandro taorian’ny nahazoan’ny Kaompanian’ny Zandarimaria Antsohihy rongony 500kg tao Antsohihy dia rongony 20 kitapo milanja 229 kg ihany koa no tra-tehaky ny Zandary PMP 45 tao amin’ny Antobodrihabe, Fokontany Antobodriha, Kaominina Ambodimandresy, Distrika Antsohihy.

Vaovao azon’ny Zandarimaria avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahazoana ny vokatra. Natsipin’ireo andian’olona ny kitapo nobaben’izy ireo avy, rehefa tazan’izy ireo ny Zandary nitsongo dia omaly tolakandro. Voasambotry ny Zandary ny iray tamin’izy ireo rehefa nifanenjehana.

Nogiazana avy hatrany ireo rongony, miandry ny taratasin’ny fitsarana ny hamotehana sy handorana azy. Hatolotra ny Fampanoavana kosa ilay voasambotra aorian’ny famotorana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Vavaka iraisam-pinoana tao amin’ny EKAR Saint Joseph Mahamasina no nisantarana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona ny maraina teo. Hitohy etsy amin’ny Lapa maitso Anosikely ny fanokafana ny fankalazana anio tolakandro.

Mandritra ity herinandro ity ny fankalazana, tafiditra anatin’izany ny fametrahana samboady ireo Loholona vaovao vao handray ny toerany ao Anosikely, nisolo toerana ireo Senatera voafidy solombavambahoaka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
lundi, 22 juillet 2019 11:31

Polisy: Miampy 1098 ireo amperinasa

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 19 jolay 2019 teto amin’ny ENIAP Antsirabe ny andiany faha-25, ho an’ireo mpianatra ho Polisy mandrafitra ny andiany « FENITRA ».

« Inspecteur de Police » ny 99 tamin’ireo notolorana galona rehefa nandalo fiofanana nandritra ny 12 volana, ka vehivavy ny 08 amin’izy ireo, ary 91 kosa lehilahy. Nahatratra 999 kosa ireo « Agent de police » izay nahitana vehivavy 94 ary lehilahy 905.

22 taona no zandriny indrindra, raha 44 taona kosa no zokiny indrindra amin’izy ireo.

Publié dans Sociale

Saron’ny Zandary avy amin’ny Kaompania Mahajanga, tao amin’ny Fokontany Antanambao Sotema sy Ambalamanga, ny rongony milanja 13kg ny alarobia teo. Voasambotra ny efa-dahy voasaringotra amin’ireo zavamahadomelina ireo. Fanomezan-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahatratrarana ireo olona ireo.

Natolotra ny Fampanoavana teto amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga ny zoma 19 jolay izy ireo, ary naiditra am-ponja vonjimaika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Basy gasy tsy ara-dalana no tratra tany amin’ity lehilahy ity, miaraka amin’ny bala tena izy fampiasa amin’ny basy « calibre 12 ». Ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Antanamanjaka no nisambotra azy tany aminin’ny Kaominina Alakamisy-Ambano, Distrika Antsirabe 2.

Natolotra ny Fampanoavana teto Antsirabe ny alakamisy 18 jolay ilay lehilahy ary notanana am-ponja vonjimaika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nomarihina teny amin’ny Fitsarana Anosy - Antananarivo ny zoma 19 jolay ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. « Fandraharahana ny fonja mivoatra : manaja ny zo mahaolona, antoky ny fandriam-pahalemana sy ny fampandrosoana » no lohahevitra nobanjinina nandritra izao fankalazana izao.

Hisy ny lamina vaovao izay hapetraka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, handrindràna ny asa rehetra ary ny eo amin’ireo mpitsara sy mpandraharahan’ny fonja.

Hanangana fonja vaovao hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fanjakana, mba ho fanajana ny zo maha-olona, ho an’ireo voafonja, satria be loatra ny isan’izy ireo ka tsy mifanaraka amin’ny fotodrafitrasa misy eto amintsika.

Publié dans Sociale

Andro voalohany ho an’ny mpilalao voley omaly alahady amin’ny Lalaon’ny Nosy. Nandresy an’i Maldives tamin’ny seta 3 noho 0 i Madagasikara teo amin’ny sokajy zazalahy. Niondrika tamin’ny seta 1 noho 3 nanoloana an-dry zareo Maorisianina mpampiantrano kosa ny Malagasy teo amin’ny sokajy zazavavy.

Tao amin’ny kianja mitafon’i Pandi Sahadeo ao Vacoas no natao ny lalao. Tonga nanohana ny ekipa malagasy tamin’izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto.

Publié dans Sport

Omaly alahady no nisantatra ny fifaninana amin’ny Lalaon’ny Nosy ireo Atleta manana fahasembanana. Teo amin’ny taranja lomano, 50m tsotra, dia nandrombaka medaly volafotsy i Heven'soa teo amin’ny sokajy moana marenina.

 

Publié dans Vaovao

Nivalona tanteraka ny ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra andiany faha-32 na Total CAN 2019, natao tao Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019.

Sambany tamin’iny CAN iny no 24 ny isan’ireo ekipam-pirenena nandray anjara.

52 ny isan’ny lalao vita, ka ny 39 nisy mpandresy, raha nirava ady sahala ny lalao ambiny niisa 13.

102 ny isan’ny baolina maty nandritra ny CAN, ary io no be indrindra tao anatin’izay andiany 32 vita izay.

Niisa 171 ny karatra mavo nozarain’ny mpitsara, ary 5 ny karatra mena.

I Alzeria no nandrombaka ny Amboara tamin’ity CAN 2019, fanindroany no nahazoany an’io anaram-boninahitra io taorian’ny taona 1990.

Publié dans Sport

Nandrato lalao tao an-drenivohitry ny faritra Bongolava ny Barea CHAN omaly alahady. Nisy ny lalao fitsapana nihaonany tamin’ny ekipa voafantin’i Bongolava. Nandresy tamin’ny isa tokana, 1 noho 0 ny Barea CHAN.

Nanolotra 300 000 Ariary, izay vola azo tamin'ity lalao ity ny ligin'i Bongolava sy ny lehiben'ny Faritra Bongolava, ho an'ny Barea CHAN taorian'ny lalao.

Ny CHAN moa dia ireo mpilalao monina ao amin'ny firenena niaviany fa tsy mila ravinahitra any amin'ny firenena hafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 3