Filtrer les éléments par date : dimanche, 21 juillet 2019
dimanche, 21 juillet 2019 19:51

21 juillet

Journée mondiale de la malbouffe.

 

Publié dans Fil info

Tsy mazava ny anton’ny fahamaizan’ny tsena Bazar Kely fa samy manana ny ambarany ireo mpivarotra may fananana. May avokoa 95%-n’ny tsena Esplanade ambany ; misy entan'ny mpivarotra vao avy nampidirina no may, bodofotsy sy lamba firakotra avokoa, mitentina 20 tapitrisa Ariary.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nahazo fatana sy vilany be manara-penitra avy amin'ireo mpiara-miombonantoka ny Fonja eto Madagasikara, mba hanamorana ny fanomanana ny sakafon'ireo voafonja, izay anisany mahatomombana ny fandriam-pahalemana, ny Fonjabe eto Antsohihy.

Nahitana fahatsarana maro teto amin'ity Fonjabe eto Antsohihy ity hatramin'ny nanendrena an'i RAFALIMARO Lovanekena Sermon ho lehiben'ny Fonja, na vao aingana aza no nandraisany izany andraikitra lehibe izany.

Misaotra ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga ny lehiben'ny Fonja sy ny mpitantana aty an-toerana, satria ny fandriam-pahalemana eo anivon'ny Fonja, dia misy fiantraikany tsara ihany koa amin'ny fandriam-pahalemana aty Antsohihy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Manana tarika ara-pilazantsara ny miaramila. «LOVA » na ny « Lalana Omban’ny Voninahitr’Andriamanitra » ny anarany. Ny taona 1989 no niforonany tao Toliara, ary nahazo fankatoavana tamin’ny Etamazaoro Jeneralin'ny Tafika Malagasy ny taona 1999.

Feno 30 taona ny «LOVA » ankehitriny, ary ny Adjudant-major Revemo Jean Maksera, efa nisotro ronono, no lehibeny. izay ahitana delagasiona miisa 16

Ankoatrin’ny fanabeazana ara-panahy sahanin’ny fitaizam-panahy misy eo anivon’ny Foloalindahy dia manampy iretsy farany amin’ny fitoriana ny Filazantsara any amin’ireo faritra mena ihany koa ny «LOVA », hisarihana ny fahatokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy amin’ny asa sahaniny.

Publié dans Art et Culture
dimanche, 21 juillet 2019 16:27

Tagnamaro: Andiany fahadimy

Fanadiovana, fandokoana fotodrafitrasam-panjakana, fanomezan-dra,… santionany amin’ny endrika nanamarihan’ny Olompirenena ny hetsika Tagnamaro izany. Andiany faha-5 ny tamin’ny sabotsy 20 jolay 2019 ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Baolina miisa dimy no tafiditr’i Odion Jude Ighalo nandritra ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra (CAN), andiany faha-32, nifarana tao Egypta.

Mpilalao ao amin’ny Super Eagles – Nizeriana i Odion Jude Ighalo, 30 taona izy, ary sambany no niatrika CAN.

Milalao milaravinahitra any Chine, ary mpanafika ny toerany ao amin’ny klioban’ny Shanghai Greenland Shenhua.

Niisa 102 kosa ny isan’ny baolina tafiditra tamin’ireo lalao niisa 52 nandritra iny CAN tany Egypta iny.

 

 

Publié dans Sport

Sarona nandritra ny fisafoana nataon’ny Zandary tao Anjanapaly, Fokontany Ankazobetsihay, Kaominina Ampandriankilandy, Distrika Antsohihy, ny alin'ny 18 jolay 2019, ireo andiana lehilahy maromaro milanja gony mampiahiahy.

Nandositra avy hatrany izy ireo rehefa nosakanana mba ho savaina. Raikitra ny fifanenjehana ka jiolahy roa efa fantatra fa mpanao aferan-drongony no voasambotra.

Nosavaina ireo gony miisa 52, ary hita fa rongony maherivaika no tao milanja 532 kg.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nisafidy ny hanome rà ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpiaramiombon’antoka amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka nanamarihana ny Tagnamaro andiany faha-5.

Nifamotoana teny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha - Antananarivo izy ireo nanatanteraka izany ny sabotsy 20 jolay 2019.

Manatsara ny fahasalamana ny fanomezan-drà.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale