Filtrer les éléments par date : samedi, 20 juillet 2019

Anio ny andro voalohany amin’ny dingan’ny fifanintsanana, iadiana ny medaly volamena amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-10, amin’ny taranja baskety, tanterahina ao amin’ny Gymnase Phoenix amin’ny nosy Maorisy.

Raha ny fandaharam-potoana anio sabotsy 20 jolay ity, dia :

10ora - La Réunion # Maldives (lehilahy)

12.30 ora - Madagascar # Seychelles (lehilahy)

3 ora tolakandro - Maurice # Comores (vehivavy)

5.30 ora tolakandro - Maurice # Comores (lehilahy)

 

Publié dans Sport

Anisan’ireo fikambanam-paritra naneho ny hafaliany sy fisaorana ny filohan’ny Repoblika ny FITEFA (Fikambanan’ny Teraky ny Faritanin’Antsiranana) tamin’ny nitazomana amin’ny toerany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, izay zanaky ny Faritany Antsiranana.

Mangataka ny mba hanendrena amin’izay ny zanaky ny Faritany ho isan’ireo minisitra handrafitra ny Governemanta vaovao ny FITEFA, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly.

Nitanisa antony maromaro nanamafisana izay fangatahana miendrika fitakiana izay i Bekasy Johnfrince, filohan’ny FITEFA, toy ny hoe : miantoka ny 38% ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjana ny Faritanin’Antsiranana noho ny otrikarena ananany.

Voalohany amin’ny famokarana lavanila ny Faritra SAVA, i Nosy-Be (DIANA) malaza manerantany amin’ny fizahantany sy ireo zavamanitra ary ny trano fandraisam-bahiny manara-penitra hita ao aminy. Porofon’izany ny fisian’ny sidina iraisam-pirenena farafahakeliny in-15 isan-kerinandro.

 

Publié dans Politique

Nivoitra io nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena malagasy, ny jeneraly Richard Ravalomanana, tany Romania nanomboka ny 16 jolay 2019, araka ny fanasàna nataon'ny tompon'andraikitra tany an-toerana.

Maro ireo vina vaovao ho tanterahina mikasika ny fanatsaràna ny fahaiza-manaon'ny Zandarimaria eo amin'ny fitandroana ny filaminana anatin'ny firenena, ny ady amin'ny fampihorohoroana sy ny fanaovana trafika iraisam-pirenena, ny fanampiana hahazoana mandray anjara amin’ny tetikasa fifanampiana eo amin'ny firenena mikambana sy ny Erôpeana ary ny firenena miteny frantsay.

Sambany nisy tompon'andraikitra voalohany ao amin’ny Zandarimariam-pirenena voaasa ara-pomba ofisialy toy izao tany Romania.

(Loharanom-baovao: infoseg.com)
(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Hiatrika ny lalao voalohany amin’ity Lalaon’ny Nosy andiany faha-10 atsy Maorisy ity ny Barea an’i Madagasikara anio. Hifandona amin’i Seisela ao amin’ny kianja Auguste Volaire ao Flacq ny ekipam-pirenena malagasy anio amin’ny 3ora tolakandro, ora atsy Maorisy.

 

 

Publié dans Sport

Nisy fivoriana manokana mikasika ny fiarovana sy fandriam-pahalemana amin’ny lalam-pirenena faha-2, notanterahina tao Brickaville omaly 19 jolay 2019. Nitarika izany ny Tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-tanety (ATT) sy ny Komandin'ny Vondron-tobim-pileovana Zandarimariam-pirenena Atsinanana.

Toerana dimy izay isan'ny itrangan'ny fanafihan-jiolahy matetika no efa arovan'ny Zandary sy Fokonolona. Antomotra rahateo ny fotoam-pialan-tsasatra ka mihamaro ny fivezivezena amin'ny lalam-pirenena.

Nandray anjara tamin’ity fivoriana ity ireo mpisehatra amin’ny fitaterana sy ny Fokonolona.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tokony tany amin'ny 9ora maraina, raha andray ny asany ireto mpiambina fonja, no nirongatra ny gadra tao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy Toamasina, ka nahazo mpiambina telo nataon'izy ireo takalon'aina, ka nanereny ny mpiambina hafa hanokatra ny vavahadiben'ny fonja.

Feno tanteraka, ary mihoatra ny tokony ho zakan'ny fonja ny gadra tazonina ao, ary tsy nisy fanamboarana ny fonja taorian'ireny rivo-doza nanimba ny fonjabe ireny, ka dia misy vy sy vato ao amponja nampiasain'ireto gadra ireto.

Raikitra ny pao-vasy fanairana nataon'ireo mpiambina hafa, ka dia tora-bato no nasetrin'ireto gadra marobe ireto.

Votsotra teny ampela-tanan'izy ireo ihany ireto mpiambina telo lahy ireto, fa ny iray kosa dia vaky ny lohany tratran'ny herisetra sy tora-bato. Efa noentina notsaboina izy, ary efa milamina sy voafehy ny toe-draraha ankehitriny.

Manaitra ny tompon'andraikitra ireo misahana ny fandriam-pahalemana eny anivon'ny fonja, sy ny ao amin'ny fitsarana fa antitra sy feno hipoka ny fonjan'Ambalatavoahangy ka manasarotra ny asa fampandriana fahalemana.

 

Publié dans Tselatra

Niara-nivory tao amin’ny lapam-panjakana Ambotsirohitra ny Talen’ny Seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny birao Foibe Antilin'i Madagasikara notarihan’ny filoha iombonany Manankajaina Agatino, nidinika momba ny fanomanana ny fandraisana ny Papa Ray Masina amin’ny volana septambra ho avy izao.

Skoto sy mpilatsaka an-tsitrapo maherin'ny 12 000 no efa nentanin'ny Antilin'i Madagasikara hirotsaka an-tsehatra amin’ny fandaminana ny fahatongavan’i Papa Ray Masina François mandritra ny efatra andro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Nanaitra ny mponina manodidina ny firefodrefotry ny poa-basy ao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy - Toamasina io maraina io.

Tsy mbola nahazoam-baovao hatreto ny eo anivon'ny fandraharaharana ny fonja na nisy voafonja nikomy, na nikasa hitsoaka na efa nisy tafatsoaka.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 20 juillet 2019 12:45

Kitra-CAN 2019: Lasan'i Alzeria ny Amboara

Baolina tokana tafiditra teo amin'ny minitra faharoa nanombohan'ny lalao no nitondra an'i Alzeria any amin'ny fandresena nanoloana an'i Sénégal ka nibatany ny Amboaran'i Afrika andiany faha-32.

 

Publié dans A la Une
Page 2 sur 2