Filtrer les éléments par date : samedi, 20 juillet 2019

Nibata fandresena voalohany ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baskety amin'ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-X atsy Maorisy, raha nihaona tamin’i Seisela. 79 noho 56 ny isa nisarahan’ny roa tonta.

 

 

Publié dans Tselatra

Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny Barea an’i Madagasikara sy ny Piraty an’i Seisela io toak'andro io. Nahazo "penalty" ny Malagasy saingy tsy maty izany.

Lalao voalohany natrehin’ny Barea ny androany. Ny Club M (Les Dodos) Maorisianina no hifandona amin’ny Barea amin’ny alatsinainy ho avy izao.

 

Publié dans Sport

Nanaitra ny mponina manodidina ny fonjan’Ambalatavoahangy - Toamasina ny feom-basy nisesy androany sabotsy 20 jolay 2019, nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany maraina hatramin'ny 10 ora maraina.

Rongony tra-tehaka tao am-ponja no niandohany. Ny zoma hariva no tratra ilay voafonja mpanao bizina rongony, dia nitohy androany ny raharaha. Nitarika namana hikomy ilay voafonja tratra fa hoe : voadaroky ny mpandraharaha ny fonja. Voafonja fito lahy izy ireo ka zandary efa tsy amperinasa no mpitarika tamin’izany.

Nataon’izy ireo takalon’aina ny mpandraharaha ny fonja namoha trano maraina androany. Telo lahy izy ireo, ary saika hataon’ireo voafonja fitaovana hitsoahana.

Publié dans Tselatra

Narary samirery tao an-tranony ny Zandary iray, mitondra galona kilasy faharoa, miasa ao amin’ny « Poste Avancé » Befotaka, Brigady Itondy ny alin’ny 19 jolay 2019. Mahery vaika ny aretina nahazo ary tena nalaky nandreraka azy.

Vao nahita azy ireo namany sy ny Fokonolona teo an-toerana dia nandray andraikitra ka nilanja azy avy hatrany niazo an’Ankavandra, Distrika Miandrivazo, hamonjy tobim-pahasalamana. Naharitra 5 ora ny lalana.

Publié dans Vaovao

Nijoalajoala ny afo, nanazava ny faritry ny Bazary kely ny hariva teo. Trano maromaro no indray levon’ny afo. Tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny afo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ny taona 1949 no namoronana ny sampana Mpamonjy voinan’Antananarivo renivohitra. 70 taona aty aoriana dia mbola mijoro hatrany ary manao fanamby amin’ny hanatsarana hatrany ny fanatanterahana ny asa ny mpamonjy voina.

Nisy ny zoma 19 jolay ny vavaka iraisam-pinoana teny amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe nanombohana ny fankalazana.

Anisan’ireo fanamby lavitr’ezaka ny hananganana sekoly ambony fanofanana ny matihanina momba ny vonjy voina. Tanjona ny hizarana fahalalana mitovy ho an’ny mpamonjy voina rehetra manerana an’i Madagasikara. 

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Teratany amerikanina, nipetraka tany amin’ny fanjakan’i Géorgie i Herbert DeLaigle, 94 taona, ary Marilyn Frances DeLaigle, 88 taona. Tamin’ny 1947 izy roa no nifankahita voalohany, tao amin’ny trano fisotroana iray any Waynesboro, fanjakan’i Virginie. Mpiasa tao i Marilyn Frances DeLaigle, mpanjifa kosa i Herbert DeLaigle tamin’izay.

Nanokana fandaharana manokana ny fahitalavitra tsy miankina New12, nankalazana ny faha-70 taonan’ny mariazin’izy roa.

Nodimandry ny zoma lasa teo izy mivady, nielanelana adin’ny 12 ora ny fahafatesan’izy ireo.

Namela kamboty 6 mianadahy, zafikely 16, zafiafy 25 ary zafin-dohalika 3 izy ireo.

 

 

Publié dans Sociale

Notokanana ofisialy omaly zoma 19 jolay tetsy Andohatapenaka - Antananarivo ny « Canal Olympia ». Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity fotodrafitrasa vaovao ity, ahitana efitra lehibe fijerena sarimihetsika mahazaka olona 300, ary misy toerana fanaovana seho sehatra ihany koa eo ivelany.

Angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro no mamatsy ity toerana ity iray manontolo.

Nosoniavina nandritra izao fitokanana izao ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Canal Olympia sy ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hahafahan’ny Ministera mampiasa ity toerana ity hanosehana ireo mpiangaly ny kanto malagasy.

 

Publié dans Art et Culture

Dahalo 08 mianadahy no voasambotry ny Zandary tao amin’ny « Poste Avancé » Analavory, Distrika Miarinarivo, ny alarobia teo ka vehivavy ny iray amin’izy ireo izay mpanafina fitaovam-piadana sy mpitazona ody gasy.

Lasibatr’ireto dahalo ireto ny Fokontany Kianjasoa sy Ankaranana ao amin’ny Kaominina Analavory, ary omby 30 no lasan’izy ireo, miampy fampiasana taratasin’omby hosoka.

Natolotra ny fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miarinarivo izy ireo, ary tazomina am-ponja vonjimaika.

 

 

Publié dans Vaovao

Tao anatin’ny fe-potoana 52minitra sy 7 segondra no nahavitan’ny ekipa malagasy, rafetin’i Mazony, Emile, Nambinina Herman ary Dama ny halaviran-dalana mirefy 38.6km tamin’ny hazakazaka am-bisikilety amin’ny adim-pamantaranandro isan-tarika androany.

Mametraka azy eo amin’ny laharana fahatelo, aorian’ny ekipa maorisianina ka nahazoana medaly alimo, tamin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-10 atao atsy amin’ny nosy Maorisy ity.

 

Publié dans Sport
Page 1 sur 2