Filtrer les éléments par date : vendredi, 19 juillet 2019

Tany amin’ny lisea iray, 250 km atsinanan’i Conakry, renivohitr’i Guinée no niseho ity tranga hafakely ity ny talata teo. Tovovavy gineana iray, 18 taona, no nihetsi-jaza tampoka teo ampiatrehana ny taranja fizika hahazoana diplaoma bakalôrea. Nivoaka efitrano tokoa izy, ary teraka lahikely. Ora iray taorian’ny niterahany, niverina tao anaty efitranon-tsekoly ilay reny tanora nanohy ny fanadinany.

 

Publié dans Vaovao

Tanterahina anio alina ao amin’ny « Stade international du Caire », Egypta, izay mahazaka mpijery 75 000, ny lalao famaranana iadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra. Hifandona amin’izany famaranana izany i Alzeria sy Sénégal.

Tsy mbola nahazo ity amboara ity ny Senegaley. Efa nahazo ny Amboara kosa ny Alzeriana tamin’ny taona 1990.

Manatombo ara-taratasy ny Senegaley. Faha-22 manerantany amin’ny fandaharana navoakan’ny FIFA tamin’ny jona 2019, ary Voalohany aty Afrika i Sénégal raha toa ka faha-68 manerantany ny Alzeriana.

Ny baolina anefa boribory, ary 90 minitra ny faharetan’ny lalao ara-dalàna, aorian’izay no hamantarana izay handrombaka ny Amboara an’i Afrika amin’ny baolina kitra andiany faha-32 ity.

 

Publié dans Sport
vendredi, 19 juillet 2019 21:40

Praiminisitra: Ny teo ihany no eo

Notendrena ho Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa Ntsay Christian, araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 54n’ny Lalampanorenana, ary nohamafisina tamin’ny didim-panjakana laharana faha-2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019, novakian’ny Sekretera jeneraly lefitry ny Fiadidiana ny Repoblika, Andriamaholy Dina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha androany tolakandro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra