Filtrer les éléments par date : mercredi, 17 juillet 2019

Lany 3ora isan'andro amin'ity fitohanana eto Antananarivo Renivohitra ity, miteraka fantiantoka any amin'ny 500 000 olona x 3ora x 2000 ariary (Karama isan'ora raha mandray karama salan'isa 300 000 ariary isam-bolana)= 3 miliara ariary/ isan'andro = 3 miliara ar x 20 andro = 60 miliara ariary isam-bolana = 720 miliara isan-taona, ny fatiantoka ara-toekarena.

Ambonin'izany ny vola lany amin'ny fanamboarana fiarakodia vokatry ny haratsian-dalana, sy ny solika lany amin'ny fiara mihodina 3 ora isan'andro anatin'ny fitohanana(1h30 mandroso ary 1h30 miverina mody). Vinaniana ahatratra any amin'ny 1000 miliara ariary any izany ny fatiantoka ara-toekarena eto an-drenivohitra fotsiny (1/5 n'ny tetibolam-pirenena ny fatiantoka)

Tsy misy magie ny fanalana embouteillage eto Antananarivo Renivohitra, mila fanovana tsy maintsy atao.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2