Filtrer les éléments par date : mardi, 16 juillet 2019

Efa ho andro maromaro no mitsitapitapy ny fisian'ny solika eto Sambava. Ny famenoana zerikana no vaindohan-draharaha eny amin'ny toby mpaninjara solika ka sahirana ny fiara. Vokany tsy ny lasantsy no tsy misy eto Sambava fa ny eny amin'ny toby mpaninjara no ritra.

Feno mpivarotra lasantsy eny anelakelan-trano, ary samy manana ny vidiny. Nanomboka teo amin'ny 7 000Ar androany maraina ary tafatraka 8000Ar izany ny hariva.

Nikorontana ny fiainan'ny mponina. Ny Taxi-ville nampakatra ny sarandalana avo roa heny ka lasa 2000Ar raha 1000Ar izany teo aloha.

Nametrahana Polisy eny amin'ny toby mpaninjara na tsy mbola misy solika aza.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

147 ny isan'ireo depiote niatrika fivoriana nifidianana izay ho filohan'ny Antenimieram-pirenena natao androany tolakandro. Kandida tokana tsy nisy mpifaninana Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD voafidy tao Ambatofinandrahana sady solombavambahoaka zokiolona ao Tsimbazaza ihany koa.

Publié dans A la Une
mardi, 16 juillet 2019 18:05

Johnny Clegg n'est plus

Johnny Clegg nous a quittés à l'âge de 66 ans (Cancer).

Publié dans Art et Culture

Mazoto mampiana-janaka ny ray aman-dreny eto Amboronabo, Kaominina Manakompy, Distrikan’i Bekily, Faritra Androy. Hetahetan’izy ireo ny mba hananana foto-drafitrasa sahaza ho an’ny fampianarana eto amin’izy ireo, satria mbola tafo lanitra, tsy misy dabilio fa ladina an-tany no ianaran'ny ankizy amin’ny fanabeazana fototra.

(Sary: Aurélien Andriamaroelahy)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nizara fampitaovana ho an’ireo Atleta hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X, izay hatao atsy Maorisy ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019 ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, androany.

Handraisantsika anjara avokoa ireo taranja 15 izay hifaninanana.

Nanainga androany tolakandro ny delegasiona hanomana ny fandraisana ireo Atleta any Maorisy sy ny taranja lomano. Ny alakamisy ho avy izao no hiainga ny delegasiona ambiny.

Ny zoma 19 jolay 2019 amin’ny 06 ora hariva, ora eto Madagasikara, ny fanokafana ara-pomba ofisialy ity Lalaon’ny Nosy andiany faha-X.

Ao amin’ny Kianjan’ny Anjalay Belle vue no hatao ny lanonana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Andriamiasasoa Doda, filohan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo aloha, ary Solombavambahoaka IRD voafidy tao Manjakandriana ; Rakotomamonjy Neypatraiky, filoha lefitra voalohan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo aloha, ary Solombavambahoaka tsy miankina voafidy tao Ihosy ; Rakotobe Arizaka Raoul, filoha lefitra faharoan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo aloha, ary filohan’ny CNAPS Football ; Rasoamaromaka Hery, filohan’ny Tanà Formation Football sady PDG Terrain synthétique ; Mohamad Abdillah, Mpitsara, mpitsara iram-pirenena, mpanofana mpitsara FIFA.

Izy dimy ireo no nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filohan’ny Federasiona Malagasy Kitra teo anivon’ny Comité de Normalisation FMF.

Ny Comité de Normalisation FMF no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida mahafeno fepetra.

Amin’ny 24 aogositra 2019 no atao ny fifidianana izay filohan’ny Federasiona.

 

Publié dans Sport

Fanamiana (Survêtement, Maillots, polos) sy vatsy ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja rugby na Maki an'i Madagasikara ho enti-miatrika ny lalaon'ny Nosy atsy Maorisy ny 19 ka hatramin’ny 28 jolay 2019. Vary kosa ho an'ny fianakavian'ireo mpilalao izay hiandry azy ireto eto an-toerana. Ireo no natolotry ny Minisitra mpiahy, Hajo Andrianainarivelo azy ireo tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Anosy androany.

Nitso-drano sy nampahery ny Maki an'i Madagasikara mba hibata fandresena hatrany ny minisitra. Tsy ho mandray anjara fotsiny intsony isika hoy izy, fa milalao mba ho mpandresy. Nanome toky ny mpilalao sy mpanazatra fa hitondra avo ny voninahitry ny firenena ary hitondra ny medaly volamena hody.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Nisokatra androany maraina ny fivoriana manokan’ny Antenimieram-pirenena. Nitarika ny fotoana ny depiote zokiolona Razanamahasoa Christine, izay nanamafy fa nihen-danja teo imason'ny vahoaka ny hasin'ny Antenimieram-pirenena, ary hita taratra tamin'ireny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana ambany ireny izany.

Fanamby hoy ity depiote voafidy tao Ambatofinandrahana ity ny hampakarana indray ny hasin'ny Antenimiera, ka isika efa zoky aoka mba hanome ohatra tsara ireo solombavambahoaka vao tonga.

 

Publié dans Tselatra

Tra-tehaky ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy tao an-tranony tetsy Andavamamba - Antananarivo ilay tovolahy namaky fiangonana sady mpamaky trano eny amin’ny faritra Anosibe iny. Mbola tratra tao an-tranony ireo entana halatra marobe izay azony toy ny « groupe électrogène », solosaina, sns.

 

Publié dans Vaovao

Naneho fialantsiny amin'ny mponina manodidina an'Ambatomaro sy Andralanitra ry zareo ao amin’ny SAMVA noho ny setroka nibolofotra be, nandoto tontolo iainana, sady manempotra teny, fa nisy nandoro ny fako ao amin'ny « décharge » Andralanitra.

Nilaza ny SAMVA fa efa manao izay azo atao amin'ny famonoana ny afo, nanao tolo-tanana azy ireo tamin'izany ny « pompier ».

Efa tratra ireo olona telo nandroro ary efa miroso ny fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2