Filtrer les éléments par date : samedi, 13 juillet 2019

Nankasitraka ny filoham-pirenena mivady sy ny governemanta ary indrindra ny vahoaka Malagasy ny kapiteny Faneva Andriatsima sy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis.

Manomboka miakatra tsirairay ireo ekipa rehetra.

Publié dans Tselatra
samedi, 13 juillet 2019 22:53

Mahamasina

Miditra eo Mahamasina ny Barea, raisin'i Filoham-pirenena mivady sy ny praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta, ary vahoaka maro dia maro.
7 ora no nanaovana an'i Ivato-Mahamasina.

Publié dans Tselatra

Tontosa ny talata 09 jolay 2019 tao amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana tao amin’ny faripiadidian'ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa (CIRGN).

Ny Kolonely Tsiketa Bernard Dieu Donné no komandy vaovaon’ity fari-piadidiana ity, mandimby toerana ny Jeneraly Rabearimahefa, izay voatendry hisahana andraikitra hafa.

Avy ao amin'ny andiany faha 20 Akadémia miaramila Antsirabe ny Kolonely Tsiketa Bernard Dieu Donné ary efa manana traikefa mikasika ny fandriam-pahalemana ambanivohitra.

Publié dans Vaovao

Kamiao nitondra vary avy ao Ikalamavony, hiazo an’i Fianarantsoa no tra-doza teo amin’ny tetezan’i Mangidy, amin’ny lalam-pirenena faha-42. Tapaka ireo tsivalan-kazo teo amin’ny tetezana rehefa nandalo ilay kamiao, ka iny no nitondra azy nivadibadika tany ambany tetezana.

Voatsindrin’ny vary ireo mpandeha niaraka taminy. Efatra no maty tsy tra-drano, niaraka amin’ny mpamily. Nisy zaza efatra ihany koa naratra.

Ny Zoma 12 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nitranga ny loza.

 

Publié dans Tselatra