Filtrer les éléments par date : vendredi, 12 juillet 2019
vendredi, 12 juillet 2019 12:36

Mandritsara: Mahazo vahana ny halatr’omby

Nanao fanamarihana ny Praiministra Ntsay Christian nandritra ny fitsidihany taty Mandritsara ny alarobia teo fa efa miha-voafehy ny fitrandrahana lavanila saingy mahazo vahana ny halatr’omby. Tsapa, hoy izy, fa misy mpitandro filaminana mitady hanodinkodina ny ombin’ny vahoaka izay efa mijaly. “Tsy azo leferina izany toe-javatra izany”, hoy ihany izy.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly, taorian’ny lalaon’i Madagasikara sy Toniza, teo amin’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika.

« Lavo isika fa tsy miondrika. Ary vao mainka hitraka hanandratra hatrany ny hambompom-pirenena. Misaotra anareo Barea, nitondra avo dia avo ny fanevantsika, nanoratra ny tantara ary nampiray fo ny Malagasy rehetra. Reharehan'ny firenena ianareo. Fandraisana anjara voalohany ho antsika tamin'ny CAN iny nefa nahavitantsika mihoatra lavitra noho ireo efa mpandray anjara hatrizay. Ho tohizantsika ny ezaka efa vita ary tsy maintsy hotohanana sy ho hatsaraintsika hatrany ny tontolon'ny fanatanjahan-tena. Tsy maintsy mitraka sy tafita i Madagasikara! ».

 

Publié dans Tselatra

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia ho tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy 13 jolay ny Barea an'i Madagasikara. Manodidina ny amin'ny 3ora tolakandro ny fiaramanidina hitondra azy ireo no higadona eny amin'ny seranam-piramanidina iraisam-pirenena Ivato.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 12 juillet 2019 12:00

Misaotra BAREA

Ny voalohan-teny dia ny miondrika manoloana ireo namoy ny ainy nandritra ny fiaraha-mientana ho fanohanana ny Ekipa Malagasy Barea an'i Madagasikara. Mankahery ireo fianakaviana.

Ampanetren-tena kosa no hiarabana feno ny Ekipam-pirenena Malagasy, ireo mpilalao rehetra tsy misy hanavahana, na ireo niakatra kianja, na ireo natao fiandry. Arabaina manokana ihany koa ny mpanazatra, ireo mpitsabo, ireo mpikarakara, ary ireo Ray aman-dreny, na nitantana ny federasionina, na ny tany amin'ny kilioba niangan'ireny mpilalao ireny.

Tsy adino ihany koa ny nipoiran'ny Barea, na ireo namorona anarana, na ny ao amin'ny CAF.

Tsy hay tanisaina fa atao moro-bilany indray manodidina, ka dia "Misaotra Barea" no mamintina azy.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2